Tehaka telo dia sioka tokana

Aza adino i Clovis an!

Soamiely
An’i Madagasikara
20 min readSep 6, 2017

--

Azonao henoina eto ny sombintantara velomin’i Serge Raharison

“Miala any i Navalona sy ny Touareg Mena-ny fa mitandrema tsara ianareo rankizy an!”

Mbola vao tery amin’ilay vahilava nanaraka iny reniranon’i Manongahela iny ilay fiara VW Touareg Mena an’i Navalona dia efa nanaitra ny kilonga tao an-tanana ny fidobodoboky ny amponga maroanaka sy ny gitara beso nanaraka ny mozika hip-hop fiderana nandeha mafy tamin’ilay autoradio. Teo amin’ilay sakelidalana misy lobolobo bararata teo izy no nandray ilay lalan-dratsy kitaontaona niantsinanana nihazo an’ Ankazonirifatra, vakim-pileovan’Ankazobevoany, Distrikan’Ankazodonda.

Misy trano biriky kely maorimoarina mitafo fanitso voaloko mena, voadidina zaridaina kanto maroloko misy hazo fihinam-boa sy mimoza ary anjavida izay ery atsimon-tanànan’ Ankazonirifatra ery. Teny no nivantana ilay Touareg Mena. Hitsidika an’i Pasitera Antoine Ramaroafitsoka, ilay sakaizan-drainy fahiny no anton-dian’i Navalona teny.

“Manakory ianao Pasitera an!” hoy izy niarahaba ilay lehilahy efa zokinjokiny nanao t-shirt maitso lomotra lava tanana misy ny sarin’i Mao Zedong mavomavo sy kintana menamena, pataloha kimono mainty tsy mipasoka, ary kapa-kodiarana nitsena azy teo am-bavahady. Fanampin’anarany fotsiny ilay hoe Pasitera io fa tsy olon’ny finoana akory ilay raiamandreny—raha ny marina dia tsy mbola nisy nahita azy nivavaka na hoe nitory teny izany ny olona tao Ankazonirifatra. Vitsy ny tena nahafantatra ny asa na ny antom-pivelomany ny tao an-tanana. Ary izay nahafantatra tsy mba nitantara.

“Manao ahoana Navalona a!” hoy i Pasitera nandray ny tanana natolotr’ ilay tovolahy nanao lobaka mena dorehitra sy pataloha levi’s jeans fotsy mifinjifinjy, ary baoty fotsy manjopiaka tonga namangy azy. Zanaka lahitokan’Itompokolahy Alphonse Andriandehibe, ilay mpivaronkena nanefoefo be tao Ankazonirifatra i Navalona. Vao maty ny rainy, dimy taona lasa angamba izay, dia tena nanara-po sy nanao laboraingy lava izy nanjifa ny vola aman-karena lovany. Nanjary nietraketraka sy niavonavona ary tia nanindry aloka ilay ankizilahy tsotra sy nahafinaritra taloha. Efa mitady ho ritra anefa hono izao ny vatsy navelan’i Dada Faonsa ho an-janany, ka voatery nitady izay fomba azo hitsinjovana ny vodiandro merika izy.

Niditra tao an-trano izy mianaka. Trano faran’izay tsotra ny fonenan’i Pasitera. Tsy mba be filirony. Vitsy haingo. Naka toerana teo amin’ny ankalana iray teo avarabaratry ny fatana i Navalona. I Pasitera kosa nitingitingina teo alohany teo. Tsy mba tia mampiasa seza izy, fa ny mitingitingina ihany no mety amin’ny lamosiny.

“Fantatr’ise moa i Clovis, zanak’anabaviko?” hoy ny Pasitera mantsy an’i Navalona, nanondro tovolahy iray nanao malabary somokotra nisorona afo teo amorom-patana teo. Nisy vongan-kenankisoa matavy efa voatetika, voatabia, tongolo ary anandrano teo akaikiny teo.

“Eny tompoko, efa nihaona tokoa izahay mirahalahy, kah!” Zara anefa raha nifampiarahaba izy roalahy. Na dia ny nijery an’ ilay badraodra nitena malabary fotsiny aza dia efa nanirikiry an’i Navalona.

Nifanatsafa sy niresadresaka nandritry ny dimy minitra mahery kely teo aloha izy mianaka, satria moa izany no fepetra takian’ ny fahaiza-miaina sy fahalalam-pomba. Vita izay vao nanontany ny anton-dian’ i Navalona i Pasitera.

“Tsy izany mantsy, Raiamandreny, fa nanofy an’i Dada aho afak’omaly alina. Dia nibitsika tamiko izy hoe ‘efa betsaka ny soa nataon’ny fokonolona an’ialahy izay, fa mba anjaran’ialahy indray izao no manao dom-berina.’ Mila ary maniry ny handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ity tanana kelin-tsika ity aho, Rapasy an!”

“Tsara izany raha toa ka tapa-kevitra ise! Dia mirary soa sy mitso-drano an’ise tokoa aho, hahaleo hahalasana, iatreha-mahefa, iamboho-mahavita, anaka!”

“Dia nilaza koa i Dada fa ianao hono, toa mety afaka manampy raha ilaina.”

“Tena sakaiza mamiko tokoa i Fonsa.” Nisento kely i Pasitera niteny an’io. Be dia be tokoa ny soa azony avy tamin’Itompokolahy Andriandehibe sakaizany. Anisan’izany ilay vatsim-pianarana nankany Busan, Korea Atsimo nahafahany nanaraka ilay fiofanana avo lenta mikasika ireny fahaizana manokana ananany ka mahazendana ny valalabemandry ireny. “Ka raha izay no hafany dia vonona hanampy an’ise aho.”

