ireny fosafosan’i Babata ireny

na Ny anjorian’i Nesta

Soamiely
An’i Madagasikara
19 min readAug 11, 2017

--

Ankatso. Taona 1987. Volana Jona. Alatsinainy tolakandro. 1:45 PM..

Teo amin’ilay tohatohatra mideza kely etsy ambany antsinanan’ilay dobo filomanosan-dry Tsaratsiry Vincent sy ny tariny tao amin’ny ASUT tamin’ny fotoan’androny. Nisy zatovo telo nipetrapetraka. Mpianatra Lalana taona faharoa tao amin’ny DEGS ireo. Mpianatra niandry ny kilasy Histoire des Institutions ( Prof. J. Ravel, 3:00 PM, Demi-Tonneau/Droit) ireo. Ry Babata, sy i Soafara ary i Njato ireo. Niresadresaka nilamindamina tsara teo ry zareo.

“Izaho tsy mba tia mifosa olona izany a!” hoy i Babata. Nitsiky kely izy nony avy niteny izany lainga-masina izany. Nifampijery dia nitsiky koa i Njato sy i Soafara, samy tsindrindaona hankafy izay fosa ho zarain’i Babata. Rehefa miteny an’io “tsy tia mifosa olona” io mantsy i Babata, dia azo antoka fa hatsiro ny fosa ho tantarainy.

Tovolahy tsy dia nisy ho jerena loatra i Babata: miady gisitra izy raha endrika na bika, ary faharoa avy any amin’ny farany raha tarehy na fitafy. Fa raha ny vava kosa aloha, na ny fahaiza-miresaka, dia farazoky tsy azo lavina izy. Mateza henoina. “Ny olona hamirapiratra amin’ny taon-jato faha-iraika amby roapolo dia izay mahay mitantara sy izay manan-ko tantaraina.” Izany hono ny filamatra nijoroan’i Babata efa hatrin’ny ela. Toy ireny miangaly tononkalon’i Randja Zanamihoatra ireny na ireny miantsa ny riankalon-dRanoe ireny izy miresaka ka moa va tsy fialam-boly sy fampahalalam-baovao vita ho azy ho an’izay mandre.

“Lalina anie ny nahazo an’ i Nesta tamin’ny Zoma alina teo teny Antaninarenina. Afa-baraka tanteraka ileiry tao. Tsy maniry ratsy ho azy aho, fa toa tsara ho an’ileiry ihany ilay atao mihinan’ny kapany indraindray e!”

Ankatso. Taona 1987 . Volana Jona. Alatsinainy tolakandro. 1:55 PM.

Hita soritra teny amin’ilay endrika fisapisak’i Babata ny fahafinaretana azony eo am-pizarana fosafosa. Adalain’ny ankizy mpiara-mianatra izy indraindray hoe mirotsaha re ianao fa ho fidinay ho mpanjakan’ny Fanjakana Tsarafosan’ i Madagasikara, ka Andriatomponifosa Ier no anarana isalorana. Tsikitsiravo tsy maka lagy no asetriny ireny adroadro ireny. Hatreto aloha, hoy i Na Hassy izay.

“Resaka marina ve, ry Babata?” hoy i Njato taitra nandre ny anaran’ny Sakaizany notononin’ilay tompodakan’ny fosa. “Fa inona koa izany nahazo an’i Nesta tao izany legon’ a?”

I Njato Rakoto io miresaka io. Bandy bogossy be izy io. Mateza jerena. Bandy betsimiteny sy be hanihany izay izy io. Tsara endrika sy kanto bika izy, tena tonga raitra ny fizika atolony, fa vitsy resaka sy votsa vava ka revy singa no mandravaka ny tolony. Voatsindrin’i Babata aloka matetika i Njato ka tsy mahagaga raha fosain’ny namany fa hoe Dekan’i Babata na koa hoe Irakirak’i Babata.

Sorena kely i Babata. Tsy tiany izany tapahin-teny izany rehefa mamafy fosa izy. Niniany tsy novaliana ny fanontanina’i Njato fa notohizany ny vaofy-fosany. “Nisy sipa karana faran’izay manja be tao amin’ny Caveau tamin’io Zoma alina io. Nampiresahan’i Nesta hono izy io ka tsy ela dia natavitavy resaka ery izy roa. Nanomboka ni-sarigaigy nanerana ny piste fandihizana: Tazotazona re izao, tsongotsongo aoka fotsiny, bedabeda be dia be, tsaodatsaoda tsotra izao, et-tout-et-tout mihitsy hono. Revimbazaha be manadala entre gasy sy karana tao amin’ny Caveau tao an! Marikoditry ny rikoriko aho, ry ireto, mieritreritra an'izany. Dia ….”

“Hay misy karana miaraka amin’ny bandy gasy e!” Hoy i Njato fa nitsatsaingoka sy nisangisangy zary tenany. “Manana rahavavy mirevy gasy petaka ilay rasipa mba ho sirian’ny bandy?”

Tohina, sorena, vinitra i Babata voatapa-teny fanindroany tao anatin’ny iray minitra sy dimy amby telopolo segondra. Tohina, sorena, vinitra koa i Soafara raha naheno io resak’i Njato io. Narary azy ireny teny ireny. Nangarika mafy izy kanefa indrisy fa tsy hitan’izy roalahy akory izany fahasorenany izany.

