Valin-drihana

Trano gasy efa tranainy kanefa tsara karakara izay no ipetrahanay eto Manjakaray. Lovan’i Neny tamin’i Dadabe Rainipatsa ilay mpivaro-damba tery amin’ny pavillons izy io, ary anjara lovako tamin’i Dada sy i Neny. Trano amoron-dalana, misy rihana roa, biriky madio ivelany, mitafo taila, misy lavarangana — azonao sary an-tsaina angamba. Ato ambony rihana izahay efa-mianaka no mipetraka. Malalaka sy omby anay tsara ny ato — ny indro keliny fotsiny angamba dia izy tsy misy tokontany. Ny ao ambany rihana kosa dia ampanofainay, sitran’ny hahay mba ho fidiram-bola fanampiny.

Mpivady somary efa zokinjokiny no nipetraka tao tamin’ny fotoana nitrangan’ity zavatra tian-ko resahina ity. Mpiasa birao tao amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fampiroboroboana ny Sehatra Tsy Miankina Andriamatoa Victor Rasendra, izay fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Raviky. Hovalahy avy eny amin-dry Neny eny Avaratr’Ambohimanoa. Ramatoa vadiny kosa mpampianatra tetsy amin’ny Sekoly Fanabeazana Fototra tetsy ambony atsimo. Toa andriambavy avy any Ambodifahitra any, hono. Vavy tokana efa lehibe no zanak’izy mivady, manambady Tavaratra ary mipetraka any Marosay, Lafrantsa.

Maontimaontina, samy tsy dia mba be teny, tsy azo atao hoe miavona nefa koa tsy sariaka, izy mivady ireo. Mety misy miantso azy hoe bonaika, fa amiko, dia manaja tena angamba no mahalaza azy kokoa. Tsy mba fanaoko loatra ny mitsara olona fa raha ny fijeriko azy dia karazan’irony olona mandefindefitra tsy mba tia mifanditra na mifandona mivantana irony rizareo. Raha ny filazan’ny olona mahafantatra tsara ahy dia mitovitovy amin’izany ihany koa hono ny toetrako — olona mpandamindamina.

Na dia niray trano, ara-bakiteny, aza izahay sy ry Raviky mivady dia tsy mba nifanerasera firy. Mifampiarahaba tsara rehefa mifankahita, dia mifanatsafa kely eo, fa tsy mihoatra an’izay. Angamba samy nanana ny zavatra nahaliana azy tamin’ny fiainana ny ankohonana roa tonra. Na izany aza anefa dia tsy mba nanana olana taminy mihitsy izahay. Tonga tsara ara-potoana hatrany ny vola hofan-trano, ary voakarakarany tsara ny trano. Raha fehezina: Mpanofa trano modely izy mivady.

Ka izay indrindra no tena nahazendana ahy nony nitranga ilay fifandirana kely tiako ho tantaraina etoana.

Mbola ankizy kely mihitsy izy mianadahy zanako tamin’izany — dimy taona lasa angamba izay. Ny lahimatoa teo amin’ny valo taona teo, ary ny zandriny vavy kosa vao nandray dimy taona. Samy manana ny fomba fitaizany ny menaky ny ainy moa ny olona. Tsorina fa ankizy be angovo ny anay, na dia mbola voatavo tsy mifandraka aza. Misy miteny mihitsy aza hoe pelipelika sy maherihery setra. Tianay hivelatra, ho sahisahy, sy ho tia andrakandrana izy dahy ka tsy mba feperanay amin’izay tiany atao loatra. Kilonga falifaly fa tsy mba toy irony matahotahotra sy mipiripirina irony izy: mihazakazaka eran’ny trano foana isan’andro vaky izao — na milalao baolina, na manao fanenjika, na mifampitolona, na miady io.

Indray Asabotsy izay, tamin’ny fito sy sasany maraina, raikitra ny horakoraka sy ny hazakazaka fa nilalao fanenjika eraky ny trano fandraisam-bahiny izy mianadahy. Izahay mivady moa nanararaotra ny andro tsy fiasana ka mbola nijanona natory sy nifampitosy tao an-trano fandriana. Dia injany nisy nidobodoboka toy ny nisy nandondona ny rindrina. Noheverinay fa nanamboatra zavatra ry zareo tao ambany rihana. “Mba mifoha maraina koa Raviky izany an!” hoy ny vadiko mbola bongobongon’ny torimaso. Nitohy ihany ny dobodoboka, dia avy eo ohatry ny nisy nikapokapoka tamin’ny gorondona. Izy dahy amin’io manohy ny hazakazaka, sy ny rodorodony ary ny tabatabany eran’ny trano.