“Tena .,.” Saika hisaotra i Navalona fa mbola nanohy ny teniny i Pasitera.

“… fa aleo aloha hazava tsara an! Ny olona tsara sitrapo sy madio saina, ireo ihany no handairan’ny fanampiana omeko.”

“Mazava tsara ka …”

“… dia tadidio koa fa tena fady amiko izany olona mitsipa-doha laka-nitana izany. Fitia mifamaly no iorenan’ito fiaraha-monintsika ity, ka aza manody izay tsy mamaly soa kanefa afaka mamaly. Raha misy fahasoavana azon‘ise’ dia aza mba adino mihitsy mankasitraka sy mamaly ireo izay nahitan’ise na nipoiran’izany soa izany.”

“Mazava loatra an! Izaho zanak’i Faonsa indray ve no atoronao an’izany Dadapasy an!”

“Raha vonona ary ise ka manaiky an’ireo fepetra voalazako ireo dia andao isika hifindra atsy an’efitra atsy e!” Nitsangana tsimoramora i Pasitera ary nanatona ilay varavarana miloko mena marevaka teo amin’ny rindrina avaratra. “Zavatra iray hafa koa: Misy zavatra maro hitranga ka mety tsy ho azon’ise ny antony. Aza be fanontaniana fa ekeo fotsiny.”

Dia nitsangana koa i Navalona ary nanaraka an’i Pasitera nanatona an’ilay varavarana menamena.

“Lasa vetivety izahay ry Clovis an!” Hoy i Pasitera tamin’ilay zanak’anabaviny. “Tonga dia mba karakarao ny sakafo. Fa n’inona n’inona mitranga, aza miditra ato mihitsy ianao raha tsy mitehaka intelo sy misioka tokana ary miantso ny anaranao aho an! Mety ho noana be izahay rehefa miverina eo, fa ataovy betsaka sy matsiro ny sakafo e!”

“Eny ary ry dadatoa an! Miandry ny tehaka telo sy ny sioka tokana ary ny anarako voatonona aho vao manokatra an’io varavarana io! Mahavita be o!”

Tonga tao amina efitrano maizimaizina izay izy mianaka. Nanaitra an’i Navalona avy hatrany, ary nameno ny havokavony, ny setroka mazevatra navoakan’ilay emboka manitra sy bozaka sy tapakazo mahery fofona nipololotra avy tamin’ilay fantana kely teo akaikin’ny fidirana. Kofona izy. Nangirifiry ny masony. Labozia nirehitra teny amin’ny zoron-trano efatra no nanazava ilay efitra. Misy latabatra kely misy solosaina MacBook Air sy ny Ipad ery amin’ny sisiny atsimo. Nisy mozika reggae nandeha moramora tamin’ ilay ipad — Peter Tosh angamba izany na i Jimmy Cliff, hoy i Navalona tao an-dohany. Diso izy, Red Red Wine an’ny UB40 no mandeha. Somary nihodina ny lohany. Nahatsiaro tena nanidina izy. Asa raha ny setroka, na ny mozika, na zavatra hafa mihitsy no nahatonga an’izany fa nahatsiaro tena ho maivamaivana, falifaly izy.

Raha jerena avy eny ivelany ilay efitra nidirany dia mety heverina ho kely dia kely tsy omby singam-belatsihy iray akory. Rehefa tafiditra ao anatiny anefa dia midadasiaka azo hivalaparana tsara. Nisy seza pofo malemilemy anakitelo norakofana lamba jandiana mevaloko teo ampovoan-trano. Naka toerana kely teo aloha i Navalona fa nihodina be ihany ny lohany sady vizambizana ny masony. Rakotra afisy misy sarina mpihira isan-karazany ny rindrina: Lolo sy ny Tariny, Scorpions, Mahaleo, Bob Marley, Jean Jacques Goldman ary Iron Maiden, Lou Reed. Feno boky mipetrapetraka eny rehetra eny: Takelaka Notsongaina, SAS, Brigade Mondaine, Playboy, Victor Hugo, Elie Rajaonarison, Hajaina, Paris Match, Firaiketana, Edgard Alan Poe, …..

Nakimpin’i Navalona vetivety ny masony. Nony nahirany dia tsikariny toa nihalehibe ilay efitrano. Mozika milamindamina, Earl Klugh na Georges Benson indray no mandeha, nandravaka ny fahanginan’ilay efitrano hafahafa. Tsikariny koa fa nisy varavarana kelikely izay mbola tsy hitany hatramin’izao tery amin’ny ilany avaratra antsinanana. Nisy kisarina karan-doha sy taolam-paty toy ny an’ireny jiolahitsambo ireny teo ary nisy soratra tamin’ny teny angilisy hoe “Danger! Keep Out!” Nijorojoro teo akaiky teo i Pasitera. Niandry azy.

“Andao ary isika handroso lalindalina kokoa, raha tena vonona ise,” hoy i Pasitera Antoine, dia nampiany hoe: “Raha tena sahy ise.”

“Vonona foana, toujours pret!” hoy i Navalona. Tsaroany navesabesatra sy nadity ny masony, fa ny sainy kosa navitribitrika sy maivamaivana.