I Soafara Raseramiainga io nangarika io. Sipakely menavolo be lamaody izay, nanao irony ankanjo marevaka sy misehoseho hita amin’ny gazetiboky Elle na Vogue. Metisy Vezo sy Antakarana izy ary nihalehibe tany Antsirabe ka tsy mahagaga raha mateza jerena. Mateza jerena fa donto saina. Tsy atao eo imasony fa sipa be zesta fa tsy dia maranin-tsaina loatra i Soafara. Sipa kizitina iza izy, ary misendaotra amin’ny zavatra kely tsy misy dikany. Izay no tsy dia nananany namana firy. Tsy hoe mifosa azy akory an! Raha ny fosafosa niparitaka tao amin’ny DEGS koa, dia toa taratara tamin’i Njato i Soafara. Dia iny izy nanarakaraka azy eny rehetra eny. Ileiry anefa, toa variana nanao, asa re inona, tao ambanin’i Babata tao. “Na ileiry pondro, na ileiry pelaka, na ileiry tsy misento fotsiny,” hoy ny mpifosa eny amin’ny pelozy. Tsy mbola kivy anefa i Soafara, mbola tsy nilavo lefona. Hatreto aloha!

Tsy novalian’i Babata akory ilay fanontaniana kidaladala napetrak’i Njato teo. Ny vaofy-fosafosa irery ihany aloha izao no laharam-pahamehany, ka io no notohizany.

“Mbola variambarian’ny sarigaigy tamin’ny lamasy sy ny tsaodalela teo hono i Nesta sy ilay sipa karana manja no nipoitra tampoka tao amin’ny Caveau i Liva-Taikiringa, bandy fohy kely (1m 56), vazaha fihodiarana nefa mainty tanteraka ny volony, manao irony solomaso RayBan mainty. Pataloha hasin-denim mainty, blouson hoditra mainty, ary t-shirt mavokely. Bandy akamako be izy io, tena mifankahazo be izahay roalahy fa niaraka SA2 tamin’ny Service National. Tsy taikiringa akory i Liva-Taikiringa fa Italiana ny rainy ary Alema ny reniny. Fanagasiana ankamehana an’ilay tena anarany hoe Olivier Tolkien no nampiraikitra an’ilay hoe Liva-Taikiringa. Mpanao hotely gargotte mivarotra lasopy mangazafy tena-faran’izay-aoka-fotsiny ery amin’ny point-kilometatra-je-m’en-fout any Talata Volonondry izy. Tandremo fa mahay miteny gasy noho ny akamaroan’ny malagasy izy.”

“Tena tsy mbola naheno ny momba an’izany bandy izany indray aho,” hoy i Soafara. “Ohatry ny mba tiako ho fantarina bebe kokoa! Na izany Caveau-Caveau resahinao izany koa aza anie, ry Babata, tsy haiko akory hoe aiza! Tsy mbola avelan’ny parents-nay mankany Antaninarenina na any Tsaralalana aho fa mbola kely hono sady mbola mianatra. NA izany boites-de-nuit izany ary anie mbola tsy nidirako hatramin’izay niainako e! Izaho izao miandry mafy an’ i Ranjato hitondra anahy hivoaka boaty e! Izany moa e! Rahoviana isika sy i Njato no mba hiaraka hi-decouche dia mba mamparaka manao Tana-by-Night?”

Nitsiky tsy ravo dia nisanasana vava fotsiny ilay bogosy Tsindrin’i Babata, tsy nahita havaly an’izany sarizoro tonga dia raikitra izany. Aza mba votsa vava ihany ho’a!

Ankatso. Taona 1987. Volana Jona. Alatsinainy tolakandro. 2:15 PM.

“Hay ilay sipa karana io izany tena sipa nihodina be!” Tsy niraharaha izay nolazain’i Soafara akory i Babata fa notohizany ny tantarany. “Tena sipa tsy misy ilaivana azy mihitsy! Asa aloha raha mba fantatr’i Nesta hoe efa niaraka tamin’olon-kafa iny kalakely jangajanga. Tsy mihomehy loza aho! Fa tena scenes gidraka be hono no tao.”

“Za ohatry te hitendry karana indraindray fa ohatry ny matsahotsaho ny sipa malagasy an! I Babata angaha efa nitifitra?” hoy i Njato, asa raha nivazivazy. Tsy henon’i Babata akory anefa ilay fanontanian’i Njato. Na fanahy niniany tsy re fa ny fiangaliana ny fosafosa aloha no nifantohany. Toy ny mahazatra.

“Notenenin’i Liva-Taikiringa moramora hono i RaNesta hoe ‘aza rebireben’ialahy io sipa io fa efa sipan’olona io.’”

“Tamin’ny firy kay izany tranga izany no niseho? Tsy izany mantsy fa …” Tsy nahazo valiny, mazava loatra, io fanontanian’i Njato io. Nisy pitsopitsony kely nanelingelina azy tamin’ilay ilay resaka notantarain’i Babata teo.

