Tsy azo anaovana maloto eto

Soamiely
An’i Madagasikara
6 min readMar 19, 2020

Vao mangiran-dratsy, mbola latsaka minitra vitsivitsy ny amin’ny dimy ora maraina dia efa tonga mikarakara sy manokatra ilay tsenakely fivarotana tsakitsaky sy enta-madinika vaovao etsy akaikin’ny zone franche industrielle Ingahy Blaise. Sady somokotra, no faly, nefa ihany koa sahirana tsy misy ohatr’izany ilay ranamana. Somokotry ny kenokenona satria taranja vaovao aminy no iantsorohany ka maro ny zavatra mbola mila ianarana. Mbola vao misandratra moa ilay tsena ka tsy mbola manana mpiasa ho karamaina izy fa tonga amin’ilay fiteny vazivaziny hoe “sady irakiraka no sefo, sady boto no patro.”

Faly sy ravo ihany koa anefa Ingahy Blaise satria ela ny ela ka tafajoro soa aman-tsara ilay tsenakely nokasaina sy nonofinofisin’izy mivady efa an-taonany vitsivitsy ihany izay. Efa saiky voatetin’izy mivady daholo na ny ray amandreny ara-panahy (ny Reverend Ratsimiholy mpitandrina, na ny Monseigneur Fuggielo, pretra relijiozy milaza azy ho eveka), izay tsy nitsahatra nitrotro am-bavaka sy nitsodrano tsara, na ny ray amandreny ara-bakiteny tahaka an’i Dadatoa Celestin, ilay mpandraharaha mpanefoefo mpanjanabola anadahindrenin-dramatoa vadiny izay nandany hery sy tanjaka nampirisika anazy mivady hijery mpanandro, na dia tsy nirona loatra tamin’izany aza izy roa.

Rehefa ela nifandresen-dahatra sy nifampidrikina, dia nanaiky ny hihaona tamin’ny Dr Ravelonanosy, ilay mpanandro ho an’ny mahitahita, mpimasy ho an’ny antonontonony, ary mpanao ody gasy ho an’ny sahirankirana, izy mivady.

“Hiankina betsaka amin’ny zavan’ny tara-bolana adalo mibaby fenomanan’adijady ny vintan-tsenanareo” hoy ilay Dokotera mpanandro, “Na zavatra ohatr’izany. Mankatsy makaroa. Aza mifadifady zava-boribory fa tonga dia lero sy donainy izay hita.” Tsy dia nisy azon’izy mivady loatra ireo torolalana manjavozavo ireo, sady tsy azoazony rahateo, kanefa moa teny avy tamin’ny mpanandro sady dokotera ka dia noraisina ho baiko sy notanterahina.

Azo lazaina fa nitsikian’ny vintana tokoa aloha izy mivady fa tena tsara toerana ilay tsenakely vaovaony. Toerana malomaloka tsy lavitra ny faritra feno irony orinasa afa-kaba sy tobim-pantsonan’ny fiara fitaterana irony. Toerana somary mihatakataka sy mitokatokana kely kanefa be mpandalo tsy hita velively rehefa fidirana na firavan’ny mpiasa. Rehefa fotoana fisakafoanana moa dia aoka fotsiny fa tomefy olona.

Rehefa tena dinihina anefa dia mety io fipetrak’ilay tsena io indrindra koa no niteraka ny fahasahiranana naha-vaky loha andro aman’alina an’Ingahy Blaise. Mety ho tsara toerana loatra tokoa va re ilay fivarotana ka nanintona ny mpandalo ary tiany anaovana maloto vao maraina? Tsy indraindray tadiavina ihany izany fa saika efa ho isanandro vaky izao mantsy dia nisy namela kadoa mahery fofona hatrany eo anilan’ny tokonam-baravaran’ilay tsena fivarotana tsakitsaky sy enta-madinika vaovao. Tsy ankitsitsy mihitsy fa na ranony na ventiny dia nafafin-dry tsy mahalala menatra eo avokoa.

