Rakinga sy ny findainy

Soamiely
An’i Madagasikara
8 min readSep 14, 2020

Tamin’ny dimy ora hariva — tara adin’ny iray — ilay fiara Renault R16 maintimainty no tonga teo ivelan’ ilay tanana lehibe voahodidina fefy misalotra vakin-tavoahangy sy tariby maranitra. Tsy nila nampaneno ny anjomaram-piara akory ilay mpamily fa vao tsinjon-dRakinga Prosper nipoitra tery andafy andrefana fotsiny ilay fiara dia notsindriany ny bokotra tendri-lavitr’ilay finday teny an-tanany ka nisokatra ho azy ny vavahady vy be fidirana.

“Alika ny vazaha,” hoy izy nibanjina ilay vavahady nisokatra dia avy eo nihidy ho azy, tsy nila natosika na nosintomina. Velon-tsioka tsy nahy mihitsy izy noho ny hazendanana.

Nihazakazaka nitsena an’ilay fiara R16 izy sy ny kapany scoubidou, niaraka tamin’izato famindrany somary mikotringa, namonjy nanokatra ny varavarana aoriana ary niarahaba an’ilay lehilahy nitovitovy taona taminy saingy mateza jerena sy nofonofosana kokoa, nivoaka avy tao. Ingahy Rasamy Fernand io.

“Manaja anao, mon General!” hoy Rakinga, sady nanao jery atrika miaramila somary tsizarizary izy. Tsy miaramila, ary tsy mbola miaramila mihitsy Rakinga Prosper na dia efa tamin’ ny mbola kely tany ambanivolo tany Anjiro aza izy no nandrevirevy ny hirotsaka ho miaramila ao ambany faneva. Indrisy fa tsy nety tanteraka izany nofinofiny izany noho io famindrany somary nandringa io.

“Efa tonga ao daholo?” hoy Rasamy nitrerona.

“Yee! Efa ao jiaby izy rehetra ary efa nampandrosoako sy nasaiko niandry ao an’efitra fandraisam-bahiny. Ianao sisa no andrasana, mon General!”

Fijery kizitina miharo hasorenana no nasetrin’ingahy Rasamy izany fomba fiantsoan-dRakinga anazy izany. Tsy jeneraly velively mantsy izy, tsy miaramila akory aza. Taorian’ny nahavoatendry azy ho Sekretera Jeneralin’ny Ministera anefa — efa ho folo taona lasa angamba izay — dia nanomboka io “mon General” io hatrany no fiantsoan-dRakinga azy. Na dia tsy naharitra ela loatra — valo volana ngarangidina — tamin’izany andraikitra izany aza izy dia toa tsy mba niantso azy tamin’ny fomba hafa intsony Rakinga taty aoriana na dia efa nandramany notsaraina imbetsaka aza.

“Andao ary handroso fa efa taraiky e!” hoy Rasamy nibetroka ary avy hatrany izy dia nisosososo sy nitsofoka tao an-trano ary nihazo ilay efitrano malalaka fandraisam-bahiny. “Mandeha ihany ny fotoana.”

Nanaraka azy avy taty afara Rakinga sy ny kotringany. Lehilahy ananki-enina nirijarija no niandry azy tao. Hita taratra tamin’ny fiakanjony fa olona nanana haja sy voninahitra ary samy nanana ny maha-izy azy teo amin’ny fiaraha-monina ny ankamaroan’ireo vahinin-dRasamy.

Nangina sy nilamindamin-dratsy hafahafa izany tao an’efitra. Zara raha nifampiresaka ireo vahiny fa toa samy kaodikaody daholo. Nisy ny mody nitazatazana teo am-baravarankely. Nisy ny mody nilalao facebook tamin’ ny findainy. Nisy ny naka selfie na saripika.

Samy olona akaiky an-dRasamy tsirairay ry zareo saingy tsy dia nifankahalala loatra izy samy izy. Zavatra goavana — mety ho zavatra mamoa fady — anefa no ho dinihina ka tsy ilaozan’izay mety ho mpamadika sy mpitsikilo. Aleo mitandrina ihany amin’izay lazaina fa sao misy mandre ka hampiditra angano.

Niarahaba tsirairay ny vahiny ingahy Rasamy raha vao tafiditra tao an’efitra. Rehefa vita ny fifanantsafana sy ny fombafomba nanaraka ny aro fenitra isan-karazany dia nitodika tamin-dRakinga izy ka nibitsika mafy mba ho ren’ireo rehetra nanatrika teo:

“Ambeso tsara io varavarana io. Aza avela misy miditra na mivoaka eo raha tsy mahazo lalana avy aty amiko. Mazava?”

