Barimaso sy i Ngilo
Rehefa maditra hono ny zanaky ny Andriamanjaka dia manjary maditra ho azy koa ny zana-bahoaka …
Ambodivoara Io Fa Tsy Toaka Gasy
Nisy fotoana fony izahay telo mianadahy mbola kilonga madinika dia nalefan’i Dada sy i Neny naka rivotra tany amin’i Bebe Rangorinavalona nandritry ny fotoam-pialantsasatry ny mpianatra. Anisan’ny fahatsiarovana tena nanamarika ny fahazazako ireny fotoana ireny. Feno anay ny ati-ala sy tampon-tanety manodidina ilay tanàna kelin’Ambohinangavo, tanindrazan’i Bebe — tanàna roa ambin’ny folo tafo ka manana ambony rihana ny akamaroany, lalan-tany sahabo 12KM mandeha mianatsimo avy eo amin’ny PK 48 an’ny Lalam-pirenena faha-2, vakimpileovan’Amoronkay sy Vakiniadiana. Vakinifanongoavana moa no tena fiantson’ny mponina an’iny faritra Atsinanan’Imerina iny (jereo Firaiketana, Ravelojaona Mpitandrina, et al). Nahafinaritra anay ery ny nikirimba sy nioty goavy tsinahy sy voandrakotrana ary rotra tany anaty lobolobo sy nanao fangalapiery tany anaty akata sy kirihitr’ala.
Fony mbola natanjaka sy tomady tsara i Dadabe Rabezatovo dia notaritiny vao maraina izahay telo dahy handeha hanjono tery amin’ilay dobon-dRainingilo tery avara-tanàna. Ela fikenona anefa ny trondro tao ka tsy mba naharitra ela teo izahay ankizy. Naleonay nandeha nihazakazaka nanao fanenjika nanerana ny morondrano. Rehefa mafana aza ny andro dia nahavita niroboka tao anaty rano mihitsy izahay. Dia bedesin’i Dadabe izahay hoe be kotaba loatra ka lasa matahotra ny trondro, ary avy eo rohahiny handeha lavidavitra kokoa. Rehefa noheveriny fa lasa izahay ka tsy nahita azy intsony, dia iny navoakany tsimoramora ny tavoahangy nafeniny tao anaty sakaosiny. Dia teo izy sy ilay tavoahangy ary ny haranjonony no nijanona. Ary tsy niala teo izy raha tsy nasain’i Bebe niantso azy ny iray taminay hoe “modia amin’izay hono i Dadabe raha hihinam-bary.” Dia nampian’i Bebe hoe “Asaivo entiny mody daholo koa ny trondro azony fa ho endasintsika amin’ny tongolo gasy” na hoe “Tandremo sao laniany ao hono hoe ny trondro-dRainingilo fa mba amelao ny hafa.”
Vazivazy ihany angamba ny an’i Bebe fa raha ny tena marina dia tena indraindray tadiavina ihany aho vao mba nahita an’ i Dadabe nitondra trondro mody. Ny akabeazan’ny fotoana dia iny izy mody mijaikojaiko, amin’ilay famindrany somary valabalaka, mivimbina ny haranjono sy ny sakaosiny.
“Tsy nanaikitra indray angaha ny trondro androany ry Dadabe?” hoy ilay zandriko indray andro, teo am-pisakafoanana atoandro.
“Tena nanaikitra mihitsy ny trondro androany,” hoy i Dadabe, “Sady irony black bass nofosana tsara irony, fa hitako fa somary mbola vatombatony ireo azoko ka nampalahelo ahy, dia naleoko naverina tao anaty rano.”
“Aokeitsy!” hoy i Bebe, nisambotra resaka. “Laozanao misotro toaka gasy sy mandrevirevy bokaka fotsiny ka trondro inona koa no ho azonao eo?”
“Ambodivoara ho’a io fa tsy toaka gasy izany!” hoy ny valintenin’i Dadabe. “Angaha tsy fantatrao fa fanafody mampidina ny tosi-drà-ko izy io? Anontanio ny Profesora Damasy raha tsy mino ahy ianao e! Zavatra tsara noho ny whisky anie io ry Neningory e!”
