Franky

Tantara manirikiry na La mort de Ramalagy

Soamiely
On Madagascar
8 min readJul 13, 2016

--

henoy eto ny tantara velomin’i Sarobidy sy Na Hassi

Kanto tena kanto anie ny takarivan’i Vohitsara rehefa mody iny ny masoandro e! Indraindray miova tampoka ho volomparasy iny mangam-bodilanitra eny andrefan’i Betsimitatatra iny rehefa avy nivadika ho volomboasary, dia avy eo mena midorehitra. Sady sarimihetsika vita ho azy no fahafinaretana tanteraka ho an’ny mason’izay sendra azy ka mahay mankafy ny hakantony.

Misy tamboho fipetrapetrahana izay eo ambany avaratry ny Eglizy Katolika etsy Andohalo. Eo aho matetika no mibanjina ireny minitra vitsivitsy fanaperana rehefa tojo ny antsoin’ny poeta fahiny hoe “harivariva mahatsara vahiny.” Ny ahy kosa dia “harivariva firavan’ny mpianatra” no ilazako azy. Rehefa tena madiva hiletika iny tokoa mantsy ny masoandro ka mandefa ny farapara-tara-pahazavany maroloko hanaingo marevaka ny tehezan-tendrombohitr’Analamanga sy Faravohitra ary Ambohijanahary, dia indreny mpianatra voatavo tsy mifandraka anarivony mipoitra ka poa tahak’izay dia hipoka tablie miloko isankarazany iny faritry ny La Haute Ville iny. Asakasak’ireo tsy finaritra e!

Volana Jolay tamin’izay hariva izay. Tsy tsaroako ny taona. Andro ririnina. Ririnina mamirifiry. Samy nanao izay ho afany nikafiry izay sombin-kafanàna kely azony nosamborina avy tamin’izay tara-masoandro kantoloko tandrify azy. Teo amin’ilay tamboho indrindra aho tamin’izay no indro nipoitra tampotampoka ka nijorojoro teo anoloako i Franky. Tovolahy mitovitovy taona amiko, nofosana kanefa tsy matavy, tsy lava kanefa tsy azo atao hoe fohy koa, zarazara hoditra, manao irony parka maitso lomotra fitenan’ny miaramila irony, manao irony volo randrana fisalotry ny rastafariana irony.

“Mikisaha kely hoe ialahy RaFranky fa aza manakona ny anjara masoandroko a!” hoy aho mantsy azy. “Makà toerana eto akaikiko dia samy mba mahazo isika roalahy e!” Tsy nampaninona ahy loatra ny niaraka nipetraka taminy teo fa zarako aza misy olona hiresahana mandra-piandry ny rafotsikeliko hirava avy tao amin’ny Lycée Gallieni.

“Kobon’ialahy ve i Ramalagy?” hoy izy rehefa nahazo toerana izy. Somary nibaradaka sy niraikidela ny fiteniny ary didy ny masony. Asa raha azoko atao hoe sakaiza, asa raha azoko antsoina hoe namana, andao angamba lazaina hoe tary akama mpiray tanàna ileiry.

“Tena tsy koboko leitsy izany Ramalagy izany, Ra-Franky an! Fa ahoana?”

“Tsy fantatr’ialahy ve ilay tary mipetraka ao Anjamalamasina iny?” Sady niresaka ihany i Franky, ilay tary akama mpiray tanàna amiko, no namoaka ilay fonosana taratasy niendrika sigarety avy any anaty kitapony. Nitoditodika kely izy dia narehetiny ilay tizy. Rehefa nisintona indroa na intelo izy dia natolony ho ahy ilay fonosana kely mirehitra ila, dia mba naka gaoba kely aho — mba fahalalampomba ihany fa tsy dia mba mandraindray an’itony zava-mampidegany sy mahadizina itony loatra aho amin’ny andavan-andro. Kofona. Tsy zatra.

“Tena tsy fantatro an! Na izany Anjamalamasina izany aza mbola tsy hitako. Maninona hono iledala?” Naveriko tany aminy ilay fonosana rehefa avy nisintona fanindroany aho. Nafanafana nahafinaritra tao an-tratrako ny setroka mahadizina. Nampanadino ny hirifirin’ny ririnina mangatsiaka.

“Maty ange ileiry e! Handeha hamangy sy hiandry faty any isika rahalina raha mazoto te hiaraka amiko ialahy.”

“Tena tsy fantatro leitsy izany bandy maty izany ka!” hoy indray aho, namerina ny nolazaiko fa ohatry ny tsy henony tsara angamba ilay efa nolazaiko indroa talohan’izay.

“Tena c’est tellement triste. Maty tampoka tamin’ny Alahady maraina teo ilay pauvre mec an! Tao antranony tao Anjamalamasina.”