“I Nesta moa tamin’izay efa nahazoazo Dzama-Coca Martini maromaro ihany, ka lasa nihevitra ny tenany ho mafy be. Nahita an’ilay vazaha nanoro hevitra azy izy dia nampiaka-peo mafy: ‘aza miseho ho be morale ialahy Ralivataipiringa an! ialahy anie tsy tena vazaha fa boaka La Reunion an! raha mba avy any Londres na Paris na Berlin ialahy dia mety nohenoiko ihany’ sy ny hoe: ‘tsy iles eparses leitsy ny sipan’ny tanana! anay daholo ireo, tohizo anie fa mbola ho ataon’ny bandy gasy mihinan’ny fatin’ialahy ialahy!’”

“Angaha!” hoy i Soafara tamin’ny feo sady nasiaka no naneso. Nangarika izy, nanipy saoka, dia nanao don-tany kely tamin’ilay sabot nanaovany. “Zany angaha no betsaka?” Asa inona tsara no tiany ho lazaina tamin’io hoe ‘angaha’ io. Hatairana ve? Haterezerana ve? Hagagana ve? Hasorena ve? Asa raha hita na henon’i Babata koa izany fihetsik’i Soafara izany. Toy ny efa mahazatra. Raha toa ka henony dia nodiany tsy re fa ny tantarany no notohizany. I Njato nahita sy naheno tsara fa tsy niteny n’inon’inona. Tsy nahita ho tenenina sa ts sahy niteny? Aza mba votsa vava ihany!

“Tena nibontsina ho azy hono ny oron’i Olivier Tolkien, izay metisy Rainiboto sy Ralita fa tsy taikiringa La Reunion izany akory. Tena boto alika mihitsy aloha raha iny Nesta-Nesta iny e! Scene gidraka be hono ny tohiny tao, fa tantaraiko anareo! Tsy nampoizin’i Nesta fa hay i Liva-Taikiringa io mody bandy kombiany kely izay raha jerena kanjo tena dadany raha resaka combat de rue. Raikitra ny don-tandroka sy ny fombafomba, ny hoe ‘domy aho raha sahy,’ aloha, dia nanaraka ny hoe ‘tazomy aho zalahy fa sao matiko eo io,’ dia raikitra ny hoe ‘mivoaha ialahy raha tena mafy be,’ narahin’ny hoe ‘sorts dehors si t’es un homme.’

Teo alohan’ny Patisserie Suisse teo ary no raikitra ny rombo seul-a-seul an’izy mitsam, nahafinaritra hono fa samihafa ny styles-n’ny mpiady, — i Liva tempana gena tamin’ny Karate Wadu Ryu, i Nesta kosa ceinture nor-ma tamin’ny Karate Shotokan, ny andaniny Jean Claude Van Damme ny ankilany Bruce Lee, ny iray voromanga, ny hafa vorondreo. Enfin, bref.

Nifandanja tsara ny hery tamin’ny voalohany, samy fetsy sy samy mafy toto ireo mpiakadringa. Rehefa nandeha ny fotoana dia hita fa nihareraka i Nesta, ka lasa nahazo tombony be ilay vazaha. Nony tonga tery akaikin’ny SOLIMA sy ny Trano Printy Loteriana tery ny mpiady dia efa voa mafy i Nestor. Raha tsy nisy an’ireny miaramila nipoitra tampoka avy tany Antsahamanitra tany ka nanaparitaka ny mpiady angamba, dia asa izay nahazo azy teo.

Raha ny filazan’ireo nanatri-maso, dia toa saika potipotika mihitsy hono i Nesta raha tsy najanona ilay ady fa i Liva Taikiringa kosa tsy naninona mihitsy. Tena nidona tamin’ny talus ihany i Nesta ny farany an! Aleo koa iledala iny faizina kely fa ohatry ny ambony be loatra ny morale-ny dia manjary mietraketraka fotsiny e! Comment leitsy: Sipan’ny bandy ve no tadiavin’ialahy ahodina? ”

Ankatso. Taona 1987. Volana Jona. Alatsinainy tolakandro. 2:29 PM.

Na i Njato na i Soafara dia samy nahatsapa fa niha-romodromotra hafahafa izany i Babata teo ampamafazana fosa teo. Tsy dia fombany loatra ny manao toa an’io. Sady nivaniti-tsi-faly sadasada ihany izy no nitantara. Asa ianao raha efa nanandrana, fa zavatra faran’izay sarotra ny sady miteny no mivanitika, andramo kely ange e! Tsy nahagaga raha sondrovaka ny anao lahy, dia avy teo izy kofona. Lasa tany amin’ny traotraoka ny siligoma fraise-framboise notsakotsakoiny hatramin’ny maraina, ary lasa tany amin’ny lalan-drivotra kosa ny rehoaka tavela fa tsy narora.