“Aokeitsy, Dadabeza an!” hoy indray i Bebe, lokin’ny hehy, sady norohany ny handrin’i Dadabe. “Aza mamorona re fa fady lainga ange ny dobon-dRainingilo e!”
Dia nitsiky koa i Dadabe. Nahafinaritra anay ny nijery anazy mivady mifanadrohadro sy nifananihany toy izany. Tadidiko fa na dia niady sy nifanjana matetika aza rizareo, samy nanao kirin’antitra, dia tsapako foana fa tena nifakatia tsy nifankafoy.
Maditra ny Zanaky ny Andriamanjaka
Rehefa vao nametra-tsotro avy nisafako atoandro izahay tamin’izany dia nipetrapetraka niaraka tamin’izy mivady lehibe, nihinana voankazo vao notazana, ho tsindri-tsakafo sy handevonan-kanina, alohan’ny handehanana hilalao. Nihaino vaovao sy tantara mitohy amin’ny Radio Televisiona Malagasy izahay matetika, na rehefa mazoto i Dadabe dia resahiny izay zavatra fantany momba ny tantaran’ny faritra manodidina teo izahay, ka revo ery nanongilantsofina nihaino azy. Tamin’ireny resadresaka ireny no nahafantarako ny tantaran’ilay Dobon-dRainingilo tery avara-tanàna.
Taloha ela be tany hono dia nisy an’izany Andriamanjaka antsoina hoe Rainingilo (1277–1323) izany nitondra ny tany sy ny fanjakana teny amin’ny faritr’Amoronkay iny (jereo Radimilahy Alexis, Le Vakinifanongoavana avant Andriamanelo, L’harmattan/Sepia, 2001). Lehilahy faran’izay hendry sy matsilo izy ary tena mami-hoditra tamin’ny Ambanilanitra. Niroborobo tokoa ny toekarena. Tsy manana tarehimarika matotra aho ho zaraina aminareo fa raha ny tombatomban’ny mpahay toakarena dia nahatratra fara-faharatsiny hatrany amin’ny sivy na folo isan-jato isan-taona tany ho any ny fitombon’ny harinkarena faobe tao Amoronkay (jereo ohatra, Profesora Mahitsitoraka Jean de la Croix, “Les Premiers Habitants d’Angavo,” Memoire de These, 3eme Cycle, Sorbonne, 1971).
Samy nanaraka ny didi-aman-dalàna nifanarahana sy nifanaovan’ny besinimaro teny ierana na ny mponina na ny mpitondra mba hampilamina ny tany. Ary samy nanefa ny adidiny tamin’ny fanamboarana fotodrafitrasa iombonana. Anisan’ny zavatra mbola tavela tamin’izany ilay hadivory misy akondro mavokely filalaovanay, sy ilay fefiloha sy vahilava manaraka ny rianala miatsinanana iny. Niadana sy finaritra tokoa ny vahoaka nonina tamin’izany fanjakana tsara tantana izany. Nanambady an’i Barimaso, zanak’andriana be fitiavana sy tsara tarehy ary bikàna avy teny Ambohimiangoty, hono Rainingilo. Niteraka lahy tokana izy mivady, izay nomeny ny anarana hoe i Ngilo.
Rehefa nandeha teny ny fotoana dia tsapa fa nanomboka ho goragora ny fitsinjovana ny soa iombonana ary lasa nahazo vahana ny baranahiny sy ny fandikàn-dalàna. Novorian-dRainingilo ny Ambanilanitra hiaraka hidinika ny zava-misy. Dia nifanaraka ny daholobe fa tsara raha atsangana ny vaomiera manokana hitandro ny filaminana sy ny fanarahan-dalàna tao Amoronkay, ka i Ngilo, ilay zanaky ny Andriamanjaka lahitokana, mihitsy no nasaina nitarika izany vaomiera izany. Sarotiny tokoa i Ngilo sy ny mpiara-miasa taminy nampihatra ny lalàna velona nisy teo amin’ny tany sy ny fanjakana ka vetivety dia nihena ny baranahiny.
