Aty an-tany lavitra aho no mihira ho an’ialahy

Soamiely
On Madagascar
Published in
5 min readNov 7, 2014

--

E-mailaka nalefako tany amin’ilay valilahiko izay momba ny anjara toeran’ny dilam-bato eo amin’ny fiainam-pirenena.

From: Soamiely
To: Levaly
Subject: Re: Ton article sur Mada
Date: Fri, 7 Nov 2014 2:46:01

Miarahaba leitsy a!

Manao ahoana ianareo ao ? Efa mafana be ve ny andro any? Misaotra betsaka aloha fa voaray soa aman-tsara ny koba sy ny caca-pigeons nampitondrainareo an’i Dadatoa Fredy niaraka tamin’ilay taratasy. Mbola hafa ihany leitsy ny tsaky Malagasy an! Ilay Dzama Cuvee Noire nalefanareo sy i Mama farany iny anie ka iray sy valo ilay izy dia tapitra e! Tena nifandrombahana.

Sady nihinana koba aho aninkeo no nihaino an’ilay hiran’i Zopanage fivazontsika mitsam iny tamin’ny youtube. Ilay hoe “Aty antany lavitra aho no mihira ho an’ialahy” e! Dia nahatsiaro an’ialahy. Ahatsiarovako ilay niaraka tamin’ny fianakams teny Ambatofotsy-Gara iny hira iny an!

Mba manana fotoana kely koa aho androany fa tsy ato ny ankizy dia mba manararaotra mamaly an’ilay e-mailak’ialahy afak’omaly iny. Miala tsiny aloha aho raha tsy hiala tsiny raha mampiasa ny teny Malagasy amin’ito e-mailaka ito. Tompony aho, Valy, fa tsy mpindrana ka tsy hiafiafy na handefitra mihitsy aho hampiasa ny tenin-drazako ho anisan’ireo teny hilazako hevitra sy hifanoratako amin’ialahy.

Miala tsiny koa aho raha tsy hiala tsiny raha hiresaka momba an’i Gasikara ihany, na dia efa nobedesin’ialahy aza aho tamin’ilay e-mailaka hoe efa nisafidy ny hipetraka any andafy leitsy ialahy, ka inona no mbola hivakian’ialahy loha amin’izay Madagasikara. Tsoriko amin’ialahy fa tena naharary ahy ireny teny ireny an! Fa izaho tsy maka lagy kah. Asa tokoa ialahy raha mahatsapa fa ohatry ny lasa misy lonilony sy tsy fifampitokisana izany izao eo amin’ny “gasy-any-andafy” sy ny “gasy-any-gasikara.” Asa na tahotra na fialonana na alahelon-kanina no mahatonga izany. Ekeko fa misy tokoa aloha ny “gasy-d’andafy” no be-zesta sy mizahozaho e! Dia misy koa ny mieritreritra fa hoe tafita izy satria tonga aty andafy, ka lasa tia manindri-aloka sy mamono-vorona ary mi-souzy ny any amin’ny tanana. Fa tsy izahay rehetra kosa angamba e!

Mangina fotsiny, hoy ialahy mantsy ahy, fa aza be resaka fa tsy mahalala izay tena zava-misy any Madagasikara akory. Efa imbetsaka anie aho no nilaza tamin’ialahy fa na dia tsy miaina isan-andro any ary aho, dia miezaka hatrany kosa ny manaraka ny vaovao sy ny zava-mitranga avy any. Soa ihany fa misy ny fanatontoloana sy ny internet ahafahana mifandray sy mifanerasera an-tendrilavitra. Ka ialahy aza misouzy fa mba mahafantapatatra kely ny zava-misy any ihany leitsy ny zanak’i Madagasikara na dia lavitra aty ampielezana aza! Indraindray aza toa izahay aty andafy indray no mahare vaovao alohanareo an: Raha tsy izaho anie no nilaza tamin’ialahy, tsy fantatr’ialahy akory hoe namoaka vazo vaovao anie i Gangstabab e!

