Resak’ody Mivaralila

Soamiely
An’i Madagasikara
2 min readJan 20, 2016

[karazana seho na operetta an-dapihazo izy ity. mila mpiventy anakitelo: A, B, D. dia misy mozika manaraka azy]

“A: Lavitra akaiky ny tiako aho zalahy ka saozanina
Fa atoroy hoe mba aiza no misy an’ilay ody hanina.

B: Ny ody hanina anie zandry mangidy mafaitra.
Toy ny paraky ka izay tsy mahazaka dia fanina.
Fa voamanadino ihany hoy aho no tena mandaitra,
Na dia voaniny iray fotsiny aza dia milamindamina.

A: Isao voamanadino ary aho, roa na telo
Efa tena tsy zakan’ny lohako ilay alahalelo!

D: Tsy ho ampy ry tsamy ny voaniny telo na efatra
Fa ny aretin-drangahy mantsy efa maiva-mavesatra.

B: Sao dia diso betsaka izany ka tsy voatelina.
Dia ho laniny ve ny voaniny dimy na enina?

D. Voamanadino anie tsy mitovy amin’ny zamborizano:
Ny voandrakotrana mantsy malaza mampiditra angano.
Raha ny fo no maratra dia tsy maintsy laniana daholo
Ny voaniny fito, na valo, na sivy, na folo.

A. Aleo kely hijanona fa lava izay resaka izay,
Mba resaka fotsiny ny ahy,
fa misaotra anareo mirahalahy.
Fa ilay sipako tena milay,
Ka tsy ho adinoko mandrakizay,
Fa na voaniny zato sy arivo aza tsy ho antonona ahy

(…)

A: Toa lasan’ny bandy hono leitsy ny kala maditrako
Fa lazalazao hoe mba aiza no misy ody fitaka.

D: Aza omena ody fitaka izany io fa ody fitia
Fa ahiako efa lasana tsy ho avotra intsony ileiry.

B: Efa hoe tsy mila ody ody izany ho’a ialahy ry leity …
… fa amboary ny saina dia lasa ary zory ny dia!

(…)

D: Tsy nikaly aninkeheo zalahy ka mahatsiaro valaka.
Fa aiza ka aiza kosa ary no misy ny ody ramaka?

B: Na ody ramaka, na ody fitia, na koa ody fitaka:
Samy ody fandrebirebena.
Fa asio tsipaipaika fa hamonjy tsena,
Fa tsisy ody mandaitra eo raha tsy tondrahana bota na fisaka.

A: Marina izany e! Tsy misy afatsy ny ody risika e!
Aleo rhum ihany fa tsy takatra aloha ny da-whisky.

B. Dia asio siligaoma atao anti-oaiaka na ody fofona
Hanamamimamiana ny vava,
Sy hamandimandinana tava,
Hotsakotsakoina raha toa isika tratran’ny pokona.

A: Lavitra akaiky an-drasipa aho zalahy ka saozanina!
Noheveriko ho anjely, nefa kay daba loaka.
Mba mangina kely, hisotroako ny toaka,
Dia avy eo amin’izay aho angamba hizaha ody fanina.”

Soanampoinimialy

--

--