Ny omby indray matory anefa tsy miaraka mifoha. Mbola nisy ihany ireo tsy maty voalavo an-kibo te hanohy ny fahazaran-dratsy. Nanomboka ny fanomezana tsolotra ho an’ny sasantsasany tamin’ireo mpiara-miasa tamin’i Ngilo ahafanana mandika lalàna. Niverina tsikelikely ny baranahiny. Novoriana indray ny vahoaka. Dia tapaka fa ho foronina ny komity iray hanaramaso ireo mpitandro ny filaminana amperinasa mba hanaovan’izy ireo ny asany antsakany sy andavany sy mba tsy hisian’ny kolikoly. Dia najoro arak’izany ary ny komity mpanaramaso an’ilay vaomiera nitandro ny fanarahan-dalàna, ka i Barimaso, vadiben’ny Andriamanjaka, mihitsy no notendrena hitantana izany. Nofaizina mafy mihitsy (nomelohina ho faty ny akamaroany) ireo izay tratra nanome na nandray tsolotra. Rehefa natao anefa ny famotorana dia fantatra fa anisan’ny tena nandray anjara mavitrik tamin’izany kolikoly izany i Ngilo (Jereo ny lahatsoratra navoakan’i Mopera Rabetokotany Alphonse, s.j., tao amin’ny Gazetin’ny Jezoita, 30 Martsa 1924).
Sahiran-tsaina izaitsizy izy mivady lehibe momba ny hanaovana an’i Ngilo. Raha zanak’olon-kafa ilay io, dia efa nomelohany ho faty ary nolefonina tsy misy hatak’andro. Fa ny fon-dray aman-dreny moa tsy mba hoza-nofo fotsiny, fa taova tsy voabaikon’ny saina. Nila nanao safidy anakiroa mazava tsara izy mivady: na (i) hikatsaka ny filaminan’ny tany sy ny fanjakana ka hampihatra sazy mitovy amin’izay rehetra meloka, na (ii) hiaro ny ain-janany lahi-tokana ka handika ny lalàna efa natao teny ierana.
Tamin’ny ora farany dia naleon-dRainingilo sy i Barimso hono nanao veloma ny fanjakana tsara tantana, mba hiarovana ny ain-janany, ilay menaky ny ainy. Mazava loatra fa tsy faly tamin’izany fanapahankevitra izany ny Ambanilanitra. “Rehefa izany no izy, dia aleo samy tsy hanaradalàna fa iza no hanaiky ho gisitra eo!” Tsy ela taorian’izay — ny taona 1313 — dia nikorontana ambony ambany ka rava ho azy ny fanjakan-dRainingilo tao Vakinifanongoavana (jereo Mopera Rabetokotany Alphonse, s.j. op.cit sy ny lahatsoratra nataon’ny Misionera Britanika Rev. Alban Wright, The Concept of Justice in Madagascar, LMS, 1876).
Tomany tsy nisy farany hono ny azy mivady. Nafoy ny fanjakana hanavotana an’i Ngilo. Tsy nety ritra ny ranomasony ka raha ny lovantsofina sy ny tantara dia io Dobon-dRainingilo io hono no nanangonany ny ranomasony. Fady lainga sy kolikoly hono, arak'izany io dobo io. 1323 no taona nahafatesan-dRainingilo. Vetivety taorian’izay (1325) dia nisy namono tany Fierenana i Ngilo izay lasa halam-bahoaka fa niheraketraka loatra hono. Tsy mba fantatra kosa hoe inona no niafaran’i Barimaso.
“Rehefa hendry hono ny zanaky ny Andriamanjaka dia manjary hendry ho azy koa ny zanaky ny Ambanilanitra.” hoy i Dadabe namarana ny tantara. “Rehefa mihaompefy kosa ny Andriamanjaka dia manao toy izany koa ny vahoaka. Tsy fantatro loatra hoe iza no nilaza an’io fa tsapako sy ekeko ny fahamarinany. Ary manaporofo an’izany ny tantaran-dRainingilo, ary azo ampiharina amin’izao fotoana iainantsika izao koa izany.”