Nosokafan’i Dadapasy ilay varavarana. Nikonainaina fatratra ny tolàna, tsy ampy menaka. Tohatohatra hazo midina any amina efitra ambany tany no teo anoloanan-drizareo. Na tsy nisy jiro aza dia nahagaga fa hita soritra mazava tsara ny zanatohatra tsiarairay. I Dadapasy no nitarika, ary i Navalona nijaiko nanaraka avy ato afara.

“Araho fotsiny aho ary aza manao be fanontaniana ise!” hoy ny Pasitera.

Navoakan’i Navalona ny Iphone 7-ny — saika hampiasainy hitarafana ilay totohatra izoran'izy mianaka. Nony nojereny anefa ilay finday dia low batt 5 % ka naleony tsy nampiasaina fa sao lany ny vatoaratra. Hitany koa fa tsy nisy nahazo tsambazotra ilay izy. Gaga izy fa naneno tampoka ilay finday nilaza hoe tsy misy tambazotra teny an-tanany.

Toy ny mahazatra azy, navelany naneno imbalo ilay finday vao noraisiny. Fomba sy vonololo nianarany tamin’ny namany mpanao bizina izy io. Tsy fanao hono ny mandray finday eo no ho eo fa tokony ampiandrasana foana izay miantso. Amin’izay ianao heverin’ny olona be hierehana sy sahiran-dava. Ny olona be hierahana mantsy hono hajain’olona kokoa noho ny olona tsy misy atao.

“Bonjour! Navalona ve izao?” Hoy ny feom-behivavy fantany tsara. Diso fantany loatra aza. Feon’ilay madamakely vadin’ny sefo fokontany. “Marary be leitsy i Ramose vadiko ka mila miresaka amin’ialahy maika hono izy.”

“Oaray leaza!” Hoy i Navalona. “Mbola en reunion aho izao. Afaka mi-rappel ve izy dans vingt minutes? Sinon, rappeler-ko cherie dans une demi-heure?”

“Tena mila miresaka aminao maika hono izy izao dia izao kah!” Tsy nanaiky fa nidrikina ilay ramatoa. “Efa tonga ato daholo ny dokotera sy ny notaire, ary ny mompera hanome ny sakramenta masina farany. Ianao sisa no andrasana. Efa miala aina i Ramose fa tongava aty aingana ianao fa misy zava-dehibe mila lazainy anao hono e!”

“Tena tsy disponible aho akia izao dia izao a! Tsy afaka mankany aho. Teneno izy hoe dans une demi-heure aho mandalo raha vao liberé.” Sady nopihany ilay finday. Dia iny izy nanohy ny fidinany ilay tohatra mitsotsorika. Hafahafa ihany satria tazany tsara ery ambany ny gorodona kanefa toa tsy mety tody izy fa toa tsy manam-pahatamperana ny tohatra. Tsy nanana fotoana ny hamisavisaina ny anton’izany izay satria vao nandingana zana-tohatra roa akory iledala dia naneno indray ny findainy. Nojereny: 13% ny sisanangovo anaty vatoaratra, ny Reseaux moa tsy nisy na bara iray aza. Toy ny fanaony mahazatra, navelany naneno imbalo ilay finday vao noraisiny. Ompa vazavaza, kitakita variraraka no nitsena tao.

“Fa ialahy ve ry anadahin-drenin’ity tena tsy manaja olon-dehibe manam-pahefana mihitsy an! Olona efa ho faty sy miala aina ve dia mbola odian’ialahy fanina ka tsy mba vangian’ialahy.“ Na i Dadapasy tery ambany tery aza nahaheno ny vazavazan’ilay sefo fokontany.

“Aza dia misendaotra loatra ianao, Prezida, fa sao dia tapaka lalan-dra mandinika eo ka hanahirana olona eo an! Ary ianao ange toa ohatry ny tena matanja-peo be kanefa milaza fa ho faty e!”

“Raha ny sitrapoko dia aleo ialahy hihinanan’ny fatin’ialahy any!” hoy ny fitrenan’ilay rangahy tao anaty finday. “Fantatr’ialahy anefa fa mpifati-dra izaho sy i Alphonse dadan’ialahy. Efa nanome toky azy aho fa hikarakara an’ialahy hatramin’ny fara-fofonaiko, noho izany mila miresaka amin’ialahy aho.“

“Tena en reunion aho, Presida, fa ataovy kitakitana ary ny resakao a!”

“Lele …! “ Nisento lalina ilay sefo fokotany. “Mila manendry olona hisolo ahy ho sefo fokontany aho alohan’ny hahafatesako. Ka raha mety ialahy dia ho tendreko ho mpiandraiki-draharaha hitantana ny fokontany mandram-pahatongan’ny fifidianana manaraka. Ka eto imason’ny Mopera sy Dokotera ary ingahy Notaire eto, izay samy mijoro eto akaiko eto aho no manasonia ny antontan-taratasy mirakitra izany fanampahan-kevitra izany. Raha vao vita ny sonia, dia avy hatrany ialahy dia mandray ny adidy sy andraikitra niantosrohako nandritry ny roapolotaona mahery. Afaka manendry ny adjoint tian’ialahy iarahana miasa ialahy.”

Vao vita io fehezanteny io dia namoy ny ainy ingahy lehibe. Teo no ho eo ihany dia lasa lehiben’ny fokontany tao Ankazomirifatra i Arinavalona Arsene Andriandehibe, na i Navalona.

Notantarainy tamin’i Pastera Ramaroafitsoka teo no ho eo ny zavatra nitranga sy ny resaka nifanaovany tamin’ilay sefo fokotany teo aloha.

