Ilay Fihavanana Mampisara-bazana

Ireo dingana folo mety hitondra any amin’ny korontana

Soamiely
An’i Madagasikara
7 min readJan 14, 2018

--

Rehefa taonam-pifidianana ohatra an’izao eto Madagasikara, satria antenaina fa hisy fifidianana tokoa amin’ity 2018 ity, dia faly aho satria ny fifidianana no heveriko ho fomba mahomby indrindra ahafahan’ny olom-pirenena (i) maneho hevitra mikasika ny fiainam-pirenana, sy (ii) manondro izay heveriny fa tokony hitantana ny tany sy ny fanjakana. Soa fa mbola afaka manao izany isika Malagasy, na dia misy hatrany aza ny madilana tokony ho tentenona.

Rehefa taonam-pifidianana ohatra an’izao koa no tena ahitana ny fahasamihafan’ny fomba fijery na firehan-kevitra, na ny soa toavina misy eo amin’ny samy Malagasy. Tena ilaina ary azo atao fanoitra handrosoana sy hivelarana ny fisian’ireny fahasamihafana ireny. Ilaina mihaotra an’izany koa ny fifanankalozan-kevitra satria fehizoro maha-marin-toerana ny fiarahantsika miaina ato anatin’ity firenena (na)foin-janahary ho nosy ity izany. Ilaina ary tena ilaina ihany koa ny adi-hevitra sy ny fifandresen-dahatra satria lalana azo antoka indrindra ipoiran'ny marimaritra iraisana sy ny teny ierana, ary ialàna amin’ny jadona.

Rehefa taonam-pifidianana ohatra an’izao anefa, asa raha tsikaritrareo fa rehefa misy fivoriam-pianakaviana na fihaonan’ny mpiara-miasa, dia misy foana olon-dehibe manandrana mandrara ny firesahana politika. “Aza miresaka politika re fa mampiady ny mpihavana,” hoy ny fiangavian’ilay nenitoako izay, “fa andao re isika hampiara-peo hiantsa hira fiderana e!”

Indraindray tokoa mantsy ny adi-hevitra politika dia tsy mba mampifanantona fa vao maika mampifanalavtira. Mazana izy ireny miteraka alahelo rehefa raisina am-po loatra. Ny fifidianana sy ny mpanao politika mandalo dia miserana ihany fa ny lonilony sy ny disadisa aterany mety ho ela ihany vao misinda. Ka aleontsika tokoa very tsikalakalam-politika toy izay very tsikalakalam-pihavanana. Aleo tsy miresaka politika fa sao mampifamaly. Aleo tsy miresaka fifidianana fa sao mampisaratsaraka.

Izao anefa, misy zavatra iray ity tena mahavaky ny lohako ka asa izay hevitrareo. Rehefa dinihina tsara tokoa mantsy dia mety io fitandrovantsika ny fihavanana sy io firaisan-kina imatimatesantsika io ihany indraindray no mety hampisaratsaraka antsika. Mety misy tokoa izany hoe “fihavanana mpandrava fihavanana” izany.

Tsy zavatra lazalazaina fotsiny io, fa tena azo aseho na porofoina amin’ny alalan’ny lojika sy rohin-kevitra faran’izay tsotra ny fisian’ny “firaisan-kina mampisara-bazana.” Araho ary raha sitrakareo ny Dingana Folo mety ahatonga izany.

Dingana I— Ny firaisan-kina

Tsy mba tia misara-mianakavy, na misara-bazana, na mitokatokana izany isika Malagasy. Raiso anie ny hiran’izy efa-dahy mpamorona hira ao amin’ny tarika Mahaleo e!
- “Ireo nahatsiaro ho nahavita tena ka niala ny maro, modio tsy jerena,” hoy i Dadah.
- “Aza misara-mianakavy, na mitokatoka-monina, ny herisetra aleo ho avy, fa hiparitaka any anaty aizina,” hoy i Bekoto.
- “Tsy milamina akory ny tany dia ianao mahasahy mandeha irery,” hoy i Dama.
- “Iza moa no tsy mahalala fa izay mitambatra dia vato, mampisalasala anefa ireo mpanao afera izay nihamaro tato ho ato,” hoy kosa i zoky Raoul.