Mpiandry Tsatokazo Ikoizana
Matetika izahay rehefa tonga tany Ambohinangavo no nilalao baolina kitra niaraka tamin’ny ankizy teo an-tanàna sy ny manodidina rehefa folaka iny ny andro. Tamin’izany dia mpiandry tsatokazo foana no toerako. Raha ny marina dia tena tsy dia havanana loatra tamin’io toerana io mihitsy aho tany amboalohany. Fa dia hakamoana ny hiazakazaka fotsiny no nanosika ahy hanolo-tena hanao azy io. Ny ankizy tena nahay baolina tamin’izany dia niady ho anisan’ny mpanafika, na elatra havia io na elatra havanana, fa ny eo afovoany, ilay antsoina hoe avant-centre, no toerana tena nifandrombahan’ny ankizy, ary izay neken’ny besinimaro fa ikoizana ihany no nitazona io toerana io.
Ny mpilalao teny andohalaharana tokoa mantsy matetika no mamono baolina ka mahazo doka sy maro mpihoby ka lasa malaza. Ny any amin’ny vodilaharana, indrindra ny mpiandry tsatokazo, kosa dia tsy mba ankasitrahin’ny mpijery loatra ny ezaka ataony: tsy mba resahina raha mandresy ny ekipa, ary mahazo tsiny rehefa resy. Vitsy arak’izany ny ankizy nanolotena ho mpiandry tsatokazo, ka dia noararaotiko izany mba hidirako ho isan’ny ekipa. Tsy laitrako loatra mantsy ilay hitan-damba ery antsisi-tosy fotsiny kanefa ny ankizy rehetra samy manao izay ho afany eny ambony kianja avokoa.
Arakaraky ny niandrasako ny tsatokazo anefa no nanjary nahaizako ny fihetsika ilaina tamin’izany toerana izany. Lasa nahafinaritra ahy ilay izy ary dia nataoko tamin’ny fo tokoa ny andraikitra nankinina tamiko. Tsy ela dia lasa goal katraka sy nahay aho. Nampitolagaga ny tsoraka sy ny tsambikina nataoko hiarovana ny baolina tsy hampikobana ny haraton’ny tarika nisy ahy. Nanampy betsaka ahy koa i Dadabe (izay goal mpisolo toerana tao amin’ny Stade de l’Emyrne tamin’ny fotoan-androny): nampanao fanazaran-tena manokana isaky ny maraina, sy nanosotra an’ilay menaka antsoina hoe tsimahalalazefatra ny lamosiko alohan’ny hiakarana eny ambony kianja.
Vetivety monja dia niely eran’ny faritr’i Vakinifanongoavana ny lazako — nomena ahy daholo izao anaram-bosotra rehetra izao: Tamboho-Gasy, Manda, Castaneda-kely (France), Jean Claude-kely (Corps Enseignants), Jean Charles-kely (Saint Michel), Ferdinand-kely (SOTEMA), Parosy-kely (Akon’Ambatomena) sy ny sisa sy ny sisa tsy tadidiko intsony. Dia tonga nijery sy nifanandrina taminay “Voromaherin’Angavo” mihitsy ny tarika maromaro avy tamin’ny tanana manodidina sy manerana an’iny Vakinifanongoavana iny. Nisy ary ekipa avy tany Manjakandriana sy Mantasoa mihitsy aza nangataka raha afaka miandry tsatokazo ho azy hono aho amin’ny Lalaon’ny Faritra. Tsaroako tsara fa tamin’ny taona 1980 io ary roa ambin’ny folo taona aho tamin’izany. Lazaiko marimarina aminareo fa tena nigagana mihitsy izany Tojokelin’Ambohinangavo mpisambotra baolina kitra izany! Hatramin’izao, telopolo taona mahery taty aoriana dia toa mbola misy mahatadidy foana hono!