Ny ampitson’iny indray, andro Alahady, dia toy izany ihany no niseho. Nampiditra an’ilay kiraro “crampons” dia nilalao baolina tao an-trano vao maraina be ilay lahimatoa. Ilay vavikely kosa nijery Barbie tamin’ny vata fahitalavitra ka nalefany mafy be ny feo. Tabataba re izao! Dia injany indray fa nanomboka ilay kapopapoka rindrina sy gorodona avy tao ambany rihana. Mbola noheverinay fa manamboatra zavatra ihany ingahy Raviky.

Nony tonga ny Alatsinainy, dia tafiaraka teny am-piandrasana taxibe izahay sy Raviky. Zotra mitovy moa no falehanay satria izy miasa eny Ampefiloha, izaho kosa eny Anosy. Tsapako ho somary valabalaka ny endriny ary nisompirampirana hafahafa izany ny fijeriny.

“Manao ahoana Tompoko o!” hoy aho niarahaba sady niitsikitsiky taminy toy ny mahazatra ahy. “Bonjour, Mr. Rabekoto,” hoy ny navaliny ahy. Somary mainamaina ny valin-teniny. Araky ny efa nolazaiko, dia tsy mba olona be resaka izy, ka tsy nasiako eritrertra loatra. Tsaroako anefa fa tsy nitsiky izy ary tsinjoko ho nisy fahasorenana teny amin’ny endriny. Samy nandeha namonjy ny toeram-piasany avy izahay mianaka fa tsy nifampiresaka.

Nony tonga indray ny Asabotsy sy ny Alahady manaraka, nitovy tsy nisy valaka ny zava-nitranga. Nanomboka nilalao sy nitabataba vao maraina be ny ankizy, izahay mivady nakanaka aina tao am-parafara, dia injany fa nanomboka koa ny dondon-drindrina avy tao ambany rihana. Zara raha namaly ny arahabako ingahy Raviky ny Alatsinainy taorian’izay teny am-piandrasana taxibe. Fahasorenana no nisoritra nivandravandra teny an-tavany. Lasalasa ny saiko ny amin’izay mety ho anton’izany: “Sao lahy dia mba nisy ratsy nataoko na nifanaovana ka nahatezitra an’ingahirainy?” Tsy niteny tsy nivolana anefa na izaho na izy.

Zana-drahavavin-dRamatoa Raviky, izay niara-niasa tamiko no sendrasendra tafaresaka tamiko io Alatsinainy io ka nahafantarako ny anton’ny fahasoren-dRaviky. Notantarain’ilay nenitoany (ilay vadin-dRaviky io) taminy (ilay mpiara-miasa tamiko io) hono fa manahirana ny miara-monina aminay fa tsy mba afaka maka aina mihitsy izy mivady rehefa faran’ny herinandro satria vao maraina be dia “raikitra ny baolina ao amin-dry Rabekotaba mianankavy” (izahay efa-mianaka io). Dia mba andramany dondomina hono ny rindrina sy ny valin-drihana fa “tsy ahoan-dry Rabekotaba ao ambony rihana akory” izany. Akory hoy ianareo ny hagagako? Tsy tadidiko loatra na tezitra aho na menatra nandre izany. Avy hatrany dia notantaraiko tamin’ny vadiko ilay resaka. Sarotiny sy saro-piaro fatratra amin’ny hajan’ny ankohonany ilay andefimandriko ka nisafaoka izaitsizy izy vao nahare izany vavan’izy mivady ao ambany rihana izany. “Rabekotaba angaha no betsaka any? Ataoko mahalala ny tena anarako ireo anio!” hoy izy nimenomenona tamin’ny finday. Tsapako niakatra kely mihitsy ny tosi-dra-ko.