Dingana II— Mitovy tadin-dokanga

Tsy dia mba tia mitokatokana tokoa isika. Manana filàna hitambatra sy hiaina ao anaty antokotokon’olona, vondrombondron’olona, na fokofokon’olona isika (isika Malagasy aloha no fantatro fa tsy haiko ny olona hafa). Aleontsika mifanerasera amin’ny vondron’olona mifankahazo resaka amintsika. Mety ho havana aman-tsakaiza io fa tsy voatery. Mety ho antoko politika, fiangonana, antokompihira, fikambanana mpanao asa soa, na ekipa isankarazany. Mba hampilamina ny fiaraha-monina sy tsy hampisy loatra ny fifandirana dia aleontsika tokoa miaraka amin’ny olona mitovitovy tadin-dokanga amintsika. Tsotra kokoa (asa, mahafinaritra kokoa ve?) ny miara-miaina sy mifampiraharaha rehefa mitovitovy firehana sy soa toavina ary fomba fijery. Tsarovy anefa fa ny fanatonana andian-olona iray dia mety hidlika fanalavirana na koa fanavahana andiany hafa.

Dingana III — Hevitra tokana itovizan’ny rehetra

Samy mba mihevi-tena ho olona misaina (na farafaharatsiny afaka misaina) daholo na izaho na ianao. Tsy misy maharatsy an’izany. Ny olana dia rehefa mihevitra isika fa izay rehetra misaina araky ny tokony ho izy dia tokony hanana hevitra na fomba fijery mitovitovy amin’ny antsika.

Rehefa mifanerasera matetika amin’ny mpikambana antin’ ireny vondron’olona atambatry ny tadindokanga mitovy na fomba fijery iraisana ireny isika (fiangonana, antoko politika, ohatra), ka tsy mba mifanerasera amin’ny olona hafa firehana, dia lasa mieritreritra fa mitovy fisainana amin-tsika daholo ny olona rehetra, eny na ireo any ivelan’ilay fikambanana aza. Avy hartrany dia mahana vao mahita olona manana hevitra hafa na koa mahohitra ny tsanga-kevitra iraisan’ny mpiraifikambanana amintsika.

Dingana IV— Gaga raha misy tsy miovy hevitra amin’ny tena

Rehefa fotoanan’ny fifidianana ohatra dia ny kandida tohanantsika matetika no heverintsika fa ho tohanan’ny olona rehetra manantsaina sy misaina toa antsika. Ary satria moa isika mihevitra fa manantsaina ny ankamaroan’ny olona dia talanjona izaitsizy tokoa isika rehefa mahita fa misy olona betsaka tsy manohana ny kandida tohanantsika. Lojika mitovy ihany no ampiasaina dia ahoana no kandida hafa no fidian’ny sasany?

“Tsy azoko mihitsy ny olona manohana an’i Rajoelina,” hoy ny zanak’i Dada. “Fa inona aminareo mpomba an’dRavalomanana no misaina e?” hoy ny olon’ny MAPAR. “Fa olona inona koa no mbola miaro sy manohana an’i Rajaonarimampianina amin’izao fotoana izao e?” hoy ny TIM sy ny TGV.

Dingana V — Manambany izay tsy miovy hevitra amin’ny tena

Lojika mitovy ihany tokoa no ampiasaina dia ahoana no hevitra samihafa no mivoaka? Raha samy manara-penitra ny fomba fisainana, dia tokony hitovy hevitra. Raha misy olona tsy mitovy hevitra amin-tsika izy, dia tsy dia mba mitady lavitra isika fa avy hatrany isika dia mitsara azy ireny hoe “tsy misaina”, “tsisy saina”, “tsy mieritreritra”, “hafahafa fisainana”, “ratsy saina”, “maramara crane”, na “mi-manque bilao”.

Raha vao manomboka mitsara olona toy izany tokoa isika dia tsy hisy zavatra ho vanona intsony eo. Toa tsy mba ny hevitra tsy mitovy mantsy no iadiana na hifandresen-dahatra fa lasa ny olona tsy mitovy hevitra no manjary mifanakalo soketa sy ompa ary teny mahery. Indraindray aza misy mahavita mifanao “ialahy” sy mifampikasi-tanana mihitsy hono. Tsy hisy fifanankalozan-kevitra ho tomombana sy lavorary raha mbola izany no fomba fihetsika sy firesaka.

