Inona no atao hoe “Fahavetavetana”?

Fiami
6 min readMay 21, 2020

--

Inona no atao hoe “fahavetavetana”?

FAMARITANA: Ny teny hoe “fahavetavetana” dia miverina in-117 ao amin’ny Baiboly. Raha faritana ny teny hoe “fahavetavetana” dia entina milaza fomba fanao tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ary tsy tokony ho hita ety ambany masoandro akory.

Ohatra amin’izany ny fihinanana biby sy hena maloto (Lev.11, Deot 14:3, Asa 15:20), ny fanompoan-tsampy (Deot. 7:25), ny lainga (Oha. 11:1), ny hevi-dratsy (Oha. 15:26) , ny fiavonavonana (Oha. 16:5), ny fitafy tsy sahaza (Deot. 22:5) , ny fanamarinana ny meloka na ny fanamelohana ny marina
(Ezek. 18:24), ny fijangajangana (Lev. 19:29), sy ny fanaovana izay rehetra tsy araky ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fifandraisan’ny olona (Oha. 6, Lev. 18).

Ny Lev.18 dia milaza karazana fahavetavetana maro eo amin’ny fifandraisan’ny olona amin’ny manodidina azy, ary voararan’i Jehovah izany rehetra izany, satria tena fahavetaveana ary izany karazana fanambadiana izany dia tsy mampisy hasina ny fanambadiana.

Halan’i Jehovah ny fahavetavetana; ary firenena maro no efa naringany noho ny fahavetavetan’ny mponina ao aminy. Ny Bokin’ny Mpanjaka sy ny Tantara dia milaza ny nandringanana ireo firenena manao fahavetavetana.

§ 1 Mpanjaka 14:24 (fahavetavetana sy fijangajangana amin’ny ankapobeny);
§ 2 Mpanjaka 16: 3 (fahafoizan-jaza);
§ 2 Mpanjaka 21: 2 sy 2 Mpanjaka 21:11 (fanompoan-tsampy);
§ 2 Tan. 28: 3 (fahafoizan-jaza);
§ 2 Tan. 33: 2 (fanompoan-tsampy);
§ 2 Tan. 34:33, 36: 8, ary 36:14 (ankapobeny). (Ezra 9: 1, 9:11, ary 9:14)

Amin’izany toe-javatra rehetra izany, ny “fahavetavetana” dia manondro fitondrantena sy fomba mamoafady vahiny, izay nataon’ny Isiraely sy ny mpanjaka israelita, ka mahameloka azy ireo eo imason’i Jehovah sy ny tany aman-danitra.

Ary toy izany koa, ny teny hoe “fahavetavetana” dia entina hilazana ny fanompoan-tsampy (Ezek. 5:11, 6: 9, 6:11, 7:20, 14: 6, 20: 7–8, 22 : 2, 44: 6–7, 44:13), fanamparan-kery (Ezek. 18:13), fanandratan-tena sy avonavona (Ezek. 16: 47–50; ny “Fahotan’i Sodoma”) , ny fanitsakitsaham-bady (Hebreo 22:11, 33:26), ary ny herisetra (Ezek. 33:26), ary koa fehezan-teny ankapobeny momba ny fanaon’ny olona hafa firenena (Ezek. 16:51) na fandikan-dalàna ( Ezek. 5: 9, 7: 3–4, 7: 8–9, 9: 4, 11:18, 11:21, 12:16, 16: 2, 16:43, 18:24, 20: 4, 33:29, 36:31).

Ezekiela koa dia nilaza fa fahavetavetana ny fanompoan-tsampy sy “fijangajangana” (Ezek 16:22, 16:36, 16:58, 23:26, 43: 8).

FAHAVETAVETANA NY FIFANAMBADIAN’NY OLONA MITOVY FANANAHANA

.Amin’izao vanim-potoana izao dia maro no mirona amin’ny firaisana sy fanambadian’ny olona mitovy fananahana. Ary dia miezaka mihitsy izy ireo olona izay atao hoe sarimbavy sy sarindahy, lesbiana, gay, ary ny toa azy ireny, mivondrona ho amin’ny fikambanana iray, miady ny zony sy fahafahany haneho malalaka izany fihetsika sy fomba “sodomita” izany.

