Ranesta

Soamiely
An’i Madagasikara
2 min readJun 23, 2021

“Tantaraiko zavatra ianao, grand!” hoy izy tamiko nivatambatana. Teny andalam-podiana indrindra aho indray takariva baliaka masoandro no sendra tafiara-dalana izahay mirahalahy mianaka tetsy avaratry ny fiangonana manara-penitra tetsy. Tsy nisy arahaba, tsy nifanantsafa akory izahay mirahalahy fa tonga dia io izy aviavy be tamiko io. “Tantaraiko zavatra mahagaga ianao, mety tsy mampino.”

“Sarasara tsy ambaka, zoky!” hoy aho niarahaba azy am-panajana. “Fahasalamana?”

“Tsy voatery hino izay zavatra rehetra lazaiko akory ianao a,” hoy izy mantsy ahy, nanohy ny resaka efa natombony. Asa raha reny akory ny zavatra noteneniko. Asa raha henony ny fiarahabana natolotro azy. Ny masony amin’io nivandravandra be toy ireny tsy haiko ireny.

”Tsy voatery ka!” hoy ny valiteniko, niboredika, nitsiky tsy ravo, sadaikatra. “Kanefa ilay izy anie hitanao ihany ny fandehany e!”

“Lazaiko marimarina aminao anefa ary azoko antoka fa tantara tena niseho izy ity,” hoy izy nanamafy sady nidrikina toy ireny olona tsy haiko hoe maninona ireny. “Tsy tamiko manokana aloha no nitranga ilay izy fa tamin’ilay tary akama tsy mba mpanao kinga vava izay. Fantatrao tsara Ranesta e! Ianao indray ve no atoro azy. Ileiry no nitantara tamiko azy ity.”

“Huh! Iza aloha ilay Ranesta e?” hoy aho taminy toa verivery tsy maharaka resaka. Niezaka ho tony ihany aho na dia efa nanomboka nisamboaravara ihany aza ny tao anatiko. “Tena tsy koboko anie ilay Ranesta resahin‘i Dadatoa io e!”

“Dry! Tena tsy fantatrareo ve Ranesta? Ilay boaikely lava sy ranjanana iny e…”

”Lava sy ranjanana daholo ny tary eto amin’ny tanana ankehitriny.” Tsy nahandry aho fa avy hatrany dia nanapaka ny teniny. “Tsy te hanapaka ny teninao fa tena tsy mahalala olona hoe Ernest izany mihitsy aho an! Na lava na fohy! Na mahia na matavy!”

“Fa iza no niteny taminao fa Ernest no anarany?” hoy izy nanomboka nampiaka-peo. Mety ho sorena ihany izy notapahiko teny. “Ranesta no fiantson’ny olona azy fa i Nestor no tena fanampin’anarany, hono, angamba.”

“Raha i Nestor ve no anarany,” hoy aho nanadihady, “tsy hoe Taoro ve no tokony ho fiantso azy? Sa …?”

“An an an,” hoy izy sady nahivingiviny ny lohany. Nanda mafy ohatr’ireny inona irony. “I Victor angamba no eritreretinao,”

“I Victor iza moa izany?” hoy aho nanontany somary gaga.

“Ramose Victor Rasendra kah!” hoy ny valinteniny. “Mazava ho azy.”

“Hay ve Raviky e!” hoy aho nihoraka indray mandeha. “Hay va re ka Raviky no niaingan’ilay tantara e! Raviky iny fa tsy Taoro izany ka!”

“Tsy Raviky no niaingan’ilay resaka ka! Ranesta hoy aho fa tsy i Taoro!”

“Fa tsy Rasendra kosa aloha no Taoro e!” hoy aho.

“Angamba! Fa tsy izay Ranesta rehetra koa dia voatery ho antsoina hoe Taoro!”

“Naninona tsara hoe ilay Ranesta?” hoy aho, efa ela no tsy naharaka ilay resaka intsony. “Marina raha fantatro izany Ernest ambetindresakao izany. Nestor mantsy e!”

“Ranesta koa ve dia tsy hainao,” hoy izy ningonongonona sady somary nangarika. “Ianao marina no tena tsy marina!“

“Fa ianao ve ahoana e? Ohatry ny misangaojy be izany kaozy izany an! Aleo ajanona mihitsy aloha!”

“Aleo marina borke-na fa tsss! Amin’ny manaraka aho mitantara,” hoy ny fara-teniny. Dia iny izy no lasa fa izay iverenany no asa…

--

--