Ilay Mpangalatra SAS

Soamiely
An’i Madagasikara
4 min readMar 30, 2020

Raha vao sendra an’ilay tovolahy niditra teo antokonan’ilay trano fivarotamboky fiasany fotsiny ny mason’i Saholy dia efa tapaka hevitra rakalakely fa nahafinaritra azy ilay io ka tiany ho tiavina amin’ny fony manontolo nanomboka teo no eo ihany ka mandrakizay doria. Ilay fijery maranitra somary joko tsoriakan’ilay boaikely no nampisamboaravoara fatratra ny fony sy ny fanahiny.

Nanintona an’ilay tovolahy tetsy andaniny ihany koa i Saholy saingy noho ny antony hafa mihitsy. Raha ny marina dia nisy boky iray nipetraka teo amin’ilay talatalana fampirantiana boky vao tonga, ary io avy hatrany dia nanintona sy niantefan’ny mason’ilay tovolahy raha vao niditra ilay toerana fivarotamboky fotsiny izy. Boky kely tsotsotra mampiranty pikasarina vehivavy mitanjaka mirongo basy marovava ny fonony. SAS contre CIA ny lohateniny.

Raha vao nahita an’ilay boky ilay tovolahy dia tapakevitra fa ho tompony hitondra azy mody na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana — na ho vy na ho vato. Efa ela mihitsy mantsy izy no nitady an’io boky azo lazaina hoe gisa mainty ho an’ny mpiondana karazana boky toy ireny io. Toy ireny nentaninjavatra ireny ny tanany, tsy naharitra fa avy hatrany dia nandray ka namadibadika izato boky sarobidy.

Teo ampandinihana ilay boky tsy fahita firy intsony iny indrindra izy no nanatona azy ilay kalakely mpivarotra ka nahatazanany izato fijery mitsiky somary miangoty sy izato tsiky nampidera nify fotsy tsara lahatra ka niteraka adin-tsaina nampivarahontsana ka saika nampitresaka ny tao anatiny. “Voatery hamitaka izato tovovavy mahafatifaty tsy manantsiny indray izany izao androany,” hoy ny feon’ny fieritreretany. Niova ho joko tsoriaka tsy nahy ny fijeriny ary nanjary mailomailo sy kaodikaody ny fihetsiny. Vao mainka nanaitra ka nanafaingana ny fitempon’ny fon’i Saholy anefa izany fiovana izany.

“Sao dia misy azoko anampiana an-dramose kely?” hoy izy tamin’ilay feo faran’izay mihantahanta. Ny fijeriny amin’izay misarizoro fatratra ka vao maika nampivarahontsana sy nampivaky ho roa ny rehetra tao anatin’ilay tovolahy: ny andaniny mijery ilay boky, ny ankilany mibanjina an’ilay tovovavy. Ity tokoa angamba no tonga amin’ilay fiteny hoe: Mamy ny atsy, fy ny aroa.

“Sao dia manana ilay fihirana FFPM Fanampiny, ilay fanao ampaosy irony, i madama kely?” hoy ilay tovolahy sady niboredika no somary nisangisangy. Vao maika babo ilay tovovavy raha nahare fa olon’ny finoana protestanta tahaka anazy ilay mpanjifa boky nanaitra ny rehetrany. “Sa moa mademoiselle?”

“Mbola mademoiselle ka!” hoy ny navalin’ilay tovovavy nivazivazy tamin’ilay tovolahy. “Mademoiselle Saholy, fa azonao antsoina hoe Saholy fotsiny!”

“Faly mahalala an’i Saholy fotsiny, dia maniry ny hahafantatra an’i Saholy fotsiny bebe kokoa!”

“Saholy tsotra fotsiny ka!” hoy i Saholy, sady boramena no lokin’ny hehy izy. “Andraso hoe jereko atsy an’efitra raha mbola manana Fihirana Fanampiny izahay. Maro mpanjifa tokoa mantsy izy iny. Aza mandeha n’aiza n’aiza aloha!”

“Miandry an’i Saholy tsotra fotsiny ampaharetana aho fa aza ela loatra any ary an!”

“Mampihomehy koa ianao!” hoy i Saholy nikakakaka nihomehy sady niroso tany amin’ilay efitra anilany hijery ilay Fihirana Fanampiny. “Tsy ela re aho e!”

“Ataovy ilay mifono maintimainty raha misy o!”

Vao nidify kely fotsiny i Saholy dia nitoditodika ilay tovolahy naka toky fa tsy nisy olona nijerijery. Nony azony antoka fa tsy nisy nahita ny fihetsiny dia mailaka ery ny tanany nampiditra ilay boky nandrian’ny masony tao anatin’ny paosin’ilay palitao-ny. Tsy vaovao taminy ny maka boky toa an’io fa efa ananany traikefa matihanina mihitsy. Tsy ampy indray mipi-maso akory angamba dia ohatry ny tsy teo ilay boky.

Teo ampiomana ny hivoaka ary hanao tongotra ankatoka niaraka tamin’ilay boky iny indrindra izy no niverina tampoka avy tany an’efitra i Saholy nivimbina boky anakiray.

“Saika tsy nahandry anahy angaha i ramosekely?” hoy ny hanihaniny nahita an’ilay tovolahy nijaikojaiko nanantona ny varavaran’ilay fivarotana. “Tena tsy misy intsony ilay format poche fa tsara vintana ianao fa mbola nisy an’ito lehibe ito tao,” hoy ihany izy niangoty sady nanatona faran’izay akaiky an’ilay tovolahy sy nanolotra azy ilay boky teny an-tanany.

Saikatra be ihany ilay tovolahy amin’izay dingana manaraka. Noraisiny ilay Fihirana natolotr’i Saholy anazy, Dia mody navadibadiny teo.

“Ngeza loatra ity ka tsy antonony ny paosiko,” hoy ny borediny nony kelikely.

“Ntssss! Marina hoe! Tsy aleo aloha andramana ihany?” hoy i Saholy sady nalainy ilay boky teny an-tanan’ilay tovolahy ka nandramany nampidirina tao anatin’ny paosin’ilay io.

“Aleo izao fa tsy maninona e!” Nanda mafy ilay tovolahy, ary nandritry ny indray nipimaso dia nifanjevo teo izy roa — tsy hay na nifanosika na nifamihina. “Sady tsy mety amiko ny lokon’iny fa aleoko mainty tsotra.”

“Eny ary fa izay mety aminao.” Mainamaina toy ny olona nanaiky faharesena i Saholy niteny an’io.

Nanararaotra aingana izany fandeferana izany ilay tovolahy hivoahana malaky an’ilay trano fivarotamboky. Lasa tsy nanao veloma fa avy hatrany dia hazakazaka arahintosika no niandry tao. Tsy nijanona izy raha tsy tery ankodimirana.

Rehefa azony antoka fa tsy nisy nanaraka izy dia nisavasava ny palitao-ny ary namoaka ilay boky avy tao. Efa maika sy tsindrindaona ery hamaky ny tantara mampangitakitaka ao anatin’ilay SAS contre CIA. Akory anefa ny hatairany raha nahita ilay Fihirana FFPM fanampiny format poche miloko mainty misy soratra hoe “Mihirà sy miderà finaritra, Ampitiavana, Saholy.”

Nitokelaka samirery i Saholy tao amin’ilay fivarotamboky namerina ilay boky SAS contre CIA tamin’ny toerany. Tsy vaovao taminy ny mampifamadika na manome boky toa an’io fa efa ananany traikefa matihanina mihitsy. Tsy ampy indray mipi-maso akory angamba dia voavadika ireo boky.

--

--