Dia lany teo ny ampaha-efany na indraindray aza an-tsasaky ny adim-pamataranandro iray nanadiovan’ny tompon-tsena ny diky mivangongo manoloana ny varavarana. Ary na dia voaraoka amin’ny angady sy koveta aza ny vangongom-piringa dia mbola tavela ary tsy an-oron-jaza ny hanitra sy ny fameroveron’ireo fanomezana nisy namela vao maraina.

“Tena nandalo tato indray izao ry tavan-dreniny ireny!” hoy ny ngonongonon’ Ingahy Blaise miferinaina manomana ny orony hiharitra ny maimbon’ny maloto navelan’ireo mpanao latsaka alina na mpitsidi-pahitra vao maraina. “Aza mba tratrako fa ataoko mahalala ny anarako mihitsy. Ataoko mihinan’ny savoniny avy hatrany.” Tsy ferana ny antso tody sy ny ompa anabavy aloaky ny vava, vinitry ny hatezerana na kirikon’ny fofona navelan’ireo mpandoto tanana. Miaka-pofona ara-bakiteny ny anao lahy!

Amin’ny lafiny iray kosa anefa toa sarotra aminy ihany ny hanome tsiny be fahatany ireny olo-niserana ireny. Raha mijery amin’ny saina tsy miangatra iny faritra misy ny tsenakeliny iny tokoa mantsy izy dia ho sahirana vao hahita toerana azon’ny olona tra-maraina anaovana ny malotony. Tsy mba misy toerana natokana ho an’izany eny amin’ny manodidina eny. Ary zovy moa no tsy mba efa poritra te hivalana indray andro ka tsy nikaroka toerana akaiky azony hanaovana ilay raharaha manga mandritry ny iray minitra tsy azo ivalozana. Na misy aza izany dia na toerana ankalamanjana be na voretra be!

“Ny olombelona hono tsy akoho,” hoy ny mpandeha taxi-brousse. Ny fandraisan’Ingahy Blaise an’io fomba fiteny io dia hoe tsy mivaobaoka eny amin’izay rehetra misy azy akory ny olombelona fa mba mila toerana mangingina ahafahany mifantoka tsara, mila toerana mihajahaja. Ka na izy tenany aza indraindray dia mitady ho resy lahatra fa misy tokoa ny toerana idealy natao hanariana ny mazefatra rehefa ivelan’ny tranon’ny tena, ary anisan’ireny rehefa vao maraina ilay faritra milamindamina misy ilay tsenakeliny iny.

“Ny oroko sy masoko ho jenjin’ny fofona anie mety ho azo iafiana ihany e!” hoy Ingahy Blaise an’eritreritra. “Fa ny mety ho fiantraikan’ny sison-toerana amin’ny mpanjifa tsakitsaky sy ny varotra enta-madinika no tsy laitra. Fomba ahoana tokoa moa no hisintonana ny mpiasan’ny zone hivily sy hividy enta-madinika sy tsakitsaky manoloana izato fahamantsinana tsy roa aminan-tany.”

Dia lasa saina ny anao lahy. Tsy naharitra fa nitaraina sy nitady hevitra tamin’ny manodidina.

“Asio soratra mazava tsara fotsiny fa tsy azo atao ny mivaoka eto fa voararan’ny lalana,” hoy ny namana tompon’ny cybercafe teo amin’ny manodidina teo. “Ao fa anamboarako affiche tsara tarehy ianao. Atao prix d’ami.”

Dia raikitra fa nasiana soratra hoe “Rarana ny manao maloto eto” teo antokonambaravaran’ilay tsena vaovao. Zara anefa raha nijanona roa andro ny fanaovana maloto dia nitohy soa aman-tsara indray.

“Sao dia olona tsy mahay mamaky teny kosa ary no tonga manao ny ataony aty?” hoy izy raha sendra tafaresaka tamin’i Dadatoa Celestin. “Sao dia tsy fantany akory izay voasoratra eo!”