“Voaray, mon general!” hoy Rakinga sady nanao jery atrika no nitoraka salut somary nivilambilana hafahafa. Nakarapony mafy ilay varavarana nony avy eo ary nohidiany karetsaka. Dia iny izy naka toerana sy mody mba nijerijery ny findainy teo an-jorontrano akaiky teo.

Somary gaga sy sadaikatra ny sasany tamin’ireto vahiny nahita azy nijanona tao an’efitra. Tsy nampoiziny ho isan’ireo mpivory ilay tambanivohi-dahy manao kapa sy malabary fa noheveriny fa nataon-dRasamy irakiraka sy mpiandry tanana fotsiny. Tsy naharitra ilay kolonely lefitra nanao fanamiana miaramila nipetraka teo anilany teo ka nanontany.

“Dry! Ary mbola tsy lasa angaha i dadatoa?” hoy izy tamin’ny feo mivatambatana somary aviavy izay tsapa avy hatrany fa natao hampitahorana sy hanindriana aloka an-dRakinga.

“An an an, mon colonel an! Mbola eto aho ka!” hoy izy somary nipirimpirina sady nijery no nitsiriritra fatratra ny fanamian’ilay manam-boninahitra miaramila.

“Fa maninona eo ianao?”

“Miambina ny varavarana aho mon colonel araky ny baikon’i mon general!”

Fihomehezana eran’ny trano no nitsena an’io valinteny nataon-dRakinga io. Toa tsy nahataitra azy loatra anefa izany na dia nanindrona azy ihany aza. Raha ny filazany dia tsy zavatra vaovao taminy fa efa hatramin’ny ela mihitsy no matetika ihomehezan’ny olona manankatao sy avara-pi ny zavatra lazainy. Tsy mitovy angamba hono ny tadindokangan’ny ngetroka sy ny mafiady ka tsy mifankahazo ny resaka. Dia manjary lasa fihomehezan’ny vato nasondrotry ny tany fotsiny rehefa mba maneho hevitra ny valalabemandry.

“Tsy tokony ho avy atsy ivelany ve ise no miambina an’io varavarana io?” hoy ilay mpanao gazety maintimolaly teo akaikin’ilay kolonely lefitra nihomehy sady nanadroadro.

“Dia tsy haharaka ny fivoriana aho raha atsy ivelany no miandry,” hoy Rakinga nipitrapitra.

“Resaka olondehibe sy olo- mihaja anie no hifanaovana eto androany,” hoy ilay mpanao gazety namasoka sy nanebaka. “Tsy resaka ho an’ny solafa. Sao dia tsy mety raha ren’ny girda …”

“Aokanareo kosa rangahy Rakinga a!” hoy Rasamy nampiaka-peo ka nanapaka ny tenin’ilay mpanao gazety, dia mody niaro an-dRakinga rehefa avy nihomehy niaraka tamin’ireo vahiny. Tsapany fa nitady handeha any amin’ny tsy tokony halehany angamba ilay resaka ka nilaina nalamina. “Izy anie no … hiandraikitra ny fampitaovana lojistika amin’ny ankapobeny e! Sady efa hatramin’ela anie izy no gardien sy jardinier-ko e! Botokely azontsika atokisana tsara izy e! Asa ianareo fa raha ny hevitro dia aleo izy hijanona sy hanatrika ny fivoriana. Sa …?”

Tsy dia nisy nahafantatra tamin’izany tamin’ireo vahiny fa efa nifankahalala tsara hatramin’ny fony kely Rasamy sy Rakinga. Zanaky ny mpiandry ny tanana sy mpanampin’ny reniben-dry Rasamy tany ambanivohitr’Anjiro i Prosper. Nitovitovy taona ka niaraka nilalao foana hono izy roalahy rehefa tonga naka rivotra tany amin’ny renibeny i Fernand.

Mbola sivy na valo taona izy roalahy tamin’izany. Niaraka nilalao bandy sy rola tany anaty lobolobo. Niaraka nanao sarin’ady tanaty akata. Niaraka nandrevirevy ny hanongana fanjakana ratsy tantana sy fitondrana anjakan’ny tsy rariny. Efapolo taona lasa izay. Efa hatramin’izany Rasamy dia efa nihevitra ny tenany ho mpiaro sy mpiahy an’ilay tambanivohi-dahy kely mpiaraka nilalao taminy ka afaka nibaikobaiko azy. Ity farany koa moa asa zatra tsindry na faly fa manana mpiaro angamba ka dia nanaiky ho lembenana hatrany.