Soa fa nisy Eau Vive tany anatin’ilay sac-a-dos maitso commando ary misy soratra hoe US an’i Njato. Natolony an’i Babata ilay tavoahangy mba ho ody-sondrovaka. I Soafara tsy nihetsika teo amin’ny nisy azy teo, nijery nivandravandra tamin’ilay maso masiaka sy tezitra, anazy roalahy manao ny ataony. Mbola i Njato ihany koa no nikapoka sy nanafosafo moramora ny lamosiny, izay vao azoazon’i Babata ny aina fa raha tsy izany angamba dia aoka fotsiny. Tsy nisaotra, tsy mba naneho fankasitrahana akory, na dia kely fotsiny anefa ilay io. Ny tavoahangy Eau Vive an’i Njato aza anie tsy naveriny fa napetrany tany anatin’ilay kitapo sandrify fitondrany mianatra.

Na dia tranga efa nahazatra an’ i Njato ihany aza izany, dia mba narary ihany ny fony. Voatsindry tokoa i Njato, ary fantany fa tena voatsindry izy: Voatsindry aloka, voan’ny tsindry hazolena, natao tsindrio fa lavo. Tsy zava-baovao fa efa hatry ny ela — efa tamin’izy roalahy niray dabilio toa amin’ny kilasin’i Madama Rabarison tao amin’ny T2 tany Bel Air.

Ka inona ary anefa no azony atao? Hikopaka, hamely fantsy, sa hitraotra tsotra izao. Henony nivangongo tao an-dohany ny dopamine.

“Tena efa ela nitoratorahana tokoa i Nesta …” Saika mbola hanohy ilay vaofy-fosa i Babata. Tsy nahavita fehezanteny iray akory anefa izy dia nitranga ny tena tsy nampoizina.

“Tsy te hanapaka ny tenin’ialahy aho ry Babata!” Tena tsy nampoizina tokoa! Notapahin’i Njato tampoka ny tenin’i Babata. Nivatambatana sy entitra tsy mba nihambahamba toy ny mahazatra ny firesany. “Fa sans indiscretions leitsy, fa inona no tena tsy aritr'ialahy amin’izany sipa karana izany e? Toa ohatry tonga dia ny enti-po be izany ….”

Tsy mba sahy nanao ‘ialahy’ an’i Babata izany mihitsy i Njato talohan’io, raha tsy hoe angaha efa tezitra na efa mamomamo. Tsy nahazatra an’i Njato ny miteny masiaka amin’i Babata. Noheveriny fa mpiahy sy mpiaro azy foana i Babata hatramin’izay. Nitraotra tokoa ve ny voatsindry aloka sa sambaviro sendra niserana fa tsy hierina akory io? Sanganehana ihany izy amin’izato fahasahiany, ka somary nijanona kely nakafy an’ilay tosika adrenalina nisisika tany amin’ny zanakatidohany.

Noararaotin’i Soafara iny fiatoana nateraky ny fahasanganenahan’i Njato iny nakana fitenenana. Sipa maro mpiraitampo i Soafara ka efa tena nahafehy tsara ny taranja fanapahan-teny na an-tsena na an-kalamanjana izy. Ka tsy olana taminy ny nanapaka ny tenin’i Njato, lahitokana, izay mbola zavavao amin’io lafiny io.

“Azafady aloha raha manapaka ny teninao ry Njato,” hoy i Soafara sady nitsiky nalefaka tamin’i Njato izy no nanapaka ny teniny. Tsiky feno antra sy feno alahelo no hitan’i Njato teny imolotr’i Soafara. Ny mason’i Soafara anefa toa nifono hatezerana sy nihantsy ady. Tsy toa ilay fijeriny feno fitavana nananany taloha. Nahodin’i Njato haingana ny fijeriny tsy hifanojo amin’ny mason-dratovovavy.

Mainamaina sy nanindrotsindrona ery ny fitenin’i Soafara tamin’izy roalahy. Nitodika tany amin’i Babata manokana izy. “Notantarain’ny zokiko tamiko tamin’ny sabotsy maraina anie ry Babata anie iny tranga teny Antaninarenina tamin’ny Zoma alina iny. Fa siora ve tena siora tokoa ve inao amin’ny fahamarinan’ny zavatra tantarainao? Toa zavatra hafa mihitsy mantsy no nitranga raha ny filazan’i Patou azy a!”

“Tena siora aho ka! Sources sures sy credibles …” Nihankanankana ihany i Babata namaly. Sady gaga izy no taitra no lagy. Tsy vitan’ny hoe notapahina ny vaofy-fosafosany. Mbola notsatsoina ihany hoe efa ren’ny olona ny zavatra noheveriny ho scoop voaloham-posafosa. Tsy izay ihany fa mbola nolazaina fa tsy marimpototra ny fosa-voavaofiny. Mipetraha ianareo amin’ny toerany. Mpifosa iza moa no tsy mba ho sorena manoloana izany toe-javatra izany? “… Olona tena nanatrika tao no nitantara tamiko. Izany hoe ny cousin an’ilay serveuse tao amin’ny Caveau no nitantara taminy dia izy nitantara tamiko.” Toa lasa nibaradaka ilay lehilahy malama vava hatrizay? Tsapany niakatra ny tosidrany. Nangotika ny vavoniny.

Ankatso. Taona 1987. Volana Jona. Alatsinainy tolakandro. 2:36PM.

