vay

Soamiely
An’i Madagasikara
5 min readJul 6, 2019

“Ny vay ankandrina no maharary mahamenatra fa mbola hanolatra ihany, ny vay am-po mamono sy mandoro ka mety ahafaty tampoka. fa ny vay ampanahy mitsako tsy miato mandava-taona : iaretan-tsy laitra, odian-tsy re, mampahatsiahy ny fisiany fa be fisisika toa vavahady vakin’ny Imahamasina ka mahafaty ifanosehana !!!” (Hemerson Andrianetrazafy, 2019)

Nisy vay anakiray hono indray andro nipoitra teo amin’ny handrin’ilay boaikely akamako izay. Tsy tena teo afovoan’ny handriny fa somary amin’ny ilany ankavanana. Vay toy ny vay rehetra ihany ilay izy. Tsy tena fantatro loatra izay nihaviany. Vay tokana nandeha singany fa tsy mba. irony mpanao rodorodo sy be fiavy irony. Kelikely fa tsy dia mankadiry loatra ary noheverin’ilay razandry fa mony mihitsy aza moa tany am-boalohany noho izy somary nihafihafy sy nimpirimpirina. Izato izy rahateo koa moa nangidihidy toy ireny monin’ny zatovo miala sakana ireny.

Nandritry ny andro vitsivitsy hono dia tsy dia nanaitra an’ilay ranamana loatra ilay fivontosana na dia tsapany aza fa nanomboka nikofokofoka naka toerana sy niorim-paka teo amin’ny ilany havanan’ny handriny. Ireo havana aman-tsakaiza sendra nifanena koa moa toa tsy nisy nahatsikaritra ilay faritra kely nibontsina sady nitompy mena. Na nisy nahita aza ireo dia tsy mba nisy niteny. Tsy mahagaga ary raha tsy dia nivaky loha loatra momba an’ilay vay ilay boaikely fa nanohy fiainany andavanandro toy ny mahazatra ihany: nandeha niasa, nitsangatsangana niaraka tamin’ny fianankaviany, nialavoly niaraka tamin’ny namany.

Nony nandeha anefa hono ny fotoana, nahazo aina tsikelikely teo amin’ilay toerana nipoirany ilay fivontosana ka nanomboka sahisahy nivelatra sy naka toerana. Nisonga be angamba ny fahatokisany tena ka vao mainka lasa nibontsina. Tsy nitsahatra nitombo izato izt, sady toa lasa namatovato mafimafy hafahafa izany mihitsy aza. Fotoana fohy taty aoriana dia nazava ary nibaribary toy ny vay an-kandrina (na an-keviny io na ara-bakiteny) fa tena vay tokoa — vay-ara-dalana sy vay manara-penitra — ilay zavatra noheverina fa mony teo. Tsy vitan’ny hoe nitsahatra tsy nangidihidy intsony mantsy izato izy, fa lasa navesabesatra nafanafana-vay sy navaivay. Vay manta vory nana nitogaigy teo amin’ny handrin’ilay boaikely

Niha-nahazo vahana hatrany hono ilay vonto kely, ilay tasy afaka niafiana tsara tany aloha. Niakatra be angamba ny moral ka araky ny halavan’ny fotoana nitoerany teo amin’ny handrin’ilay boaikely, no mainka nampanjary azy hanirikiry sy hanome lagy an’ilay ranamana. Nony elaela vetivety taty aoriana dia lasa nanjary sahirankirana ilay ranamana nanohy ny fiainany andavanandro toy ny mahazatra. Nanjary sarotra taminy ny nifantoka tany ampiasana, tsy narisika nitsangatsangana niaraka tamin’ny fianankaviany fa namaivay ilay vay ka nandreraka, tsy nazoto nandeha niala voly niaraka tamin’ny namany fa kizitina sy menatra tamin’ilay vay an-kandriny.

Nisy boay kely izay hono indray maka nitaiza vay an-kandrina. Tsy tena teo afovoan’ny handriny akory ilay vay no nitogaigy fa somary nanakaiky ny fihirifany ankavanana. Boaikely ohatry ny boaikely rehetra ihany ileiry. Boaikely liam-pivoarana sy te hisandratra. Boaikely te ho tafa. Voatsindrin’ilay vay hatrany anefa izy ka sahirankirana.

Niezaka nikaroka hevitra ihany hono ilay boaikely hanaisorana ilay vay manta vory nana teo an-kandriny. Nataony vaindohan-draharaha mihitsy izany fikarohana ala-vay izany. Nandramany ny tery vay manta —brute force — fa vao mainka nahazo vahana ny fanaintainana tsy laitra velively. Nofadiany na ny toaka na ny divay, na ny kaly mafilotra na ny sakay. Notenehiny ny ravin-drambiazina sy ny hodin-katrafay, dia nosotroiny toy ny tambavy, fa eee, tsy nety masaka ilay vay. Nihosorany ny madecasol sy ny baume vegebaume, natao niforetaka ny cortisone, ary natao nitakosina ny mandravasarotra. Tsy nety vaky akory anefa ilay vay fa toa vao mainka nibalelaka sy nidingimbody. Voan’ny battue morale hono ilay boaikely ka nanjary nipirimpirina. Saika namoy fo.