Hosodoko Hafakely
Rehefa tonga ny alina tamin’izany dia nanao ladina an-tany tao amin’ilay efitrano fatoriam-bahininy tao ambony rihan’ilay tranon-drazan’i Bebe izahay telo mianadahy. Nalalaka be io efitrano io, nisy varavarankely anakiroa ngezabe ny lafiny avaratra, ary ny lafiny andrefana kosa dia misy varavarana misokatra eo amin’ilay lavarangana fipetrapetrahan’izy mivady lehibe rehefa harivariva iny ny andro. Tsy dia fampiasandrizareo loatra izy io rehefa andavanandro fa ataony fitahirizana entana sy fanaka tsy ilaina. Na izany aza dia tadidiko fa maha-te honina sy maha-tamana.
Tsy dia nisy haingo-trano firy tao fa ankoatry ny sarin’izy mivady sy ny zanaka aman-jafiny vitsivitsy sy kalandrie Bankin’ny Tantsaha Mpamokatra sy SOLIMA, dia nisy sary hosodoko anakiroa efa tranainy nihantona tao. Ny voalohany dia sary somary lehibebe misy vehivavy vitsivitsy manetsa vary eny Betsimitatatra. Tsaroako tsara fa misy iray amin’ireo mpanetsa mibaby zaza. Dia tazana manjavozavo ery aoriana ery i Analamanga sy ny sorotsoritr’i Manjakamiadana sy Andafiavaratra. Ilay faharoa kosa dia somary kelikely, ary mampiseho tarehin’ankizivavy kely angamba roa ambin’ny folo taona eo. Norandranina ny volony ngitangita ka nampiseho tsara ny endriny baribary maso. Tambanivohitra zarazara hoditra mitsiky nefa tsapa fa somary menatra. Asa raha izaho no manonofy fa ohatry ny mitsiky sy mipi-maso amiko izany ilay ankizivavy io rehefa tena mandinika azy tsara aho. Tsy hosotra loko miharo menaka toy ilay voalohany izy io fa kisary vita tamin’ny pensilihazo sy lokorano manify dia manify, voaaro fitaratra.
Nahagaga ahy fa tsy dia tian’i Bebe loatra ny miresaka momba an’ireo hosodoko ireo, fa isaky ny nanontany aho dia tsapako ho lasa sorena be izy ary avadiny haingana ny resaka. I Dadabe koa somary sadaikatra dia avy eo mody fanina rehefa resahiko azy ireo.
Nahavariana sy nahasarika ahy fatratra ary nampipololotra ny aingam-panahiko anefa ny hakanton’ireo sary hosodoko ireo. Tao an-tsaiko dia noraisiko ho anisan’ny namako ireo mpanetsa sy ilay ankizivavy, ka isaky ny tonga namangy an’i Bebe izahay dia tsy maintsy nijanona kely nandinika sy niarahaba azy ireo aho.
Indray andro izay, izaho irery no tao an’efitra fa lasa niaraka tamin’i Bebe nilahatra vary sy savony ary menaka tany amin’ny tobim-pamatsiana izy dahy zandriko (mbola tao anantin’ny tsy fisiana nateraky ny revolisiona sosialista indrindra ny firenena tamin’izay). Dia naheno olona miteny aho.
“Ahoana ihany no hanaovantsika an’ity Ngilo malalantsika ity, Rainingilo a!”
Feom-behivavy. Nitoditodika aho fa tsy nahita olon-kafa tao an’efitra.
“Ary toa mitoditodika fotsiny re izato ianao e!” hoy ihany ilay feo. “Fa inona loatra no mahavariana anao izany ry Andriamanjaka o?”
Akory ny hagagako nahita an’ilay kalakely mirandrana eo amin’ilay sary hosodoko, mijery ahy sady niteny hoe: “Mihanta loatra, ho’a, ilay zanantsika ka mampikorontana ny vahoaka.” Tsy mitsiky intsony izy, ary tsinjoko ho feno fanahiana sy feno alahelo ny endriny.