Nefa kosa, eo anivon’ny fiaraha-monina mandala ny fomba nentim-paharazana sy matahotra an’Andriamanitra, dia hita miharihary fa fomba mamoafady ary tena tsy fampiseho masoandro mihitsy ny firaisana na ny fifanambadian’ny lahy sy ny lahy, sy ny firaisana na fifanambadian’ny vehivavy amin’ny vehivavy. Fahavetavetana eo imason’i Jehovah Andriamanitra izany.

Ny LEVITIKOSY 18 dia mampiseho ireo karazana fahavetavetana sy fomba mamoafady isankarazany, izay tsy tokony hatao na oviana na oviana mba hahamasinana ny fanambadiana. Anisan’ireny fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy, ary koa ny fandrian’ny vehivavy amin’ny vehivavy. Izao no voalazan’ny Baiboly:

« Aza mandry amin’ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. » (Levitikosy 18:22)

Firenena masina ho an’i Jehovah ny zanak’Isiraely, ary isika ankehitriny koa, izay zanak’Isiraely ara-panahy, sady zanak’Andriamanitra koa, dia nomena izany toromarika izany, mba tsy hanao izay rehetra atao hoe fahavetavetana eo imason’i Jehovah, mba tsy handringanany sy hamongorany azy:

Mazava tsara ny Levitikosy 18: 26–30:

« Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo » (Levitikosy 18:26)« (fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon’ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany), » (Levitikosy 18:27)« mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo. » (Levitikosy 18:28)« Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny. » (Levitikosy 18:29)« Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon’ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin’izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. » (Levitikosy 18:30)

Mbola naverin’i Jehovah indray ny lalàna momba ny fitondrantena sy fanambadiana ao amin’ny Levitikosy 20, ary anisan’ny nohamafisiny ny FANDRARANA ny firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lehilahy. Ary toy izao koa ny voalazan’i Joda:

« [Fananarana ny amin’ny mpampianatra sandoka] Joda, mpanompon’i Jesosy Kristy sady rahalahin’i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin’Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an’i Jesosy Kristy; » (Joda 1)

« Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen’ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian’izany izay tsy nino. » (Joda 5)« Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina ho amin’ny andro fitsarana lehibe. » (Joda 6)« Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin’ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin’ny iaretany fijaliana amin’ny afo maharitra mandrakizay. » (Joda 7)

NY OLONA TSY MARINA TSY MBA HANDOVA NY FANJAKAN’ ANDRIAMANITRA

Ny Baiboly dia milaza fa ny nofo aman-drà tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra, satria tsy manam-pahamasinana izy. Izay rehetra manao izany fahavetavetana izany koa dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny:

« Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita* [* Izahao Lev.18.22] » (1 Korintiana 6:9) « sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. » (1 Korintiana 6:10)

« Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, » (Galatiana 5:19)« fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, » (Galatiana 5:20)« fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra. » (Galatiana 5:21)

Ny Apokalypsy 21:8 sy 27 ary Apokalypsy 22:15 koa dia milaza fa tsy hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy mino, ny mpandainga, ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy, ary ny vetaveta:

« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana izay an’ny Zanak’ondry ihany. » (Apokalypsy 21:27)

Famaranana

Tsy mba handova fanjakan’Andriamanitra ny olona vetaveta araka ny famaritana ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina:
« Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita* [* Izahao Lev.18.22] » (1 Korintiana 6:9) « sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. » (1 Korintiana 6:10)Lahy sy vavy no namoronan’i Jehovah ny olombelona. « Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin’ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy. » (1 Korintiana 7:3)

Toy izany koa ny sodomita, izay tena fahavetavetana eo imason’Andriamanitra: « Aza mandry amin’ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. » (Levitikosy 18:22) « Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin’ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin’ny iaretany fijaliana amin’ny afo maharitra mandrakizay. » (Joda 7)

« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8)

« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana izay an’ny Zanak’ondry ihany. » (Apokalypsy 21:27)

· « Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.» (Apokalypsy 22:15)

--

--

Fiami
0 Followers

Fiangonan’ Andriamanitra Miray