Asa loatra izay antony fa mba tian’i Franky ny miteny vazaha rehefa miresaka indrindra rehefa nahazoazo kely izay izy. Manirikiry mihitsy. Manomboka amin’ny fampiasana voambolana tsotra toy ny hoe “mec” na “putain” na koa “merde”. Dia miditra tsikelikely ny teny anglisy indray “c’est trop cool” na hoe “come on, leitsy e!” na koa hoe “we can do it, leitsy e!”, dia arahin’ny “c’est du fucking shit” na “aleo ny reve hi-roll!” Rehefa tena dizina izy dia tonga amin’ny hoe “qu’est-ce-qu’on attend pour etre heureux?” sy ny hoe “de qui se moque-t-on?” Indraindray ary dia mivadika teny vazaha rano iray ny resaka. Dia lazainy fa manavanana azy kokoa hono izy miteny vahiny noho ny miteny Malagasy.

“Hay?” hoy aho. “Ary ohatry ny miha-betsaka koa ny olona maty rehefa andro Alahady maraina izany a! Fa naninona leaza?” Tena tsy fantatro ilay olona resahiny, kanefa tsapako fa mba mila niteny zavatra ihany aho mba hitohizan’ny resaka. Mba hamenoana ny fahanginana. Hanentsenana ny fahanginana.

“Personne ne peut choisir ny andro ahafatesany, leisty e!” hoy ny navalin’i Franky. “Tora-bato avy any an-danitra anie io ka izay voa manodidina e! C’est la vie. Enfin, c’est la mort, quoi. That is life. And death.” Lokin’ny hehy izy avy niteny an’io. Na dia tsy azoko loatra aza izay tena tian’ileiry ho lazaina, dia mba nitokelaka niaraka taminy koa aho. Vao maika aho fanina nihaino azy nampifangaro Malagasy sy teny vazaha.

“Marina mihitsy izany!” hoy aho. “Izay voa manodidina tokoa, ry Franky an! Ary maninona ialahy no miteny vazaha amiko e?”

Tsy novaliany io fanontaniako io. Samy lasamborona ka tsy nisy niteny izahay mirahalahy nandritry ny elaela. Izy moa variana misintona mafy sy maka fafiny amin’ilay vinan-drongony teny an-tanany. Izaho sady variana mijery ny hakanton’ilay masoandro mody no mandinika an’i Franky. Tsinjoko nisy kavina diamondra kely namirapiratra teo amin’ny sofiny ankavia.

Tsy misy izay tsy nahalala an’i Franky raha mbola olona nipetraka manodidina an’Andohalo iny. Hatrany Imarivolanitra ka hatrany Anjohy, eny hatrany Ankaditapaka sy Ambohipotsy. Vitsy dia vitsy anefa no tena mahafantatra ny momba an’i Franky. Ny fantatro dia mpitondra mpizahatany na ‘guide touristique’ no asany, ary hita matetika mitarika vazaha eny Anatirova izy. Havanana amin’ny teny vahiny isan-karazany tokoa izy. Ankoatra an’izay dia aleoko tsorina fa tsy nahafantatra n’inon’inona momba an’i Franky aho.

“Fa naninona ho’a ilay razoky maty tamin’ny Alahady maraina e?” hoy indray aho nony kelikely.

“Comme ca fotsiny ka! Sendra maty un bon matin de dimanche fotsiny ileiry kah!” hoy ny valinteniny. “Tsy tena nisy antony manokana angamba fa tamin’izay izany no sendra nipaika ny ora fiaingany!”

“Tsy azonao ny fanontaniako, rahalahy,” hoy aho.

“Hoaray marina, azafady a!” hoy izy, ohatry ny tezitra tampoka ka nisedaotra. Ny didimaso menamenany amin’io mivandraka be amiko. Ny lelany moa efa miraikitra be ihany. “Putain, mec! Aza mifanao ‘ianao’ mihitsy aloha raha tsy efa tena samy mamo an! Ça va pas, non! By the way, parfois a l’aise kokoa aho miteny vazaha.” Maha-sarotiny azy mihitsy io resaka ‘ianao’ sy ‘ialahy’ io, kanefa nodiako tsy hita izany fahasorenany izany.

“Tsy azonao ny fanontaniako, ry Franky an! Angaha misy mamo izany eo e! Ny tena tiako ahatongavana izany dia hoe fa naninona ileiry no maty? Inona ny antony nahafaty azy e!”

“Ah bon! Arret du cœur. Nijanona ny fony. Son cœur s’est arreté soudainement e! Tout bêtement. Comme ça. Shit happens.”

“Lalina koa izany an!” hoy aho,mbola sondriana dia sondriana mijery an’ilay vodilanitra miovaova loko. Lasalasa ny eritreritro mijery ilay masoadro miletika tsimoramora ery Ambohimanoa. Ao no milevina ny raibeko avy amin’ny reniko. Izany ka lehilahy. Izany ka olombelona. Izany ka Malagasy. “Izaho aloha raha afaka mifidy ny andro ahafatesako dia aleoko maty Alakamisy an! Toa manahirana be ilay maty Alahady, sa ahoana hoy ialahy?”