“Arahabaina aloha ise izany fa nahazo fahefana sy fahasoavana. Mino aho fa hahafahan’ise mamaly soa ny fokontany sy ny fokonolona nahazahoan’ise soa tsara io toerana io. Mba saika hangataka koa aho raha mba azonao tendrena ho Adjoint Chef Fokontany na Mpitantrsoratra i Clovis ilay zanak’anabaviko. Tovolahy matotra sy mpiasa be izy ary mino aho fa tsy ho anenenao ny manome toerana azy.”

“Ento mora fa aza maika loatra moa i Dadapasy e! Tena ankasitrahako daholo ny fanampiana nataonao ka nahazaoako izao fahasoavana be izao ary tsy maintsy ho valiako ireny. Resaka serieux io! Kanefa efa misy olona noeritreretiko homena an’ireo postes ireo. I Taoro no ataoko adjoint-ko sady dir-cab, dia i kala Nathalie ilay papoziko no ataoko secretaire particuliere.”

Nandeha ny andro, ny fito nivadika ho herinandro. Nandeha ny herinandro, ny efatra nivadika ho volana. Ny volana roa ambin’ny folo nivadika ho taona. Nanomboka nahazo tsirony tamin’ny andraikitra niantsorohany sy ny fahefana nananany i Navalona Andriandehibe. Tsy mba ela amin’ny zavatra ianarana izy. Hainy tsara ny fampandehanan-draharaham-panjakana eo anivon’ny fokontanin’ Ankazomirifatra.

Indray maraina, nasainy tonga tao amin’ny biraony i Pasitera Antoine Ramaroafitsoka. “Efa haiko tsara ity asa ity sady tiako. Tsapako tokoa fa tena manampy be ny mpiara-belona amiko, araky ny hafatr’i Dada, aho izao. Kanefa ohatry ny mety ho tsara kokoa raha mba mahazo promotion kely indray aho. Toa vitsy loatra mantsy raha ny olona eto Antsahazendana fotsiny no maharay fahasoavana avy amin’ny asako. Mila velarina kely.”

“Eny ary fa ho jerevako izay azoko atao,” hoy i Dadapasy, dia lasa izy nanao izay fanaony sy nataony hanampiana an’i Navalona.

Adin’ny telo tao aorian’izay dia nahazo imailaka avy tamin’Andriamatoa Ernesto Rasolovaika, Tale Jeneralin’ny Fanapariaham-pahefana tao amin’ny Minsteran’ny Atitany i Navalona.

From: Rasolovaika Ernesto
Date: 2017–09–05 11:36 GMT-04:00
Subject: Chef District Ankazodonda.
To:Navalona Andriandehibe

Atoa Navalona Andriandehibe, Sefo Fokotany Ankazonirifatra:

Efa hitanao tamin’ny vaovao facebook ihany angamba fa tratran’ny BIANCO nanao kolikoly sy nanodikodina volam-panjakana Ramatoa Rabejabora lehiben’ny Distrikan’ Ankazodonda. Efa voasambotra ary napetraka eny Tsiafaha izao izy sy ny mpiray tsikombakomba taminy.

Noho izany, mila olona izahay ho mpiandraiki-draharaha hitantana ny Distrika mandram-pahatongan’ny fifidianana manaraka. Rehefa nifandinika ka naka ny hevtiry ny be sy ny vitsy ny tenanay dia ianao irery no heverinay fa hahavita sy hiantsoroka izany asa goavana izany. Mila manomboka izao dia izao ianao raha vonona. Valio malaky azafady.

Ernesto.

PS. Afaka manendry izay olona heverinao fa tokony ary afaka hisolo anao amin’ny fitantananana ny fokontanin’Antsahazendana ianao.”

Avy hatrany dia neken’i Navalona ilay tolotrasa dia lasa Lehiben’ny Distriktan’Ankazodonda izy.

“Arahabaina indray ise izany fa sady nitombo fahefana no nitombo fahasoavana.” hoy i Pasitera Ramaroafitsoka nony nifankahita ka niresaka izy mianaka. “Ho ambininjava-manasatra hatrany anie ianao anaka! Fa hono ho’a! Mba saika hanontany aho raha mba afaka tendrenao handimby anao ho Chef Fokontany i Clovis ilay zanak’anabaviko ao antranoko io e! Tovolahy matotra no sady manana diplaoma sy traikefa ara-dalàna izy ary mino aho fa tsy ho anenenao ny manome azy io toerana io.

“Aza manahy ianao ry ingahy Pasitera fa tsy maintsy ho valiako jiaby ny soa rehetra vitanao tamiko. Kanefa aleo isika tsy hiazakazaka loatra ndrao dia potraka! I Taoro, Adjoint sy Dir-Cab-ko anie no efa nampanatenaiko io toerana io e! Mbola ho avy ny anjaran’i Clovis e!”

“Hay ve!’ Nangaina i Pasitera. “Aza adino ary i Clovis raha vao misy asa mifanentana aminy fahaizany an!”

Nandeha ny andro, nivadika ho herinandro. Nandeha ny herinandro, nivadika ho volana. Ny volana nivadika ho taona. Tsy ela akory dia hainy sady voafehiny tanteraka ilay asa fitantanan-draharaham-panjakana niantsorohany. Nahafinaritra azy ny mikirakira ny fahefana teo am-pelatanany. Tsy ela akory dia nangidihidy fahefana vaovao sy lehibebe kokoa indray i Navalona Andriandehibe, lehiben’ny Distrikan’ Ankazodonda.