Modia aty, hoy ialahy mantsy ahy, raha tena sahy fa aza be taim-bava sy be theorie avy any ivelany fotsiny. Adin’ny kanosa ny ahy, hoy ialahy. Mety ho fomban’ny kerisay, tsy haiko loatra. Fa mety vao maika hanakorontana koa anie ilay hoe mody raha tsy tena vonona e—jereo fotsiny ohatra ilay dokotera radiology vao nafarana avy tany Soisa io :-) . Ny haiko sy ny tsapako dia hoe tsy voatery ho any Madagasikara ny olona iray vao afaka mitondra ny anjara-birikiny ho amin’ny fanarenana io firenena io. Mety misy traikefa azonay avy aty ivelany koa anie ilain’ny tanana e! Betsaka, hoy aho, ny irika mety ahafahan’ny Dilambato manampy amin’ny asa fanavotam-pirenena. Sa ahoana, hoy ialahy?

Mampihomehy ange leitsy ialahy ity indraindray Valy e! Rehefa miteny sy milaza izay haiko aho dia lazain’ialahy fa dedaka sy tia sehoseho — dia asain’ialahy mangina. Rehefa mipiripirina tsy dia miteny kosa anefa dia lazaina fa tsy te hahalala sy miamboho andraikitra — dia hoe aiza ihany ianareo “disapora” e? Rehefa manao zavatra mangingina aho, fa tsy te hisehoseho, dia lazain’ialahy fa malama sy joko-tsoriaka — dia hoe manao be fitetika. Aza mampihomehy leitsy an! Ataovy serieux e! Asa izay fomba fandraisan’ialahy azy fa izaho aloha dia tena mbola korazy ny hanao zavatra ho an’io Dago-dago-nareo io e!

Mampalahelo fa ny ranombary ity efa handifotra, isika anefa mbola variana miady hevitra momba ny anjara toeran’ny Malagasy mpila-ravinahitra eo amin’ny fiainam-pirenena! Mila antsika zanany rehetra, hoy aho, i Madagasikara, ka tsy tokony ho isika antenain-kitambatra indray no zary hifanavakavaka sy hisara-bazana. Tsotra ihany anie ny tanjona e: Ny fanarenana sy ny fampandrosoana. Tsotra ihany koa ny fahavalo: Ny fahalovana sy ny fahantrana. Mila atambatra ny hery fa raha tsy izany io tsy ho tafa mihitsy. Tena poince io raha samy mba mi-debra na ny Galasam eo anivon’ny riaka na ny aty andafin’ny riaka, bain’ a!

Ka izao leitsy an! Bedeso sy treromy aho, tsy quoi, zakako izany. Efa vita sedra aho ka tsy hilavo lefona aho. Ampangao ho mitsaoka an-daharana aho, tantiko foana izany. Vatolampy azo andihizana koa anie ny kaofiboay e! Fa na dia izany aza, aza dia ahilikilika loatra leitsy ny bandy fa mba havana ihany anie na lavitra ankany aza e! Aza dia atosi-boho-tanana koa leitsy ny tary rehefa entanim-panahy fa avelao izy hi-tenter chance ka handray anjara amin’ny asa fanarenana an’ilay Gasikara-tsika io e! Tsy i Valy irery anie no mi-sakra ho an’ny tanindrazana e! Dia ialahy io indray ve moa no atoro an’izany.

Izay indray leisty an! Azafady fa somary lavalava kely ilay e-mailaka. Tiako loatra ilay nosintsika io ka tsy voatana ny eritreritra ka mipololotra indraindray. Andramako antsoina amin’ny skype ianareo rehefa avy eo dia mba afaka mikaozy lavalava isika. Mbola betsaka mantsy ny tiako ambara.

Saika adinoko, efa azoko ato ilay kitro sy ilay blouson nafaran’ialahy fa raha vao misy olona miakatra ho any an-tanana dia ampitondraiko azy. Mety somary malalaka ilay kiraro fa tena solde be ilay izy dia nalaiko ihany. Dia alefako Western Union rahampitso koa ilay vola hanamboarana ny tafotrano etsy Soalandy sy hividianana ny fanafodin‘i Mama. Azafady fa somary tara kely, fa somary nisy fahasahiranana ara-bola kely izahay tato ho ato.

Mampamangy amin’ny ankizy sy i Rafotsy ao dia mahasoava ka ho ambinin-java-manasatra indray leitsy e!

s

Sent from my iPhone

--

--

Soamiely
On Madagascar

Favorite Palindrome: Was it a car or a cat I saw?