Dingana VI— Misaina amin’ny fo

Ny tena mampalahelo dia ny tsy fisian’ny ezaka ahafantarana ny antony nahatonga ny ankilany hanana tsanganan-kevitra hafa noho ny an’ny tena. Tsy ny hiaino ny fanazavan’ny ankilany no lahara-pahamehana fa ny hiaro ny kandidany ary handemy ny an’ny hafa. Tsy gaga aho raha toa hanjaka ny tsaho sy ny fosafosa ary ny fake news mandritry ny fifidianana 2018 eto Madagasikara.

Na misy aza ny manandrana mifandresy lahatra am-pahatsorana dia indraindray tadiavina ihany vao hisy olona hiova hevitra amin’ny fo madio. Mitanila sy mitongilana ny fomba entina hanohana na hanaporofoina ny hevitra aroson’ny andaniny sy ny ankilany. Tsy mahay manadihady amin’ny saina mahay mandanjalanja sy tsy miangatra intsony na ireo misoratena ho manana fomba fisainana manara-penitra aza. Isika Malagasy rahateo koa moa malaza fa olon’ny fo ka manjary ny fo fa tsy ny loha no misaina indraindray.

Dingana VII— Midrikina anjambany

Sarotra tokoa aloha ny miova hevitra (tsotra kokoa ny manamafy ny hevitra efa ananana) satria midika izany fa manaiky isika hoe diso isika, i.e., tsy lavorary ny fomba fisainantsika tany aloha. Efa nandany ron-doha niarovana an’io hevitra io, ka ahoana no hiova hevitra indray? Ny vokany moa dia samy midohika sy miziriziry amin’ny heviny ny rehetra. Vao maika lasa mifanalavitra be ny foton-kevitra, ka mananosarotra ny mikaroka marimaritra iraisana rehefa avy eo ka vita ny fifidianana.

Dingana VIII — Tsy manaiky ny valin’ny fifidianana

Rehefa vita moa ny fifidianana dia ho sarotra amin’ izay nanohana ny kandida resy ny hino fa tsy mitovy amin’ny safidin’ny be sy ny maro ny safidiny. Izy anefa tena resy lahatra tanteraka fa handrombaka ny fitondrana. Tsy hanaiky ny valim-pifidianana izy satria “matoa ny kandida–nay tsy lany dia nisy nangalabato tao,” hoy izy na koa hoe “Tsy misaina ireo mpifidy, fa tokony izay olona nahita fianarana, manana bacc+2 ihany no avela mifidy.”

Dinagna IX — Didiko fe lehibe

Etsy ankilany kosa dia sarotra amin’ireo izay nanohana ny mpandresy kosa ny hanaiky fa misy olona maro tsy mankasitraka ny kandida-ny. Dia hilaza izy hoe “olona avy any Ambohidikidiro ireny ary nokaramaina hanakorontana sy higafy fa ny ankamaroan’ny olompirenena dia manohana anay tanteraka. Ary manoloana izany fanakorontana izany dia haka fepetra henjana izy hiarovana ny filaminambahoaka.” Dia hivoaka ny EMMOREG sy ny firongony handamin-draharaha.

Dingana X— Fisaraham-bazana

Dia hienjana ny andaniny, hisintona ny ankilany. Ny ankamaroan-tsika moa dia mihevitra ny tenany ho maranitra sy mahiratra kokoa noho ny sarambabem-bahoaka sy maro an’isa eto amin’ny fiarahamonina. Koa raha samy hitomponteny fatratra fa mitazona’ny tena marina na ny andaniny na ny ankilany, ary avy eo samy mbola hizahozaho sy hanambony tena fa tompon’ ny rariny dia mazava loatra fa vao maika hihenjana ny tady ary hiabetsaka ny lonilony sy ny lolopo. Ny fifidianana mandalo, fa lonilony sy ny disadisa kosa dia mbola hitoetra antaonany maro.

Samy hivazavaza ny roa tonta hoe Izay tsy mitovy hevitra aminay dia adala, na fozaorana na dondrona. Manjary mivadika fifanenjehana sy fiantsiana ny resaka ifanaovana rehefa avy eo. Mety tsy hahandry ny fifidianana manaraka ny ankolafiny sasany. Tsy ela dia ho raikitra indray ilay “kirizy politika tohivakana” ahafantaran’izao tontolo izao antsika.

Io ilay fihavanana mampisasa-bazana ka mandrava fihavanana. Tsy milaza aho hoe TSY MAINTSY mitranga io. Ny tiako ho lazaina fotsiny dia METY hitranga io ka samia mailo. Tsy asiako teny famaranana ito fa efa lava be. Samia mailo fotsiny e!

Vita tompoko.

--

--