Nampanatsoiny tao amin’ny biraony ary i Pasitera Antoine Ramaroafitsoka . “Tena tsapako misy vokany amin’ny fiainan’ny mponina ny zavatra ataoko izao. Misy fiatraikany mivantana sy azo tsapain-tanana mihitsy. Kanefa mety ho tsara kokoa raha mba afaka miakatra kely kokoa noho izao position-ko izao aho. Tena haiko ity asa ity sady tiako, saingy kely loatra ho ahy raha ny eto Antsahadonda. Mila toerana malalaka kokoa aho ahafahako tena mivelatra tsara, sa ahoana hoy ianao?”

“Eny ary fa ho jereko izay afaka atao hanampiana an’ise” hoy i Dadapasy, dia lasa izy nanao izay fanaony sy nataony izy.

Tapa-bolana na Roatokom-bolana taoriana, nahazo antso avy tany amin’i Leon Ramahaleo, Minisitry ny Ati-tany, i Navalona Andriandehibe, Lehiben’ny Distrikan’ Antsahadonda.

Navelany naneno im-polo toy ny fomba fanaony ilay finday vao noraisiny.

“Azafady indrindra fa nampiandry an’i Son Excellence Monsieur le Ministre, fa tena en plein reunion de travail aty amin’ny Capacity Building Colloque de restitution des resultats an’ny enquette natao mikasika ny decentralization des deliberations des training des trainers dans le cadre de la promotion de l’artisanat dans le district d’Antsahadonda et environs izahay io fa nitsaoka kely fotsiny aho handraisana ny antsonao.”

“Tena miala tsiny ary manakotaba,” hoy ny minisitra, somary hendratra. “Fa resaka maika ito. Vao nivaoka ny conseil du gouvernement aho izao. Efa henonao ihany angamba fa notendrena ho masoivohon’ny Repoblikan’i Mandravasara any amin’ny IOIOIOIO (Interministerial Organization of the Indian Ocean for Industiral Organization for International Order) Ingahy Ernesto Rasolovaika, Tale Jeneralin’ny Fanapariaham-pahefana tato amin’ny Ministeran’ny Ati-tany teo aloha. Tena element fiable iny lasa iny. Mila olona manana ny envergure-ny sy ny capacité d’analyse-ny aho izao ary tena maika be. Mila Jocker aho fa efa ho avy ny fifidianana. Raha ny hevitry ny olona nanontaniako dia ianao no “perfect candidate“ amin’io asa io. “The right man at the right place,” hono ianao. Ka manantena aho fa vonona handray andraikitra ianao.”

“Tena vonona sy liana tokoa aho. Azoko antoka fa ho haiko sady ho vitako an-tsakany sy an-davany io fa aza manahy i Son Excellence e! Sa moa, Votre Excellence no tokony iantsoako anao?”

“Leon na Noel iantsoana ahy dia mety e!” hoy ny Minisitra Ramahaleo, sady nikakakaka nihomehy izy.

“Raikitra izany Ra-Noel fa mandamindamina ny raharaha isan-karazany dia ho tonga mavitrika any amin’ny Ministera aho amin’ny herinandro ambony.”

“Tara loatra raha izany amin’ny herinandro izany an! Rahampitso ihany isika dia mila mandeha any amin’ny Palais d’Etats hanao briefing ny ny Filoha momba an’ilay Pacte de la Decentralization. Mifidiana aingana ianao olona afaka hisolo anao fa avy dia omeko ny fankatoavako izany na iza na iza.”

Nampiatsoan’i Navalona indray i DadaPasy ka notantarainy izay niseho.

“Arahabaina ise izany fa nahazo fahefana vaovao sy fahasoavana. Mitomboa hasina hatrany ianao Andriamatoa Tale Jeneraly. Fa hono ho’a tsy aleo ve mba i Clovis zanak’anabaviko no tendrena ho hisolo anao ho lehiben’ny Distrika. Sady IMATEP mantsy izy no CEDS, ny ENAM moa tsy lazaina akory ka mino aho fa ho mora aminy ny manohy izay efa vitanao.”

“Vao nieritreritra azy mihitsy aho teo Dadapasy e! Tena ankasitrahako ary aza manahy ianao tsy maintsy voavaliko ny soa rehetra vitanao tamiko. Kanefa raha izao aloha dia olona hafa no eritreretiko ho tendrena. I Georges Louis Borges, ilay sakaizako taikiringa nanampy ahy tamin’ilay atelier omaly iny no hitako tena mi-maitrise tsara ny sujet, indrindra par rapport aux techniques de la planification decentralisée.”

“Eny ary raha izay no mahasoa e!” hoy ny ngonongonon’ny Pasitera Ramaroafitsoka, nalahelo. “Aza adino i Clovis raha vao misy asa mifanentana aminy fahaizany an!”

Nandeha ny fotoana: ny andro lasa herinandro, ny herinandro lasa volana. Nanatona ny fifidianana. Nisahotahotaka be ihany ny tontolo politika teto Mandravasara. Betsaka tokoa ny asa tao amin’ny ministera. Vetivety monja anefa dia sady hay no voafehin’i Navalona tanteraka ny asa niantsorohany. Nahafinaritra azy ny mikirakira ny fahefana teo ampelatanany.