Efa nolazaiko tery ambony, fa aleo angamba averiko lazaina eto fa izaho dia anisan’irony olona tia filaminana fa tsy mba tia disadisa na gidragidra irony — olona mpandamindamina. Ny androtr’iny ihany, vao tafaverina tao an-trano aho dia nihaody tao amin’izy mivady tao ambany rihana. Ny handamina sy hitsinjo ny fiaraha-monina mba tsy hisian’ny rahoraho no tanjoko. Rehefa vita ny arahaba dia narosoko avy hatrany ny resaka.

“Tonga eto aminareo aho, ry izy mivady,” hoy aho, “saika hiala tsiny indrindra fa izao vao tsapanay fa mety manelingelina anareo ny tabataban’ny ankizy milalao.” Handamin-dresaka ny anton-diako ka tsy nolazaiko taminy fa tafaresaka izaho sy ilay zana-kavany mpiara-miasa tamiko, na dia nahasorena ahy ihany aza ny resaka henoko. “Izao izahay vao tonga saina, ka manao azafady sy miala fondro e! Ny irarianay dia mba hahatamana anareo ka androany ihany aho dia hiteny azy dahy mba tsy hilalao ao an-trano intsony izy.” Toy ny ankamaroan’ny olona votsa vava rehetra ihany aho: Tsy dia mahay miteny mivantana aho ary matetika dia izay heveriko fa tian’ireo mpihaino ahy ho heno ihany no teneniko.

“Misaotra anao indrindra, Mr. Rabekoto, fa olon-kendry tokoa ianao,” hoy ingahy Raviky namaly aho sady nilalao ny volombavany. “Taratra foana ny zanak’Ambohimanoa e! Tsy ny ankizy loatra angamba no diso ka tokony ho bedesina na treromina.” Ka inona ary no hitarainanareo sy hanomezanareo anay anaram-bosotra any amin’ny olon-kafa any, hoy aho anakam-poko. Sarotra tokoa ny mamisavisa sy maminany izay tena ao antsain’ny olona tsy tia miteny mivantana toa anay itony indraindray. Kanefa io toetra miolakolaka io no matetika miteraka lonilony sy fahasorenana, ka mahatonga ady.

“Mba mila ampianarina hiaina sy hanaja ny mpiara-belona aminy koa anie ny kilonga e!” Anisan’ny soa toavina ijoroanay mivady amin’ny fitaizana azy dahy io nolazaiko io fa tsy rediredy poakaty fotsiny. “Marina fa ao anatin’ny fahalalahana hatrany no ihezahanay itaizana ny ankizy, kanefa fantatray tsara koa fa tsy maintsy misy fetrany ihany izany fahalalahana na fahafahana izany rehefa miaina eo anivon’ny fiaraha-monina tian-kirindra.”

“Tsy mitady ny hametra ny kilalaon’ny zanakareo mihitsy izahay an!” hoy Ramatoa Raviky namaly ahy. “Ny mba angatahanay fotsiny angamba, raha toa ka azo atao, dia rehefa iny faran’ny herinandro iny dia mba tsy hikotaba vao maraina loatra izy dahy, fa iny ange no mba fotoana ahafahanay mivady miala sasatra kely sy manenjika ny torimaso izay tsy feno nandritry ny herinandro. Adin’ny roa na telo rehefa Asabotsy na Alahady ihany fa tsy mihoatra an’izany e! Sa tafahoatra ve izany hantahantanay izany?”

“Rariny loatra ary tsy mihoatra ny tokony ho izy velively izany hatakareo izany, ry izy mivady!” hoy aho. “Izao dia izao aho dia hitantara sy hanazava amin’izy dahy izao fifanarahantsika telo-mianaka izao. Ka raha ny tokony ho izy dia samy ho afaka hatory maraina avokoa isika rehefa faran’ny herinandro.”

Nifanao veloma finaritra teo izahay telo mianaka. Samy nahatsapa fa hafa ihany ny fiaraha-monina ifanaovana teny ierana.

Ny harivan’iny teo ampisakafoanana dia notanteriko sy nazavaiko tamin’izy dahy ny vontoatin’ilay fifanarahana nifanaovako tamin’izy mivady tao ambany.

“Izao rankizy an!” hoy aho tamin’izy dahy. “Hitanareo ilay rangahy mipetraka ao ambany io?”

“Ramose Raviky ve?” hoy ny lahimatoa.