Tezitra i Babata fa nisy sahy nihantsy ny fosafosany. Sorena i Njato, leo ny tsindry sady voatapa-teny koa izy saika mba hitraotra iny. Niakapofona i Soafara, fa nanirikiry sy tsy nanaja anay izy roalahy niaraka taminy eo. Izy raha fintinina ny fihetseham-po nisy teo amin’ilay tohatohatra mideza kely etsy ambany antsinanan’ilay dobo filomanosan-dry Ratsifandrihamanana mirahavavy sy ny tariny tamin’ny fotoan’androny. Inona ary ity. Marina raha tsy na izaho izay mitantara aza fanina!

“Noheveriko fa mba hitantara zava-baovao anie ianao ry Babata e!” hoy i Soafara vao mainka nanadroadro nankasiaka an’ilay tompondakan’ny fosa.

“Izaho koa aza mba gaga!” Mba nanararaotra nilaza ny ahiahiny koa i Njato. “Efa impiry aho izay no nanandrana niteny fa i Nesta anie ka niaraka tamiko sy ny akama vitsivitsy tany amin’ny Papillon tao amin’ny Hilton tamin’iny Zoma alina iny e! Ka ahoana ary no lazain’i Babata fa tany Antaninarenina indray? Amin’ny fomba ahoana ary no mety nahatongavany tany amin’ny Caveau tampotampoka teo? Tena tsy azoko mihitsy. Na ianareo nisy nanao magie na ianareo havan’i Keanu Reeves tao amin’ny Matrix, na misy mamorona any ho any an! Credibes ve ny sources-nao ry Babata? Ohatry ny mampisalasala ihany an!”

Fanimpanina toa ireny olona voan’ny daka tsy hita maso sy gauche droite ary mawashi-geri-mae-geri ireny i Babata. Toa nataon’i Soafara sy i Njato angaredona tsy nahy ilay mpanjakan’ny fosa ka savolaina. Kolapsa ieiry. Fantany fa tsy namorona izy, tsy nandainga. Nahoana ary izy no tsy henoina fa atao amboletra toy izao? Lavo ve ilay tompon-daka? Nihankanakana ihany izy saika hamaly, kanefa tsy navelan’i Soafara fa mbola nopehany indray.

“I Manana , videur tao amin’ny Kaleido no tena nahita maso izay rehetra nitranga tamin’io alina io. Niantso an’i Patou zokinay izy tamin’ny Zoma alina ka nitantara ny zavatra tena niseho. Ao fa tantaraiko anareo ny zavatra tena niseho.” Tsy nananan’i Soafara antra, tsy noraharahiany akory izay zavatra notenenin’i Njato teo. Ny hitantara ny tantarany no nahamay azy. Tsapan’i Njato ny hatezerana maisatra sy hakizitinana madity nofonosin’ny feon’i Soafara mitantara ny tantarany. Tsy azony ny antony. Tsy dia mahazo vehivavy loatra rahateo koa moa izy. Tsy mba nahazoazo vehivavy izy.

“Nisy vazaha izany hono tonga tao amin’ilay boaty iny Zoma alina iny, ilay Liva-Taikiringa namanao angamba, sa tsy haiko aloha!” Kevokevoka ery i Soafara nanohy ny tantarany. “Pataloha veloro velondritana mainty, palitao tergal manga antitra misy bokotra volongenjy, ary lobaka mavokely. Naka toerana nitokantokana teo amin’ny bar hono izy dia nikomandy Dzama-Coca Martini. Tsy niresaka taman’olona hafa hono izy fa nifantoka tamin’ilay vera misy ny martini-ny. Lany ny voalohany dia naka faharoa, lany ny faharoa dia naka fahatelo, …ainsi de suite. Teo amin’ny fahasivy teo izy vao nitraka, ka izany couple gasy nisariadala sy nanao revimbazaha tery akaikin’ny podium misy ny operatera mpampandihy tery an-jorontrano tery. Tazotazona re izao, tsongotsongo aoka fotsiny, bedabeda be dia be, tsaodatsaoda be izao, et-tout-et-tout mihitsy hono hatrany anaty vestiaires. Revimbazaha be manadala entre samy gasy. Fa couple gasy fa tsy gasy sy karana toy ny notantarainao an! Tsy fantatro aloha raha izany Nesta resahinareo izany ilay bandy fa ilay sipa no fantatro: i Mamitiana Ramboa ilay Miss Vohemar 1984. Cousine-ko avy any Sambava izy. Cousine par alliance aloha e! Azaontsika resahina izy raha ilaina.”

“Avy hatrany dia potika sy tara be tamin’ilay cousine-ko ilay vazaha. Efa zatra amin’izany i Mamitiana ary hainy tsara ilay milalao ny fon’ny olona fantany fa tia azy. Nony nanandrana ni-koty anefa ilay vazaha, dia nihomehezan’izy roa mpifankatia fotsiny. Mbola samy aty Anoromambarevy hono izy izao ka raha possible dia aza elengelenina. Mbola eo am-pihinanana ny vorovoronkena tsara ketrik’i Betsizaraina hono izy ka tsisy gonda io tsisy tri, fa izay mangataka lava mahihy.