Nanomboka nangidihidy fahefana vaovao sy lehibebe kokoa indray ilay Tale Jeneralin’ny Fanapariaham-pahefana tao amin'ny Ministeran’ny Ati-tany ka nantsoiny tao amin’ny biraony teny Anosy i Pasitera Ramaroafitsoka. “Tsy hitanao ho tsaratsara kokoa ve, Dadapasy raha mba ampitomboana kely indray ny andraikitro sy ny fahefana hananako. Amin’izay aho tena afaka mampandroso an’ity Mandravasara iraitsimivaky malalatiska ity. Fanavotam-pirenena mantsy izao no laharam-pahamehana fa tsy fampivoaram-pokontany intsony. ‘Think nationally, act locally!’ Izany no baikom-pitolomana … sa moa ‘think locally, act nationally’ izy teo? Tena tsy tadidiko fa ohatrohatr’izay no fandehany e!”

“Eny ary fa ho jerena izay azo hanampiana an’ise,” hoy i Dadapasy, dia lasa izy nanao izay fanaony sy nataony hanampiana an’i Navalona, zanak’i Alphonse sakaizany.

Telo andro taorian’izay dia nahazo antso maika be avy tamin’ny Chief of Staff-n’ny Filohan’ny Repoblikan’i Mandravasara i Navalona. Toy ny fanaony mahazatra, navelany naneno imbalo ilay finday vao noraisiny.

“Azafady nampiandry, …”

“Mila miresaka aminao maika dia maika ny presidanty, fa restes en ligne dia connecter-ko ianareo.”

“Attends, tena en plein reunion de travail miaraka amin’ny PNUD sy ny bailleurs hafa leitsy aho izao momba ny elections. Je te rappelle leitsy a! A tout de suite rehefa avy eo e! Okay! Ciao!”

Avy dia napetrany ny telefaoina, tsy niandry izay valintenin’ilay Chief of Staff akory izy. Efa fika fanaony io amin’izay hono heverin’izay miantso fa be hierehana foana izy.

Tsy ampy dimy segondra akory dia niantso azy tamin’ny finday-ny ilay Chief of Staff. Tezitra. “Fa ialahy ve ry Navalona adala e! Rehefa miantso ny Filoham-pirenena dia il faut tout laisser tomber, ok? Sans hesitations, ni murmures. Aza miala ialahy fa transferer-ko ny appel a!”

“Allo? Allo? Iza izao o?” hoy ilay feo fantany tsara satria mandeha amin’ny radio matetika. Fantany tsara koa satria vehivavy avy eny amin-drizareo eny Ankazondoda eny Vakinimanongahela i Prezida ary mahatadidy tsara ny rain’i Navalona sy ny soa nataony teo amin’ny fiarahamonina. “I Vanou ve izao?” Vanou tokoa mantsy no fiantson’Itompokolahy Alphonse an’i Navalona fony izy bitika. Misy olona vitsivitsy ihany mbola mahatiaro izany solonanarana izany.

“Eny tompoko, votre excelllence Madame la presidente ….” hoy ny valinteny miboredika.

“Ca va ve ise!? Ca fais un bail an! Manao ahoana ialahy?”

“Mety tsara aho, tantine an!”

“Manana probleme kely aho. Ka mety tena mila ny fanampian’ialahy. Mitady olona tena azoko hatokisana aho. Raha ny renseignements voaraiko mantsy dia toamhanao kaomberaka miaraka amin’ny Sovietika sy ny Frantsay i Leon Ramahaleo, Minisitry ny Atitany. Toa misy fifanarahana hono miaraka amin’ny parti-ny sy ireo vazaha ireo hi-detourner-vany ny resultats-an’ny election. Hilatsaka ho kadida contre anahy, hono iledala amin’ny ora farany.”

“Izany tokoa ve? Tsy mampino koa izany an! Iza ihany ary olona azo itokiana fa tsy ho voavidimbola eto Mandravasara?”

“Tsy misy hafa tsy ny havana, ry ise a!” hoy ny Presidanty. “En tout cas, tsy azoko avela hitantana ny Ministeran’ny Atitany intsony i Leon. Toa miray tsikombakombaminy koa hono mantsy ny Minisitry ny Fitsarana. Efa voasoniako ny decrets secrets manaisotra azy roa ireo tsy ho ministra intsony. En fait, vao nasaiko nosamborina rizareo aninkeheo. Apetrako en residence surveillée aloha fa iza no mahalala.”

“Oaray leaza …”

“Mila olona azoko ianteherana tanteraka leitsy aho ry Vanou an! Ka izay no iantsoako anao. Afaka matoky anao ve ao? ”

“Mazava loatra, Tantine an!” hoy Navalona. “Ny fianakaviantsika anie ka niray fasana taloha e! Miray faka isika, ka mahazo matoky anahy ianao.”

“C’est vrai! Raha mety amin’ise dia ho annoncer-ko amin’ny haino aman-jery, sy ny facebook, fa androany dia androany ihany dia ise no Ministry ny Atitany sady Minisitry ny Fitsarana. Zakan’ise ve anefa aloha ireo ministera anakiroa ireo mandram-pandresentsika amin’ny fifidianana?”

“Raha mety aminao dia mety tsara amiko ka …” Dia iny tokoa i Navalona Andriandehibe ilay boay kely mpitondra Touareg Mena fa lasa Minisitry ny Atitany sy Minisitry ny Fitsarana ary Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana.