“Mba mananihany fotsiny re aho e!” hoy ilay mpanao gazety mody nihomehy sy nitokelaka. Nisy tahotra nisoritra ihany anefa teny amin’ny tavany. “Izay mety aminao dia sitrakay e!”

“Izay eran’ny be sy ny maro ihany no atao fa sanatriavina izay hanao amboletra na hanao didiko fe lehibe.” hoy Rasamy nihanalefaka sy nandamindamina. “Isika anie demokraty e!”

Hita nitsikitsiky tsy ravo fotsiny Rakinga nandre izany teny voalazan-dRasamy izany. Raha ny zavatra niainany mantsy dia ny mifanohitra tamin’izany. Rehefa tapa-kevitra momba ny zavatra iray Rasamy dia asakasak’izay manembatsembana na mibahan-dalana azy eo am-panatanterahana izany. Didin’ny be sandry angamba no fenitra marimarina kokoa.

Anisan’ny lesona lehibe teo amin’ny fiainan-dRakinga izany, lesona nitondrany takaitra mandrak’ankehitriny. Raha ny fahatsiarovany dia tovolahy be sitrapo ary mora entim-po i Fernand Rasamy. Nivadika ho biby mihitsy hono izy matetika rehefa tsy izay zavatra tiany no natao.

Fifandirana kely teo amin’ny samy ankizy — izy te hilalao baolina kitra, Rakinga kosa te hanao polisy-volera — no nampisendaotra azy indray andro. Niakatra ny hatezerany ka nivadika ho daroka ary niafara tamin’ny vely kibay teny amin’ny ranjon’i Prosper kely. Niaritra fotsiny ilay io fa tsy namaly ny vonon’ilay noheveriny ho mpiahy anazy. Asa, angamba maty lolo. Efa ho efapolo taona lasa izay. Iny daroka iny anefa no nahatonga an-dRakinga handrianga ohatra an’io mandrak’ity ny androany. Iny vely kibay iny no nahatonga azy tsy ho lany ho miaramila — ilay mba nofinofiny efa hatramin’izany.

“Izay mihitsy: demokraty isika fa tsy manao jadona,” hoy ilay kolonely lefitra, hita fa niova firesaka tampoka ary lasa nitandritandrina sy nandanjalanja ny zavatra ho lazainy. Efa fanta-daza tokoa mantsy ny toetran-dRasamy mpanao kaofraoka ka aleon’ny olona mailo. “Mba tsetsatstsa tsy aritra ny ahy fa tsy misy olana mihitsy raha manatrika ny fivoriana i Monsieur Rakinga ka. Fiarahamonina tsimialonjafy sy tsimanavaka rahateo no tanjona ketrehintsika.”

“Misaotra betsaka indrindra, mon colonel!” hoy Rakinga tamin’ilay miaramila manam-boninahitra. Hainy tsara anefa io toetran’ny mahitahita io. Mbola nilalao basy tapakazo tany anaty lobolobo izy dia efa nahatsapa io toetra tia manindry aloka tambanivohitra io. Efapolo taona lasa izay. “Fiarahamonina tsimialonjafy sy tsimanavaka tokoa no tarigetra,” hoy izy somary nangarika niafina.

“Eny ary fa milamina ny amin’iny,” hoy ilay mpandraharaha manefoefo metisy karana nipetraka teo anelanelan’ilay profesora be volombava sy ilay pasitera sola loha. “Tsy manavakavaka izany isika e! Tsy manao ankilabao n’iza n’iza isika fa miaro foana ny vahoaka kely tsy mba mamindro. Moa ka tsy izany va ny tarigetra?” Saika kofon’ny sondrovaka Rakinga nandre izany kobaka am-bava izany.

“Marina loatra!” hoy Rasamy namaly. “Efa samy mahafantatra ny anton’izao fivoriana izao daholo angamba. Raha mbola misy misalasala dia aleo mifampilaza dieny izao fa efa tongotra mby an-dakana ity, ka tsy misy miverin-dalana intsony an!”

Nangina tsy niteny izy nandritry ny segondra vitsivitsy, nitoditodika niandry valinteny. Samy efa nahazoazo an-tsaina avokoa anefa fa tsy hisy hiova hevitra intsony eo fa efa samy tafiditra lalina tao anatin’ilay tolona iarahana daholo.

“Ka raha efa vonona sy sahy avokoa izany dia aleo avy hatrany dia raiketina ny resaka fa hariva ihany ny andro, sa ahoana?”