“Ny zaza-tiana tsy itsitsiana rotsa-kazo, ry Barimaso an!” hoy ny navaliko azy. Tsy haiko loatra ny antony nitenenako an’izany. “Bedeso re izy fa mampikorontana ny fanjakako!”
“Tsy foiko ho bedesina fa lahitokana e!” hoy i Barimaso, somary miangotingoty. “Ianao no mibedesa azy e!”
Dia niteny koa ny iray tamin’ireo vehivavy mpanetsa, ilay mibaby zaza, ka nanao teny mivatambatana hoe:
“Ny fanjakana re tompoko tsy tokony hananan-kavana! Fa rehefa maditra ny zanak’andriana dia tokony ho faizina toy ny zana-bahoaka rehetra ihany.”
Dia mba niteny koa ilay zaza teny am-babeny, ka nibadabada hoe:
“Izaho moa lahitokan’ny Andriamanjaka ka mahazo manao izay rehetra tiako atao e?”
“Tsy misy an’izany lehiroa an!” hoy aho, tamin’ny feo hentitra dia hentitra. “Fanjakana misy lalàna ity, tsy misy olona ambonin’ny lalàna izany ka rehefa tsy manara-dalàna ialahy dia ho faiziko toy ny olona rehetra!”
Nigogogogo nitomany ilay zazakely naheno izany “Ho vonoin’i Dadanay hono izaho e!” Nanaraka azy nitomany koa i Barimaso, dia nitalao tamiko.
“Dia ampitovinao amin’ny zana-bahoaka kosa ve ny zanatsika e! Mba iangaro ihany re fa lahi-tokana tsy ananampiry anie izy io e!”
Gina tsy nahateny aho. Lasalasa ny saiko. Ny zanaky ny Andriamanjaka tokoa ve dia atao mira-lenta amin’ny zanaky ny vahoaka? Dia inona fotsiny izany no maha-Andriamanjaka ahy? Ny hampiadana ny ankohonako ve no tokony atao sa ny hampilamina ny fanjakako?
Mbola variana nieritreritra izay mahasoa ka tokony ho havaly an’i Barimaso teo aho no injany reko izy mianadahy zandriko miantsoantso avy teo an-tokotany hoe:
“Andao hono hiaraka amin’i Dadabe hanjono eny amin’ny dobon-dRainingilo o!”
Nataoko veloma vetivety ireto namako tao an’efitra dia lasa aho nandeha nanaraka an’i Dadabe sy ny Ambodivoara-ny ho eny amoron-drano. Tapaka tampoka kanefa mbola tsy vita tsara ny resakay sy i Barimaso ary i Ngilo.
Mpivaro-mandeha
Raha ny filazan’ny ray aman-dreniko dia mpivaro-mandeha no tena anton-draharahan’i Dadabe fony izy mbola tanoranora sy erotrerony. Tsoriko aloha fa tena tsy fantatro tsara, mandrak’ity ny androany, hoe inona tsara moa ny ataon’izany mpivaro-mandeha izany. Fa ny fantatro dia nandeha nitetitety tsena, nitety foara, nanao bazary, tany ankodahoda rehetra tany i Dadabe sy izany namany antsoina hoe Johachim Ramanitra izany nandritry ny fotoana naharitra, indraindray nihoatra ny telo volana, dia niverina mody dia nijanona tao antrano nandritry ny iray volana teo ho eo, dia avy eo lasa indray.
Raha lehilahy tsy nanambady no nanao izany dia mety tsy dia naninona loatra, fa raha efa nanambady aman-janaka dia kosa dia mety nanahirana ihany. Ny fankam-panahy rahateo moa betsaka eto amin’ity tany malama maina ity. Toa tsy nankasitrahan’i Bebe loatra ny fivezivezen’i Dadabe lava, sy ny fanaovany tsidi-pahitra. Vetivety dia nandeha ny resaka be teto an-tanàna hoe nanana vadikely isaky ny vazamototra ingahy Rabezatovo. Tsy fantatro aloha hatramin’izao ny fahamarinan’izany.