“Arahabaina ise izany fa nahazo fahefana sy fahasoavana mihavosa,” hoy i Pasitera Antoina raha vao naheno ny vaovao izy. “Tongava amin’ny avo kokoa indrindra hatrany, anaka! Faly ery i Alphonse raha mahita an’ise ohatr’izao. Dia aza adino ilay toky nomen’ise hoe hanampy an’i Clovis, zanak’anabaviko an! Sady INSCAE no ISCAM izy ka afaka manampy tsara. Efa fotoanany kosa angamba izao.”

“Aza maika loatra moa i Dadapasy e! Tena ankasitrahako hoy aho ary aza manahy ianao fa tsy maintsy ho valiako ny soa rehetra vitanao. Fa tena tsy manana fotoana aho fa tena repotra amin’ito resaka fifidianana ito. Raha vao vita ny fifidianana dia hitadiavako izay toerana tena sahaza azy i Clovis fa aza manahy ianao e!”

Kivikivy ihany i Pasitera nieritreritra ny fihetsik’i Navalona. Efa nanome toky ny rain’i Navalona anefa izy fa hanampy arak’izay vitany anazy.

Tsy ela dia voafehin’i Navalona hatramin’ny pitsipitsony faran’izay bitika indrindra ireo ministera anakiroa niandraiketany. Henjana ny fikarakarana ny fididianana. Raha ny tarehimarika voangona dia toa nitovitovy ny tsy fitiavan’ny vahoaka ireo kandida matanjaka anakiroa: Ramatoa Filoha amperinasa tetsy andaniny, sy Andriamatoa Minisitry ny Atitany teo aloha tetsy ankilany.

Samy malaza ho mpanao amboletra sy ho mpanao kolikoly izy miandahy mianaka ireo. Nanomboka nizara roa niavaka tsara ny firenena, ary nanoboka nisy fampiasana herisetra nanditry ny fotoana fampielezan-kevitra. Isaky ny mifanena ny andaniny sy ny ankilany dia tsy mba hevitra no nampiadiana fa ny sandry sy ny totohondry mihitsy. Mazana misy maratra. Indraindray aza misy maty mihitsy.

Nandritr’izany fotoana izany dia nisy feo anakiray tsy nitsahatra nandamina, niantso fitoniana sy fihavanana ary fifandeferana. Tsy nisy nihaino izany antso izany tamin’ny voalohany. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, ka nitombo ny herisetra, dia nihabetsaka ny olona nandre ny antson’i Navalona Andriandehibe, Minisitry ny Atitany sy Minisitry ny Fitsarana ary Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana. Hitan’ny olona matetika tamin’ny haino amanjery izy, ary nanomboka niakatra ny taha-mpakasitrahan’ny olona azy. Nitombo ny isan’ny amis-ny tao amin’ny facebook.

Nanomboka nitady olom-baovao ny vahoaka. Nanomboka nitady olom-baovao ny mpamatsi-vola.

Indray maraina, nampanatsoin’i Navalona tao amin’ny biraony i Pastera Antoine. “Tena mitady hiparasaka ny firenena ity raha izao no mitohy an! Lasa guerre civile raha tsy mitandrina isika an! Mila olona mitondra fanantenana sy fitoniana ary firaisankina ny vahoaka! Sao mba misy hevitra …?”

“Eny ary! Ho jereko izay azo atao hanampiana anao.” hoy i Dadapasy, dia lasa izy nanao izay fanaony sy nataony hanampiana an’i Navalona.

Ny ampitson’iny resaka iny ihany. Tamin’ny efatra maraina. Nisy nandondona mafy vavahadin’ilay trano-villa nipetrahan-dry Navalona. Manamboninahitra ambony anaky dimy nanao fanamiana fitondra antsahanady, no nijoro teo ambavahady.

Avy hatrany dia niteny nivatambatana ny miaramila iray:

“Manaja anao, Andriamatoa Minisitra. Manao tatitra aminao izahay manam-boninahitra zokiny indrindra mitazona ny grady ambony indrindra ao amin’ny Tafika tanety-habakabaka-ranomasina, Zandarimaria, Polisim-pirenena. Ambaranay marimarina aminao fa noho ny loza mitatao sy manambana ny firaisam-pirenena, dia voatery naka fepetra ny foloalin-dahy ka nosamborina tamin’ny telo maraina teo ny kandida rehetra amin’ny fifidianana. Efa voafehinay daholo ny points strategiques, ary manohana anay tanteraka ny vahoaka.”

“Ka hisambotra ahy koa izany ianareo ireo?”

“Nanapakevitra koa izahay fa ho foanana ny fifidianana, ary hatsangana ny governemanta sivily miaro sy hamerina ny firaisakinam-pirenena. Efa niresaka tamin’ny Amerikana sy ny Sovietika ary ny Sinoa izahay fa manaiky io goveremanta io ry zareo. Ny frantsay sy ny SADC izao no mbola mila resana lahatra. Rehefa natao ny latsabato miafiana, dia ianao no lany fa ho tendrena ho filohan’ny Governemantan’ny Fihavanana. Ny andraikitrao dia ny mamerina ny fiahavanana sy ny fifampatokisana eo amin’ny samy Mandarasy fa tsy ny hihazakazaka hanao fififdianana tsy manjary akory. Raha manaiky ianao ary sahy dia efa vonona ao ny samboady sy ny kabary ho vakianao mivantana amin’ny haino amanjery.”

“Ary raha tsy manaiky moa aho dia ahoana?”

“Andramo dia ho hitanao eo izay mitranga e!” hoy ilay jeneraly nibitsibitsika sady nitsiky.