“Ye! Fa Ingahy Ravikizitina no tena anarany,” hoy ny vadiko nitsaingoka, sady nihomehy masiaka. Vehivavy tsy mba manaiky lembenana ilay rafotsiko ary mbola tsy telin’ny vavoniny ihany ilay nantsoin-dRaviky mivady anay hoe “Rabekotaba mianankavy.” Noraisiny ho fanimbazimbana ny ankohonany izany teny nataon’izy mivady tany ambadika tany izany. Na dia niombonkevitra taminy aza aho dia nahatsapa koa fa tokony halamina ilay resaka fa sao mitarika olana raha samy hitazona lonilony ny andaniny sy ny ankilany. Mila mahay maka lagy, sy manome lagy ary mifanome lagy ihany indraindray raha te hilamina.

“Mba mangataka, … mba miangavy izy mba tsy hikotaba loatra isika rehefa faran’ny herinandro. Mba tsy hilalao baolina sy kanety ary fanenjika ato an-trano intsony.”

“Fa maninona kay, Maman?” hoy ilay vavikely.

“Dia tsy haiko retsy fa anontanio ny dadanareo,” hoy ilay vadiko.

“Satria hono izy reraka be ka mila manao dodo. Ny olon-dehibe mila maka aina sy miala sasatra rehefa Asabotsy sy Alahady maraina. Ny ankizy koa anefa mila milalao. Mila mifanaja sy mifandefitra ny lehibe sy ny kilonga.”

“Mifanaja sy mifandefitra angaha no betsaka any?” Sady naneso no nangarika ny vadiko niteny an’io. “Fohazy aho rehefa hitanao fa mananja antsika na mandefitra izy mivady an!”

“Fa maninona tokoa raha mba mandefitra koa ny olondehibe, ka miaraka milalao amin’ny ankizy?” hoy ilay lahimatoa-ko. Eritrereto hoe ankizy valo taona no miteny izany.

“Za rehefa Asabotsy maraina tsy maintsy mijery dessins-animés an! Dia milalao fanenjika. Dia manao fangala-piery!” hoy ny nasetrin’ilay vavikely dimy taona. Mafiloha kely sahady koa ilay kalakely.

Nitsiky kely ny vady malalako nijery ahy nanandrana nandresy lahatra azy dahy. Fantatro fa faly ery izy nihaino ny valintenin’ireto zanany.

“Ankizy kosa ve dia tsy hilalao e!?” hoy izy. “Ny zanako indray aloha tsy mba tiako feperana izany. Sady isika izany efa antsoiny hoe Rabekotaba, ka andao hikotaba e! Raha manana olana amintsika izy maninona no tsy mitsotra mivantana, fa any ambadika any no manaratsy antsika?”

“Ianao kosa e! Fantatrao tsara fa sarotra ny hahita mpanofa trano ohatra an’izy mivady ireo. Marina anie ny anao e! Fa mila miezaka mandefitra ihany isika. Sady toa olona mahafinaritra azo hifandaharana tsara anie izy mivady ao ambany e! Hitako ho rariny ihany aloha ny fangatahan’izy mivady e! Andao andramana hoe tsy mitabataba loatra isika alohan’ny amin’ny iraika ambin’ny folo maraina rehefa Asabotsy sy Alahady e!”

“Alohan’ny amin’ny sivy,” hoy ny adivarotr’ilay lahimatoako.

“Ianao kosa anie manao fifanarahana aman’olona any kanefa tsy mba niera taminay akory e!” hoy ilay vadiko somary nidongy. “Andao ary andramana e! Alohan’ny amin’ny folo maraina. Raikitra ve rankizy?”

“Eny, Maman!” hoy izy mianadahy.

“Tandremo ary mitabataba an!” hoy ny reniny. “Hiantsoan’ingahy Ravikizitina ny lehiben’ny fokontany hono izay ankizy mikotaba alohan’ny amin’ny folo maraina an! Tsy mahazo manao Rabekotaba intsony izany isika!”

“Za tsy tia an’izany lehiben’ny fokontany izany!” nanomboka nitomany fa natahotra ilay piso keliko. “Za tsy hikotaba intsony!”

“Inona kay izany lehiben’ny fokontany, Maman?” hoy ilay lahimatoa somary hendratrendratra. “Izaho tsy matahotra an’izany an!”