Siosiondresaka sendra henoko no nahalalako fa loka azon’i Dadabe tamina vazaha zanatany nilaozan’ny sambo antsoina hoe Mathieu de Montalban (mbola velona any izy io raha tsy diso aho, mamb0ly mangahazo any akaikin’i Miandrivazo any), tamin’ny lalao karatra poker fony izy mbola nanao varo-mandeha tany amin’iny faritr’Imamo sy Itasy iny ireo sary hosodoko nihantona tao amin’ilay efitrano fatoriam-bahiny ka nahafinaritra ahy ireo.
Lany hono ny volan’ilay vazaha, efa akaiky ho lany koa ny vola teny amin’i Dadabe. Kanefa toy ny mpiloka rehetra dia mbola nizizo sy nikiribby ihany izy roalahy hampiakatra ny fanamby. Tsara vitana i Dadabe: As anakitelo no niakatra nameno ny sivy anakiroa teny antanany. Tsy nanana vato ajoatry ny folo anakiroa sy valet singany kosa ilay vazaha. Tsy nanaiky izy fa nalainy daholo izay hitany fa azo nalaina tao antranon’ilay vazaha, dia ireo hoso-doko anakiroa, radio lehibe anakiray, ary famataranandro mipetraka amin’ny rindrina.
Tsy haiko izay nalehan’ilay radio sy ny famataranandro fa angamba very teny an-dalana, na novarotana hamenoana trosa. Fa kevoka sy dedaka ery hono i Dadabe nitondra an’ireo hosodoko anakiroa nody tany Ambohinangavo. Akory anefa ny hagagany fa hatezerana tsy misy ohatr’izany no nitsenain’i Bebe azy. Nanao fiainana be loatra, niloka sy nigoka, hono i Dadabe tamin’izany. I Bebe moa taizan’ny misioneran’ny London Missionary Society teny Maharidaza sy ny Sekoly Protestanta tao Mantasoa ka tena tsy nankasitrahiny mihitsy izany fitondran-tenany izany. Ny niafarany dia nipoaka ny sarom-bilany ary nisafoaka i Bebe.
Toa tsy tsapan’i Dadabe akory fa saika laniny tany am-pivahinihanana tany ny fananan’izy mivady. Iray volana angamba i Bebe tsy niresaka taminy. Taorian’izay (1971 indrindra) dia nijanona tsy nanao varo-mandeha intsony i Dadabe, fa nipetraka tsara tao an-tanana namboly sy niompy mandra-pahafatiny tamin’ny 1995. Valopolo taona i Edmond Rabezatovo no maty tapaka lalan-dra, ary milevina eny amin’ny fasandrazany eny Fenoarivo.
Tamin’ny 2002 dia nalain’ny ray aman-dreniko niara-nipetraka taminy tany Ampandrana Ambony i Bebe fa efa nanomboka ho osaosa ka nahiana ho tsy hahakarakara ilay tranon-drazany eny Amoronkay intsony. Na amin’izao fotoana hanoratako izao aza dia mbola tsy tian’i Bebe loatra ny mamerina miresaka iny vanim-potoana nanaovan’i Dadabe varo-mandeha iny, fa anisan’ny fotoana nampalahelo sy sarotra teo amin’ny fiainany hono ka tiany ho adinoina.
Fanadinoana sy Fahatsiarovana
Misy zavatra tokoa vetivety dia tsy tsaroana. Misy hafa kosa toa tsy mety adinoina. Mbola tsaroako tsara foana hatramin’izao fotoana izao, efa ho maherin’ny telopolo taona aty aoriana, ny antsipirihan’ireo sarikanto anakiroa ireo tao amin’ny efitra filasianay. Tadidiko tsara fa nisy sonia hoe “Razana Maniraka 1932” eo amin’ny sisiny ambany havanan’ilay hosodoko lehibe. Ilay kely indray dia nisy soratra manao hoe: “Joseph Ramanankamonjy, 1942, Petite Paysanne, Madagascar.”