“Il était encore si jeune an! Il n’avait même pas trente cinq ans, Ramalagy!” hoy izy. Samy variana nijery ny hakanton’ilay masoandro mody izahay roalahy ka tsy nifampihaino. Samy nanohy sy niteniteny izay tao an-dohany avy ka tsy tena nifanojo loatra ilay resaka tsisy lohany tsisy vodiny. “Heureusement qu’il n’était pas marié et n’avait pas encore d’enfants. Lucky guy!”

“Tena tsy fantatro mihitsy leitsy izany Ramalagy resahin’ialahy izany an!” hoy indray ny naveriko. Dia notohizako ihany ny vela-kevitro. “Ny tena mba tiako izao dia maty Alakamisy na Zoma dia alevina Alahady. Amin’izay tsy voatery maka permission handehanana mandevina ny havana aman-tsakaiza. Raha maty Alahady ialahy, ka tsy voalevina Alatsinainy, dia mila miandry Alarobia na Alakamisy.”

“No entiendo!” me disait-il, en espagnol cette fois. “What are you talking about, Dude? Non capisco.” Indreny fa efa nanomboka nirava ny mpianatra. Nandalo tsikelikely teo akaikinay ny mpianatra namonjy fodiana sy ny mpitsena azy. Vetivety foana dia ho rakotra tablier manga tanora iny lalan’Imarivolanitra iny.

“Koa iza no handevina an’ialahy andro Talata graobaka eo? Ny Alarobia tsy miverina moa mangony fotsiny, tsy laitrako loatra. Manjary mila maka congé efatra andro ny olona.” Tazako efa mamikiviky ery lavitra ery ilay rafotsikeliko sy ny tablier-ny. Mamy anie izany e!

“Quatre jours c’est beaucoup en effet surtout si tu n’es pas un cadre supérieur ou CDI dans ta boite! En fait, tu sais de quoi il est mort ton fameux Ramalagy? I really do not know.”

“Fa angaha indray tsy hoe nijanona ny fony?” je lui ai demandé.

“Hay ve? Really?” Franky avait l’air surpris et etonné. Samy fanimpanin’ilay bozakafifoka sy jenjijenjin’ilay resaka tsy an-tany tsy am-parafara angamba izahay roalahy. “C’est grave an! Arret du cœur? Il était encore jeune anie e! Mais putain de vie de merde!”

“Il travaillait beaucoup ce Ramalagy?” Gaga ihany koa aho. Na izaho aza toa lasa niteny Frantsay tampoka teo. Hoay lelika! Inona ary ity? “C’était peut-etre la fatigue qui l’a tué?”

“Aucune idée, leitsy,” me repondit-il. “Tena tsy tena fantatro mihitsy an! Izaho ange tsy tena mahalala an’izany bandy resahin’ialahy izany mihitsy e!” Efa tafaletika tanteraka ilay masoandro, ka mandefa taratra faraparany sisa, toy ny tsipaky ny miala aina. Un peu comme la langue Malagasy, d’ailleurs. Tsipaky ny miala aina. Les coups de pieds d’un mourant, quoi!

“Ilay bandy iza moa leitsy?” lui demandais-je. J’avais hâte de terminer cette conversation rocambolesque. Efa akaiky rahateo ilay rafotsikeliko.

“Come on, mec! Ilay Ramalagy resahin’ialahy io e!” s’ecria Franky. Nisintona mafy amin’ilay fonosana ileiry dia natolony ahy ilay tizin-jamala fa tsy nalaiko. Izaho mbola kely sady mbola mianatra. En plus, j’étais deja bien éméché.

“Iee!” J’essayais tant bien que mal de comprendre cette conversation sans queue ni tête et interminable. “But I thought you told me that he died on Sunday?” Nivoaka tampotampoka ho azy hatramin’ny teny Anglisy marina.

“He died?” Il etait vachement surpris et choqué. “Are you serious? Tu racontes n’importe quoi! Serieusement? Je l’ai vu ce matin. Je lui ai même parlé de toi! Mais qui l’a tué?”

Je n’arrivais plus à suivre la conversation étrange avec ce pot-head. Je sentais la migraine s’installer sérieusement dans mon hypothalamus. Heureusement qu’à ce moment precis, ma petite copine est arrivée. Nous nous embrassâmes. Elle me donna son cartable à porter, et nous partîmes sans prendre congé, la main dans la main comme dans les films. Contents et heureux.

L’horizon se transformait en couleurs successives: violet, orange, rouge feu, à l’ouest de la plaine sacrée du Betsimitatatra. Franky était resté lá tout seul sur le tamboho, admirant la fin de ce cinéma psychédélique, un vrai plaisir pour les yeux des appréciateurs de beauté. Il souriait. Il avait l’air d’un con avec son joint. Lamentable. Le soleil, lui, il était déjà parti. Le soleil est mort, comme on le dit si bien à Anjamalamasina. A bit like Ramalagy. Un peu comme le Malagasy. Pour de bon? Peut être, surêment pas.

Mbola ho avy indray hono ny maraina ka hitondra hafanana sy hazavana ary fanantenana. Angamba. Enga anie.

--

--

Soamiely
On Madagascar

Favorite Palindrome: Was it a car or a cat I saw?