Dia naroso tokoa ary ny resaka rehefa samy nahazo toerana. Rasamy no nitarika, mazava ho azy. Efa noresahiny mialoha tsirairay avy ireo vahiny mirahalahy mianaka ary efa samy resy lahatra eo amin’ny tanjona sy ny fomba hahatratrarana an’izany. Dia nifanekena teo koa ny andraikitra hiantsorohan’ny tsirairay eo anivon’ny paikady faobe.

Nifanarahana araka izany ary fa ilay Profesora Sojabe eny amin’ny anjerimanontolo no hiadidy ny firehana ara-politika sy handrafitra ny vinam-piarahamonina tsimialonjafy sy tsimanavaka ho aparitaka amin’ny valalabemandry. Ilay mpanao gazety maintimolaly kosa no hiandraikitra ny serasera sy fandresena lahatra ny ankolafy isan-karazany. Nanana ny traikefa ilaina izy satria efa nandray anjara tamin’ny tolombahoaka in-telo tany aloha.

Ilay Kolonely lefitra no hiantoka ny fanohanan’ny tafika ny tolombahoaka sy ny fakana an-keriny ny lapam-panjakana. Ilay metisy karana no hiandraikitra ny famatsiana ara-bola na avy eto an-toerana na avy any ivelany. Ilay Pasitera, mpitandrina sy mpiandraikitra Fiangonana zandriny, no handamina ny resaka lalana sy ny fankatoavana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ary izaho kosa, ilay mpanoratra sy poeta vao misandratra, mpiangaly vazo miteny, izaho ilay mpitantara ito tantara indray miseho ito aminareo no hanentana sy hanafana ny tolom-bahoaka isan’andro.

Tsy nisy niresaka ny anjara andraikitra ho sahanin-dRakinga na kely aza izahay. Na dia tsy nahagaga azy loatra aza izany dia tsapako fa mba nankarary ny ambo-pony ihany. Izahay enin-dahy rahateo koa moa zara raha nisy niresaka taminy nandritry ny fivoriana fa ka naleony niolonolona sy nitokatokana tery amin’ny sisiny tery sady nilalao ny findainy. Fantany tsara fa raha ny sitraponay mpivory niaraka taminy dia nijanona tery an-jorombala tery izy.

“Dia asa fotsiny izay hiseho raha ry lelikamaty ireto tokoa no handray fahefana eo!” hoy Rakinga toa henoko ningonongonona an’eritreritra. Na izaho tsy teo amin’ny toerany akory aza dia niferinaina raha nieritreritra izay mety hiseho. Nieritreritra ny tsindry hazolena sy ny fanavakavahana niainan’ny vahoaka madinika.

Efa tamin’ny sivy alina vao no noravain-dRasamy ny fivoriana. Tapaka fa hiverina hivory ny ampitson’iny handinika ny pitsopitsony tsy voaresaka androany. Tsisy tafandry mandry na izahay mpivory na Rakinga iny alina iny. Tsy nisy nahita torimaso fa nivadibadika namisavisa ny ho avy.

Tamin’ny enina ora hariva katroka ny ampitso no tonga teo ivelan’ ilay tanana lehibe voadidina fefy misalotra vakin-tavoahangy sy tariby maranitra ireo fiarabe Toyota 4x4 an’ny zandarimariampirenena roa. Tsy nila nampaneno ny anjomaram-piara akory ireo mpamily fa efa nisy nanokatra mialoha ny vavahady vy be fidirana.

Teo am-pamaranana ny fandinihina ny pitsopitsony amin’ny fanatanterahana ny tolom-bahoaka indrindra Rasamy sy izahay mpiaradia taminy no niditra an-keriny tao amin’ilay efitra fandraisambahiny ireo zandary manao sarotava ka nisambotra anay. Voalaza fa nitetika ny hanakorontana ny filaminam-bahoaka sy nikasa ny hanongam-panjakana izahay. Tsy tena azo antoka fa toa hoe nisy olona tsy fantatra naka feo tamin’ny finday hono ilay fivoriana omaly ary nitatitra ilay horonampeo tany amin’ny zandary. Ny fantatro dia tsy dia nisy herisetra firy fa avy hatrany dia samy nanaiky ny fiampangana anay ho mpikomy, sy nibaboka ny helokay izahay.

“Manaja anao, mon General,” hoy Rakinga nibanjina an-dRasamy nampanaovin’ny zandary rojo vy dia nampidiriny tanaty fiara 4x4.

“Alika ny vazaha,” hoy aho nitsapa ilay finday tao am-paosiko sady nipi-maso sy nitsiky tamin-dRakinga sy ilay zandary nitazona ahy.

--

--