Tezitra mafy ilay vazaha, tsy mba zatra natosi-boho tanana izany izy hatramin’izay nahatongavany teto Madagasikara, voadona ny ambo-pony, avy hatrany izy dia ni-s’ennerva be, dia nisafoaka. Dia ilay bandy niaraka tamin’ny Mamitiana, (i Nesta moa?) no nanalany ny fony. Aviavy ery ilay Razoky nanambatibaty hoe ‘pour qui te prends-tu, sale mal’gache de rien du tout, qui meurt de faim, tu te permets d’ importuner cette jolie petasse? non, mais casses toi, tu pues … non, mais …. sale gache va …’

Malagasy iza hoy ianao no tsy mba hitraotra ka hiaka-pofona raha mahare izany resaka izany? Mazava loatra fa romotry ny hatezerana avy hatrany ny malagasy rehetra, na bandy na sipa, tao. Nitangoronan’ny bandy ka nataony angaredona teo hono ilay vazaha taikiringa namanao. Saika nentiny tany ivelany mihitsy aza ho atao fitsaram-bahoaka. Raha tsy nosakanan’ny videurs tao amin’ny Kaleido hono ny bandy gasy efa maimbomaimbo ra, dia angamba tany anaty lobolobo tany Antaninarenina tany ny fatin’ilay vazaha no hita ny asabotsy maraina.

Izaho aloha faly e! Tena tsara ho azy ny dubonet! Latsaka ambany ny tain-kafe. Efa ela nitoratorahana mihitsy ireny vazaha ireny ka nahavoa vaomason’angatra. Mba manana ny ambonareo ihany kay ianareo lehilahy gasy indraindray an!”

Ankatso. Taona 1987. Volana Jona. Alatsinainy tolakandro. 2:46 PM.

Maina ny tendan’i Soafara. Tsy tena zatra niteny lava be ohatr’izao izy. Tsy navelan’ny ambo-po hangataka an’ilay eau vive an’i Njato any anaty kitapon’i Babata. Nijery an’ilay zalahy io izy dia niteny moramora, somary naneso:

“Izay sy izay, ry Babata, no tena fandehan’ilay film nitranga tamin’ny Zoma alina iny an! Amin’ny manaraka aza mamorona moa rehefa tsy azo antoka ny eo ampelatanaa. Izay anie no mahavoa anareo mpivaofy fosafosa ankehitriny e! Tsy manao recoupement mihitsy fa izay fosa heno dia aparitaka. Amarino tsara amin’ny manaraka ny info-nao fa sao lasa tsy inoan’ny olona intsony ireny fosafosa ireny. Je dis ça gentiment an!”

Sady naka aina kely i Soafara no nanipy fijery teny amin’zy roalahy. Lasa naharikoriko azy tampoka teo ireto bandy roa niaraka nipetrapetraka taminy teo amin’ilay tohatohatra mideza kely etsy ambany antsinanan’ilay dobo filomanosan-dry Tsaratsiry Vincent sy ny tariny tao amin’ny ASUT tamin’ny fotoan-androny. Tsy te hijanona niaraka tamin’ireo teo intsony izy. Nefa moa ho aiza? Mbola nila niandry an’ilay kilasin’ny Prof J.Ravel amin’ny telo.

“Tena azo antoka ny olona nitantara tamiko …” Nanandrana nanamarina ny loharano nipoiran’ ilay fosafosany i Babata. Avy hatrany dia notapahan’i Soafara.

“Tsy ny olona nitantara loatra anie no olana ry Babata,” hoy izy nivatambatana nasiaka. Tsy laitra mihitsy kosa aloha ilay rakalakely raha hanapa-teny. Indrindra moa rehefa kizitina izay izy. “Mbola tsy azonao ihany ve izany hatramizao e? Ianao ilay minomino vaovao tsy marimpototra dia avy eo manaparitaka azy no mahagaga ahy. Izay no mampalahelo ahy. Indrindra raha miparitaka izay zavatra izany, mety ho simba ihany ny lazanao. Tsy hainao akory izay tena nitranga tany amin’ny Caveau, kanefa ianao miseho ho bob ery mitantara. Soa ihany ary fa mba isika telo mianadahy efa mifampatoky sy mifankahazo tsara ihany no teto. Eritrereto anie raha nisy an-drizareo mpanely tsaho ireny, fa tsy isika mpamaofy fosafosa fotsiny no teto! Dia asa fotsiny angamba … Izaho izao afaka miteny hoe i Manana no source-ko fa ianao tssss…. “

Niato kely i Soafara dia nitodika tampoka tany amin’i Babata: “Izaho izao mbola manantena ny hiaraka amin’i Njato any amin’izany Kaleido izany indray andro any.”

Ohatry ny nisy herinaratra nandalo nanazava tampoka ilay takamoa nipetrapetraka efa ela tao anatin’ny sain’i Njato naheno io sarizoron’i Soafara farany io. Efa hatrany am-boalohany dia nisy zavatra nanelingelina azy satria fantany fa tsy nitombona tamin’ny resak’i Soafara. Hitany mazava izao hoe inona tsara izany azy. Kobony tsara izao ilay piesy tsy niady.