“Tsy mitsoaka adidy aho, mon General fa ndeso aty moa izany samboady izany fa efa maika hisalotra azy aho e!” hoy i Navalona, sady nanao jery atrika izy no nitoraka salut. Tamin’izy Soldat Auxilliarre, Deuxieme Classe no nanao izany fihetsika izany farany.

“Arahabaina ise izany fa lasa filoham-panjakana,” hoy i Pasitera nony tafaresaka tao amin’ny Lapampanjakana tao Imangalela izy mianaka. “Mba saika ampahatisahy ilay toky nomenao momba an’ i Clovis, zanak’anabaviko, raha tsy tsiny. Tovolahy matotra no sady manana diplaoma maro sy traikefa izy ary mino aho fa tsy ho anenenao ny manome asa azy ao amin’io governemanta tarihinao io.”

Nisafoaka tampoka ny SEM Arinavalona Arsene Andriandehibe, filohan’ny Governemantan’ny Fihavanana eo amin’ny Repoblikan’i Mandravasara. “Fa ianareo ve ry Pasitera tsy mieritreritra afa tsy ny soa ho an’ny tenenanareo ihany an! Ny an’ny olona izao ny famerenana ny fifankatiavana sy ny fihavanana eo amin’ny samy Mandarasy no tarigetra. Ny anareo mbola izao asa ho an’i Clovis izao foana. Leo aho ka! Ndehana ianao mandeha dia aza mandalondalo aty intsony.”

“Eny ary fa lasa aho e!” Tsy taitra akory i Pasitera Antoine Ramaroafitsoka. “Fa hono aho, anaka, mba afaka omenao vatsy kely ve aho alohan’ny andehanako fa lavitra ihany mantsy ny lalana mody any Ankazonirifatra, kanefa izaho izany ohatry ny noana an!”

“Mandehana fotsiny ianao mipitsika any fa tssss! Chef d’Etat ange no resahinao fa tsy Chef Fokontany e! Un peu de respect an! Zaranao aza tsy gadraiko miaraka amin’ireny kandida rehetra ireny. Fitiavako sy fanajako anao no mbola amelako anao hiverina any Ankazonirifatra.”

“Bon!” hoy i Pasitera namoritra ny tanan’akanjony. “Raha tsy hanome sakafo ho ahy ise, dia aleo ary aho hiantso ny sakafoko.“

Dia nitehaka in-telo, sady nisioka tokana i Pasitera Antoine Ramaroafitsoka dia niantso mafy hoe “Clovis an!”

Poa toy izay, tafaverina tao amin’ilay efitrano maizimaizina feno petadrindrina nisy sarina mpihira tao an-tranon’ny Pasitera tao Ankazonirifatra izy mianaka. I Navalona nipetraka teo amin’ny iray tamin’ireo pofo teo ampovoan-trano, i Pasitera kosa nijoro teo akaikiny. Misy hiran’i Jean Jacques Goldman, mandeha moramora avy eo amin’ilay ipad eo akaikiny eo — Puisque Tu Parts. Toa efa mba nisinda ny fofon-tsetroka nidofaka be teo.

Nisokatra ny varavarana lehibe, ary nangarangarana teo i Clovis.

“Tafaverina izahay, Clovis o!” hoy i DadaPasy tamin’ilay zanak’anabaviny. “Tena noana be, ka mba arosoy amin’izay ange ny sakafo azafady e!”

“Ary vetivety kosa ianareo dia vita an!” hoy i Clovis nitsiky fatratra. “Tsy naharitra fahefatr’adiny akory ny ianareo no lasa. Efa vonona ny sakafo fa mandrosoa daholo ary o!”

Vahotra tsy nahateny i Navalona nivoaka avy tao an-efitra tao. Fanimpanina. Nitoditodika izy nijery ny manodidina. Toa tsy hitany teo intsony ilay varavarana kely nisy hoe “Danger! Keep Out!” Hira hafa indray izao no henony mandeha amin’ilay Ipad: Ny Dihan’i Mijah!

Nitamberina tao an-tsainy ny tenin’i Pasitera hoe “ny olona tsara sitrapo sy madio saina ihany no handairan’ny fanampiko” sy hoe “fady antsika eto Ankazoniriatra izany mitsipa-doha laka-nitana izany.” Nanongo tena irery ilay adala.

Nasain’ny Pasitera nandroso tao amin’ny efitrano fisakafoanana i Navalona, hipetraka teo amorom-patana. Sakafo tena faran’izay fy sy nafilotra no nomanin’i Clovis, ilay zanak’anabavin’i Pasitera. Tsy nazoto homana mihitsy anefa i Navalona. Tsy naka toerana akory izy fa nigonongonona niala tsiny ary avy hatrany dia nirifatra lasa nandeha. Matin’ny henatra izy.

Talanjona daholo izay rehetra nifanefa tamin’ilay VW Touareg Mena teny an-dalana iny hariva iny. Nangina ny dridrangilon’ny hip-hop fiderana sy ny fitrenan’ny motera goavan’ilay fiara.

Tsapan’ny olona fa niova be i Navalona tao aorian’iny. Tsy ilay tary niliba sy nietraketraka taloha intsony fa toa lasa olona nahafinaritra sy tsara fanahy be, ka lasa mamim-bahoaka toa ny rainy. Dia vaky ny resaky ny olona hoe mba asa loatra izay zavatra nataon’i Pasitera Antoine Ramaroafitsoka taminy tamin’ilay indray takariva nandrahona tao Ankazomirifatra iny, fa tena nandaitra ilay izy. Tena mpanao fahagagana marina ilay razokiny be an!

--

--