“Tsy possible!” hoy ilay lohandohan’ny mpanjanabola. “Azoko antoka fa olona mahay taratasy sy mamaky teny daholo ny olona mandalo sy mpanao maloto ety, na vao maraina be aza. Ataovy serieux.” Tsy nanan-kavaly izany Ingahy Blaise. Marina tokoa fa fantatr’i Dadatoa Celestin aby ny olona teny amin’ny manodidina teny satria saika tapitra ho mpitrosa taminy avokoa.

“Kely loatra ny soratra fa ataovy mivandravandra sy mivantana kokoa ny hafatra,” hoy ny Reverend Ratsimiholy, Mpitandrina nony nanontaniana ny heviny mikasika ny toe-barotra manao nifintsofa. Dia niverina tany amin’ilay cybercafe, nanonta afisy vaovao nisy soratra hoe “Tsy azo anaovana maloto eto,” tamin’ny kalisoratra mazava sy matevintevina kokoa ho solon’ilay teo aloha. Tsy nitsahatra akory anefa ny fandotoana ny tsena, fa mbola vao mainka nanohy ny fombantany ny olona.

Dia nandeha ny herinandro. Nandeha ny volana. Tsy mbola nitsahatra ihany ny fametrahana kapa (na ventiny io na ranony) teo ala-trano. Fa teo anivon’ny fofona sy ny donaka dia nisy zavatra somary nanintona an’Ingahy Blaise, ka nahagaga azy: ny herinandro mialoha ny volana fenomanana dia hita somary mihena ny maloto sy firinga avelan’ny mpandalo eo ivelan’ny tsena. Dia mihena arak’izany koa ny sison’ny tsena rehefa misandratra manakaiky ny fenomanana ny volana ka mba mitombo indray ny isan’ny mpanjifa tonga nientsena tao amin’ilay fivarotana vaovaon’Ingahy Blaise.

Raha vao mihilana indray anefa ny volana dia manomboka miverina ny fanaovana maloto eo ambaravaran’ny tsena, ka manonga indray ny fofona dia mihena indray ny mpiantsena. Rehefa iny maizim-bolana iny moa dia tena tsy laitra ny fidonaky ny hantsina ka zary atahorana ho bankiropitra satria mosarena mpanjifa ilay tsenakely.

“Sao dia misy mpamosavy milalao tsinambolana,” hoy ny Monseigneur Fuggielo, ilay pretra nivadika ho relijiozy. “Andao ametrahantsika tanana dia fafazana ranomasina sy ranomanitra.” Dia notanterahina tokoa izany, saingy indrisy tsy nisy vokany na kely aza.

Nony ela ny ela, tapakevitra fa hiala nenina ka niverina any amin’ny Dr. Ravelonanosy, ilay dokotera mpanandro Ingahy Blaise. Toa tsy gaga akory ilay io nandre ny tarainan’izato tompontsena vao misandratra.

“Efa nambarako taminareo anie fa hiankina be amin’ny hazavan’ny tarambolan’ny fenomanana ny vintan’ny tsenanareo” hoy ilay dokotera mpanandro, “Rehefa mazava ny volana dia hiroborobo ny varotrareo.”

“Tena izay mihitsy no mitranga, Radoko a!” hoy Ingahy Blaise nitsatsaingoka. “Fa ianareo ve mpanandro sa mpaminany e?”

“Aza mampihomehy!”

“Ary tena mahavariana fa maherivaika ny tononandro malagasy …”

“Tsy misy idiran’ny tetiandro izany ka!” Anjaran’ilay dokotera mpanandro indray no nanapaka ny tenin’Ingahy Blaise. “Fandinihina tsotsotra ny zavatra miseho fotsiny.”

“…”

“Rehefa fenomanana dia mazava tsara ny andro, ka mora vakiana ilay soratra napetrakareo. Rehefa maizimbolana indray dia tsy voavaky ilay soratra dia miha-betsaka ny tonga manao maloto.”

“Mazava ho azy!”

“Mazava loatra!”

--

--