Dia nisy sipakely izay hono indray mandeha izay nifampisakaiza tamina boaikely nitaiza vay an-kandrina. Sipakely tsy toy ny sipakely rehetra fa sipakely be fitiavana tokoa. Tsy sipakely sakaiza namanamana fa sakaiza tena namana. Ny vain-tsakaiza hono aminy mahatratra, ka tena farazokin’izay sarotiny izy raha vao misy mikasikasika ny namana akaiky azy. Toa zary tandra vadikoditra taminy mihitsy aza ombieny ombieny ilay fahasarotampiaro ka maha-faly sahirana ireo tary sakaizany.

“Nahoana kosa Ravay no dia mietraketraka toy izao?” hoy ilay sipakely tsy naharitra raha vao nahita ity vay nigalabona soa amantsara teo an-kandrin’izato boaikely sakaizany savolaina ka mila hamoy fo. “Tena manao toetra tsy zaka mihitsy ianareo an!”

“Drry! Fa mietraketraka amin’ny ahooooana, ary?” hoy ny navalin’ilay vay somary taitra tampoka sady sadaikatra. “Sao dia mba vay hafa ary no tian’i Mademoiselle resahina?”

“Tena ianao mihitsy ka!” Somary nampiaka-peo ihany rakalakely. “Fa iza indray no nanao bodongerona teo antampokandrin’ilay sakaizako io?”

“Azafady aloha! Hay ve sakaizanao ilay boaikely io? Efa elaela ihany aho no nikasa hanorim-ponenana teto fa ileiry tsy niteny tsy nivolana. Sady efa nomeko fotoana maharitraritra ihany izy anie androahana ahy fa toa tsy mba niraika akory e! Efa tsara petraka aho vao tadiaviny asiana lakrema sy pomady tsy fanta-piaviana. Efa tara loatra! Heverinao fa moramora angaha ny mifindra avy eto!”

“Andray kosa!” Gaga sy tsiravina ilay sipakely saropiaro nandre izany valinten’ilay vay izany. Vao mainka izy nisafoaka. “Satria ve izy tsy miteny dia anamparanao amboletra? Dia heverinao fa rariny ve izany? Tena handrin’olona tsy naninona tsy naninona anao kosa ve dia tonga dia anaovanao brigady tsotra izao? Dia tena tsy maintsy teo amin’ny handriny mihitsy be no nipetrahanao? Tsy mba afaka toerana hafa ve?”

Asa izay nahazo azy tampoka, angamba vinitry ny kitakitand-rakalakely, dia mba nampiaka-peo koa ilay vay teo amin’ny handrin’ilay boaikely akamako. Na izaho izay manoratra sy mitantara koa aza mba krizy ihany.

“Na rariny izany na tsy hintsiny, je m’en fous!!!” hoy ny vazavazany miaraka amin’ilay fiteny misy accent vazaha hafahafa izany. “De toutes les facons, tsy misy mafonja tahaky ny vatolampy fa rehefa tsy miteny dia angerezan’ny vorona. En plus an’izany, angaha misy lalana mandrara ny fitoerana eo amin’ny faritra ambony io? Tsy zarany aza ve teo amin’ny handrina aho no nipetraka toy izay teo amin’ny fitombenana. Tsy aleonao ve vay an-kandrina toy izay vay am-body?”

Tena tsy tanan’ilay kalakely intsony, hono, ny hatezerany ka tonga dia “plaff” hoy ny fanenon’ilay tanany saika namelaka an’ilay vay. Tsy haiko loatra na tehamaina na totohondry no tiany namelezana an’ilay vontonofo be taim-bava nigarazy teo an-kadrin’ilay sakaizany. Efa nipetaka ilay izy vao samy tonga saina.

“Oaray leaza!” hoy ilay boay kely akamako voan’ny kapoka mbola tsy haiko hatramin’izao na tehamaina na totohondry. “Fa ianao ve ahoana e? Ny bandy efa kirizy mbola emmerde-vana amin’ny daroka sy vono ihany! Lelen’a! (En français dans le texte) Tssss! Mandreraka be enfin!”

Dia iny hono izy lasa nipitsika fa farazokin’izay laginina. Na dia izaho tsy izy kosa ve!

Ilay vay kosa hono niaka-pofona be noho ny hatezerana, ka iray sy valo dia masaka. Adin’ny roa latsaka fahefany ngarangidina taorian’ilay vono nahazo azy hono izy dia vaky ka tsy ela dia nadio zara raha pentesin-doto ny handrin’ilay boaikely akamako taloha.

--

--