Nikoropadropaka ery izy. Somary vahotra ny lelany. Te hizara an’ilay monikely nangitikitika ny ati-orony kanefa tsy hay nohaotraorina kanefa votsa vava. Toa nentin-javatra izany izy nanantona an’i Soafara izy ka nibeda azy.

“Fa ilay Manana averimberinao io ve videur ao amin’ny Caveau sa ao amin’ny Kaleido e?” hoy izy nikitakita nanontany sady nanozongozona an’i Soafara mafy.

“Aoka tsy hifampikitakita kely azafady an!” hoy i Soafara, taitra be ka avy hatrany dia nisamboaravoara tsy nahatana tena. Tromba sa devoly? “Inona koa ary ity, lelika e? Mikasiha anie tanana ahy eo indray e! … tonga dia iantsoko polisy an. Fa heverinao fa inonao aho no kikiazanao toa izany? Tena, tsss! Izay ilay lehilahy gasy izay …”

Tsy nisy nanampo io fihetsik’i Soafara io. Tovovavy nihaja sy nanaja tena foana no nahalalan’izy roalahy azy hatrizay. Kanefa toa lasa nirefarefa tampoka teo. Moa tsy vorondreo nivadika vorondolo.

“Heverin’ ialahy fa tsy fantako angaha ny resaka alika nataon’ialahy isany momba anahy tany ambadika tany … ary izany revinareo tany anatin’ ilay Pajero an’i Toavalona izany angaha heverin’ialahy tsy nisy nahita? … tandremo fa raha manisy ahy dia asisko koa an!”

Lasa tabataba be tampoka ny tao amin’ilay tohatohatra nilamindamina nahafinaritra teo. Tsy naharitra fa tonga nangarangarana avy teo amin’ny fefin’ilay dobom-pilomanosana tery ambony andrefana ny sasany tamin’ireo mpilomano nanao fanazaran-tena hanomanana mafy ny Jeux Africains sy ny Universiades.

Hitan’i Babata fa niharatsy ny fandehan-draharaha. “Mitonia aloha ianao Ranabavy, aza misendoatra, dieny mbola tsy nahateny zavatra mety anenenana a!” hoy i izy moramora tamin’ilay feony iva-fampiasa-raha-mifosa iny. “Fanontaniana faran’izay tsotra: ao amin’ny Caveau sa ao amin’ny Kaleido izany Manana izany no miasa?”

Ankatso. Taona 1987. Volana Jona. Alatsinainy tolakandro. 2:50 PM.

“Angaha tsy toerana mitovy ihany izany Kaleido sy Caveau izany?” hoy i Soafara mbola vinitra sy mandomaso. “Samy Boites de Nuit ao Antaninarenina izany, raha tsy diso aho e?” Dia nieritreritra kely izy. “Hmmmm! Toa mpiasan’ny Kaleido i Manana raha ny fahatsiarovako azy. Ie. Tena azoko antoka fa miasa ao amin’ny Kaleido izy fa tsy Caveau, ka!”

Lasa menamenatra tampoka teo i Soafara. Tsapany angamba fa nisy hadisoana nataony. Hitany somary hendratrendratra ihany izy roalahy teny, indrindra i Babata. Afaka kelikely anefa dia samy nitsiky. Nifampijery teo dia niaraka nitokelaka nihomehy. Mazava ny anton’ilay fifamaliana. Sady nijery an’i Soafara ry lerony dia nikakakaka toran’ny hehy.

“Inona ary ity? Toa vao maika aho ihomehezanareo? Izao ange ilay tsy tantiko amin’ialahy isany e! Izao anie ilay mampifamaly e!” Saika hiaka-pofona indray i Soafara. Fantany anefa fa tsy hanampy azy loatra ilay maka lagy isak’izay mahatsiaro.

“Milamina ianao aloha e! Aza mora misendoatra. Hay zavatra kely tsy nisy dikany iny no nampifamaly antsika telo dahy teo,” hoy i Babata namaly azyy. “Tranga samihafa mihitsy ny tranga noresahintsika mianadahy. Izaho niresaka revy tany amin’ny Caveau, ilay boaty fandihizana eo akaikin’ny Patisserie Suisse. Ianao anefa niresaka revy niseho tany amin’ny Kaleidoscope, ilay boaty fiasan’i Manana etsy akaikin’ny Farmasia Metropole. Na dia samy any Antaninarenina aza ireo dia toerana samihafa mihitsy. Seho miavaka tsara.”

Ankatso. Taona 1987. Volana Jona. Alatsinainy tolakandro. 2:53 PM.

Nanjelatra ny mason’i Soafara kotsan-dranomaso teo. Azony tsara ilay tsy fifankazahoan’ny resaka teo ka saika niteraka ady goavana be tsy nifankahitana teo. Andraso kely an! “Saika” hoe? Avereno vakiana kely azafady ny zavatra nosoratako telo pejy lasa angamba izay. Rehefa tafaverina eto ianao mpamaky dia teneno aho hoe “saika niteraka ady” ve? Sa efa raikitra mihitsy ny ady goavana be?