Tsy dia nasiako eritreritra loatra tamin’izany fotoana izany ireny soratra kely ireny fa hakanton’ny sary ny nahasarika ny masoko sy ny saiko. Raha tsy taty aoriana mihitsy rehefa nikarokaroka tamin’ny anterineto aho, tsy fantatro fa hay tena vakoka sarobidy tokoa ireo hoso-doko nihantona tao amin’ilay efitra fatoriam-bahin’i Bebe ireny. Raha tsy taty aoriana mihitsy aho tsy nahalala fa hay tena anisan’ny Andrarezin’ny haikanto Malagasy tokoa izany Razana Maniraka (1900–1944) sy Ramanankamonjy (1898–1982) izany (jereo ohatra ny bokin’i Andrianetrazafy Hemerson, La peinture Malgache, Foi et Justice, 1991), niaraka tamin-dry Ramanda sy Rakotovao tao amin’ny Ecole de Beaux-Arts de Tananarive.
Tamin’ny dianay farany tany Madagasikara tamin’ny 2014, dia nandeha nitsangatsangana tany Ambohinangavo izahay mianankavy kely. Mba tiako ho hitan’ny vadiko sy izy dahy zanako mantsy ny toerana nahalehibe ahy. Mpivady vao, mbola tanora sady sariaka be, avy any Mantasoa izao no manofa sy mipetraka ao amin’ilay tranon-drazan’i Bebe fivantananay fahiny. Hitako fa voakarakaran’izy mivady kely tsara ny trano sy ny tanana ary ny tanimboly manodidina. Vao nahita ahy ny lahy dia nanontany:
“Ramose ve tsy i Tojokely, ilay mpiandry tsatokazo malaza tao amin’ny Voromaherin’Angavo e?”
“Eny!” hoy aho sady nitsiky. “Izy indrindra. Mba mahatadidy koa ianareo izany an!”
“Ahoana moa Ramose no tsy hahatadidiavana an’ireny. Izahay mbola kely tamin’izany fa ny zokinay no niaraka taminareo.”
“Hay ve? Iza tamin’ireny moa ny zokinao?”
“I Tsimba, elatra avia izy tamin’ireny.”
“Hay ve ialahy zandrin’i Tsimba e!” hoy aho, somary nandainga. Raha ny tena marina dia tsy nisy tadidiko na ny anarana na ny endriky ny mpiray ekipa tamiko tamin’ireny fotoana ireny. “Manao ahoana ileiry any? Aiza iledala izao?”
“Maty nisy namono tamin’ireny korontana tamin’ny 2009 ireny anie izy e!” hoy ny valiteniny. Valinteny tsy nampoiziko. Ankina tsy nahateny aho ka mody niondrikondrika sy nijerijery ny manodidina teo aloha.
Talohan’ny nadehananay dia nanontaniako raha mbola mihantona ao amin’ilay efitra ao ambony ireo sary hosodoko anakiroa nanamarika ny fahazazako. Dia nolazain‘izy mivady kely fa tsy mbola nahita an’izany sary hosodoko izany mihitsy hono izy.
Teny an-dalana niverina ho any Antananarivo aho dia nieritreritra ny hanontany an’i Bebe hoe lasa aiza ireo sary hosodoko anakiroa tao amin’ilay efitra fatoriam-bahiny tany Ambohinangavo. Nony tafaverina tany Ampandrana Ambony anefa izahay ny harivan’iny dia tsaroako tampoka fa tsy tian’i Bebe mihitsy ny miresaka momba an’ ireny hosodoko ireny. Efa osa dia osa, dimy amby sivifolo taona, efa nanomboka verivery tadidy i Bebe tamin’izany ka tsy sahiko, tsy foiko, noresahina zavatra mety hahasorena azy.
Mandrak’ity ny androany dia mbola tsy fantatro ihany izay niafaran’ny sary hosodokon-dRazana Maniraka sy Ramanakamonjy nihantona tany Amoronkay. Indraindray anefa ohatry ny mbola tiako ho tohizana ilay resaka tapaka tampoka nifanaovako tamin’i Barimaso mikasika an’i Ngilo. Resaka efa ela be kanefa tsy mety afaka ao an-tsaiko.