“Tsy misy miantso lehiben’ny fokontany izany retsy fa mananihany ny reninareo,” hoy aho. “Fa mila manaja an-drizareo ao ambany rihana fotsiny isika ka tsy tokony milalao baolina na manao fanenjika ato an-trano rehefa maraina alohan’ny amin’ny folo rehefa faran’ny herinandro. Ho entin’i Papa sy Maman mitsangatsangna any ambanivohitra isika rehefa Alahady hariva dia any isika afaka milalao sy mikotaba tsara. Dia raha hendry tsara ianareo, fa tsy manao Rabekotaba, dia mandeha mihinana gilasy any amin’ny Blanche Neige isika.”

Toy izany ny ambangovangon’ny dinidinika nifanaovanay efa-mianaka io hariva io, Nanantena ihany aho raha nanantena fa nisy voarain’izy dahy ny hafatra niriako ampitaina. Ny ankizy nefa moa ankizy ihany, ka tsy fantatra marina hoe inona no tadidiny tamin’iny resaka iny.

Ny ampitso maraina — Talata faran’ny volana — teo am-piomanana handeha hianatra sy hiasa izahay efa-mianaka no tonga nandodona tao aminay Ingahy Raviky tonga hanatitra ny vola hofan-trano. Vao nahita azy teo an-tokonam-baravarana izy mianadahy dia samy nihoraka hoe “Manao ahoana, Tompoko o!” Velon-tsiky Raviky, namaly hoe “Bonjour les enfants!”

Nanatona tsimoramora azy ilay zanako vavikely, ka niteny somary niangoty hoe: “Za mifona Ramose Ravikizitina fa za tsy hanao Rabekotaba izany intsony fa aza iantsoana lehiben’ny fokontany izany an!”

Nifampijery izahay mivady. Samy matin’ny henatra. Niantefa teny amin’ingahy Raviky ny masonay. Hagagana sy hatairana no hitako teny amin’ny endriny. Fa na izany aza dia tsinjoko nisy henatra kely koa. Samy mba vasoka: izahay moa menatra niantso azy hoe Ravikizitina, izy kosa mba menatra niantso anay hoe Rabekotaba. Samy olon-dehibe kanefa dia nahavita nifametaka anaram-bosotra toy ny ankizy kely ratsy fanahy.

Vetivety monja anefa izany dia nivadika ho tsiky. Irony tsiky hafahafa fanafenana henatra ireny aloha, dia avy eo niova ho tsiky fanetry ny zavatra mahatsikaiky — tsiky avy ao am-po. Samy nihezaka nifehy tena ihany na izahay na izy, kanefa samy tsy nahatana ka vetivety teo dia samy toran’ny hehy. Latsaka!

Tsy niteny Raviky, izy moa tsy mba be teny rahateo, fa ilay valopy misy ny hofan-trano no natolony ahy, dia iny izy lasa. Lokin’ny hehy na menatra loatra angamba ny anao lahy ka adinony hatramin’ny nanao veloma. Eisy e, Ravikizitina e!

Taorian’izay dia samy mba nanao izay vitany na izahay tato ambony na ry zareo tao ambany mba hifanaja sy hifandefitra. Tsapanay mivady fa tena niezaka mafy tokoa izy dahy mba tsy hikotaba — zary lasa mampalahelo anay indray aza indraindray fa toa lasa mifehi-tena be loatra. Asa inona no anton’izany: Tahotra ny lehiben’ny fokontany ve? Sa fitiavana ny gilasin’ny Blanche Neige? Sa kosa mba tena finiavana ny hanaja ny fiangavian’izy mivady ao ambany rihana?

Na dia nisy ihany aza indraindray ny kotaba sy ny dondon-drindrina rehefa Asabotsy maraina, hatramin’izao fotoana anoratako izao (dimy taona aty aoriana) dia mbola tamana sady mipetraka tsara ao ambany rihana ao ry Raviky mivady. Toa mety hiakatra hamangy azy mivady eto Vohitsara hono atsy ho atsy ny zanany sy ny zafikeliny efatra avy any Marosay, Lafrantsa. Mbola milamina tsara aloha hatreto ilay trano gasy ipetrahanay eto Manjakaray. Hatreto aloha an!

A single golf clap? Or a long standing ovation?

By clapping more or less, you can signal to us which stories really stand out.