“Hay izany mety samy marina izany ny fosafosantsika sy itena,” hoy i Soafara nananihany an’i Babata (rehefa manao itena izay ny sipa dia efa milamina indray ny resaka, matetika) “Samy valida ny entree des donnees! Hay izany i Nesta tany amin’ny Caveau fa tsy tany amin’ny Kaleido tamin’ny Zoma alina. Ary tena tsy nisy nidirany na izy na ilay taikiringa, na ilay sipa karana, ilay ady angaredona saika raikitra tao amin’ny Kaleido?”

“Voalazanao! Vazaha hafa mihitsy ilay voadaroka tany amin’ny Kaleido iny,” hoy i Njato. Gaga ihany aho anefa fa toa tsy mba niala tsiny akory i Soafara, izay namoaka teny-antsy ka nanadratra azy teo. Izy anefa efa niala tsiny. “ Fa na izany aza, on n’est pas encore sorti de l’auberge an! Asa ianareo fa izaho manokana aloha dia tsy mino hoe tena tao amin’ny Caveau i Nesta tamin’ny Zoma alina. Niaraka tamiko tao amin’ny Hilton i Ernesta tamin’io. Mba fahotana mahafaty e! Mba tapaho ny ahy raha izaho no mandainga. Izy mihitsy, hoy aho, no nanatitra ahy tany antrano tamin’ilay Rav4.”

“Izaho koa leitsy sahy mi-pari amin’ialahy fa tena tao amin’ny Caveau i Nesta tamin’ny Zoma alina. Dia tao koa i Liva-Taikiringa akamako. Dia siora koa aho fa tao i Poonam, ilay sipa karana sipako taloha saika nahodin’ilay Nestor-ndozatra iny. Azontsika antsoina tsirairay ireo, fa ananako daholo ny numero-ny. Antsoiko izao dia izao. Raha sahy ialahy!”

“Andrekaky o!” hoy i Soafara nikiaka tampoka. Taitra izy roalahy. Eny taitra hatramin’ilay mpamaky nitady ho rendremana te hatory kanefa mbola mikiribiby hamaky hatramin’ny farany ity tantara tsy manam-pahataperana ity. Ye, fantatro anie ianao io e!

“Fa ialahy isany ireto ve tena bandy pondro sy tary pendra mihitsy e? Fa ianareo ve sady marenina amin’ny sofina iray no tsy maheno amin’ny sofina ilany e! Tena tsss …. Ny anareo ve ny loha sa ny inona no misaina ….” hoy ny vazavaza vazivazin’ilay sipa-metisy-vezo-sy-antakarana-ary-lehibe-tao-iberatsi. Nojerena anefa, toa tsy tena nazava i Soafara na tena mananihany na mody mananihany.

“Inona ary ity?” hoy i Njato, taitra sy zendana saika nivarahontsana. “Aza dia mifanompa kosa Bavy e! Teneno izay tianao ambara, fa tsss …Ary aza mifananihany moa raha tsy efa mifankahalala toetra tsara, fa izay anie ilay mampifamaly e!” Asa koa i Njato na tena lagy na mody lagy. Nisy teny vitsivitsy nivoaka teo ary niantefa tany anatiny tany. Nankarary azy, ary namela fery tany anatiny tany.

“Vazivazy leitsy ny ahy fa ialahy koa ve tena tsisy sens de l’humour mihitsy sa mody serieux fotsiny e? Fanontaniana iray fotsiny no ilaina apetrako aminareo mitsam, dia inoako fa ilamina ity resaka mitady handrava ity fihavanantsika ity. Raha tsy efa tara loatra. Fanontaniana iray!”

Nijanona niteny aloha i Soafara. Tsy nahitana tsiky na vazivazy intsony teo amin’ny tarehiny. Niandry izy roalahy. Niandry ilay fanontaniana antenaina fa handamina ny disadisa nisy eo amin’izy telo mianadahy. Tsy tonga ilay fanontaniana.

“Ka inona ary ilay fanontaniana fa aza be …” Tsikaritra amin’ny endriny sy ny feony fa tena mbola sorena i Njato. I Babata toa nanjoretra sa nidongy tery amin’ny sisiny tery.

“Tsy hoe manapaka ny teninao aho ry Njato fa …” hoy i Soafara .

Rehefa miteny an’io hoe “tsy manapaka ny teninao” io ny olona dia misy zavatra ilainy ho lazaina, na tantaraina, na anontaniana.

Dia niandry izay ho tohin’ny resak’i Soafara teo i Njato sy i Babata. Dia niandry. Tsy niteny anefa i Kala. Tsy niteny intsony fa lasa … angamba.

Ankatso. Taona 1987 . Volana Jona. Alatsinainy tolakandro. 2:56 PM.

Notapahin’i Soafara ny tenin’i Njato. Notapahiny nefa tsy notohizany …

Soafara …? Efa lasa sahady angaha i Soafara teo e? Angaha ito sombitantara ito mbola vita e? Mbola mila milaza an’ilay fanontaniana ianao e!

Ary i Babata koa toa tsy hita tampoka? Lasa koa angaha?

Ah! Okay. Adinoko tokoa, hay moa misy Histoire des Institutions amin’ny 3:00PM. Aleo koa izaho hipitsika fa sao tsy mahazo toerana eo. Mety efa feno izay ilay Demi-tonneau-an’ny Droit.

--

--