
Ilay dimbaka avy any Andavamamba
(nindramina avy amin’ny sanganasan’i Angelo Rakotomanga aka Lolo Sy)
Asa ianareo raha mba ohatra ahy, ka indraindray mba manontany tena hoe mba lasa aiza, mba manao ahoana re izay ireny ankizy niara-nilalao tamiko taloha ireny e. Anisan’ireny i Lemizo, namana mpiara-mianatra tery amin’ny Saint Joseph tery Ambodin’Andohalo. Tary tsotsotra mahafinaritra, sy tia manonofy atoandro izay ileiry raha ny fitadidiavako azy. Efa ho telo-polo taona angamba izahay mirahalahy izay no tsy nihaona. Nandeha nitsidika azy tany antranony tao Andavamamba aho (mbola ao foana ileiry e!), ka tena nahafinaritra ny niresadresaka indray.
Tantaraiko anareo fa i Lemizo anie any ka efa tena olon-dehibe. Any ileiry any, efa misimisy volofotsy. Toa salama tsara izy na dia lasa somary valabalaka famindra izay aza. Lobaka makarakara manga sy mena, pataloha hasimanga, ary ireny kiraro baoty western ireny no nanaovany tamin’izahay nifankahita. Guide touristique hono no asany teo aloha kely teo: Mitondra vazaha mitsidika sy mitetitety an’i Madagasikara. Ohatry ny mba nandeha tsara ihany ny bizina. Fa nony tonga ireny kirizin’ny sivy sy roa arivo ireny dia tsy dia nisy mpizahatany firy intsony. Somary sahirankirana hono i Lemizo izao fa vitsy ny kil. Hita matetika mihainohaino sy manampy ny reniny ao Andavamamba iledala.
Ny Dadan’i Lemizo anie hono ka efa maty efa ela be. Tamin’ny fotoanan’ireny bemangovitra ireny. Narary telo andro hono dia tsy tana fa lasa. Raha tsy diso aho, 1984 angamba ny taona tamin’izany. Na 1985. Vao afaka BEPC indrindra i Lemizo tamin’io taona io. Afaka BEPC fa tsy afaka seconde. Dia nanapaka hevitra iledala fa ajanona ny fianarana. Ka lasa nanampy ny reniny tamin’ny varobarotra kely isankarazany izy. Asa raha tadidinareo i Marikatisoa zokiny: efa nanambady zandary izy, ary lasa nanaraka ny vadiny tany Fenoarivobe tany. Dia i Lemizo sy ny reniny sisa no tavela tao Andavamamba.
I Lemizo koa anie hono ry ireto ka efa nanambady. Natao mariazy tamin’ny faraparan’ny taona sivy folo ireny izy sy i Baomijijy. Niteraka telo, iray vavy sy roa lahy, rizareo. Fa efa nisaraka fa toa naditra hono i Lemizo. Vao nanomboka ilay asany miaraka amin’ny vazaha iny iledala dia tsy dia hita firy tao Andavamamba intsony. Dia nisy nitantara tamin’i Baomijijy fa hoe nanana ny sipa isaky ny faritany teteziny hono izy. Ikala koa moa saropiaro be izay ka tena tsy tantiny: nentiny ny ankizy telo dahy, noraofiny ny entany, dia lasa izy niverina teny amin’ny ray amandreniny teny Ambohimanarina. Dia i Lemizo sy ny reniny indray sisa no tavela tao Andavamamba.
Ny vovon’i Lemizo anie ao ka efa biriky vita lalotra sy mitafo fanitso. Nisy fotoana niroborobo be ny varotra nataon’i Lemizo sy ny reniny. Nivarotra tsakitsaky sy sakafo atoandro teny amin’ireny orinasa Zone Franche teny Andraharo ireny izy mianaka. Nandeha tokoa ny varotra ary izay vola voaangony dia nentiny anatsarana tsikelikely ilay trano fonenany. Tsy ela dia lasa lehibe ilay trano fa tsy toa ilay daba miampy fem-barika nipetrahany taloha intsony. Ny anadahin-drenin’i Lemizo koa moa mpiasan’ny JIRAMA tamin’izany, ka vetivety dia tafiditra jiro sy rano ilay trano tao Andavamamba.
Nisy rahalahin-drain’i Lemizo nanana taxibe. Dia nisy fotoana hono izy nanao saofera nijoky betax tamin’io dadatoany io. Nahafinaritra azy ery hono ny mitondra mpianatra manao taingim-be, amin’iny zotra 119 mankeny Ankatso iny. Dia mbola io dadatoany io koa no nanana fiara 4x4 mitety an’i Gasikara, ka nampiditra azy ho guide touristique. Nampiana-tena hono i Lemizo, ary lasa tena matihanina amin’ny resaka fizahan-tany, no sady lasa tena havanana amin’ny teny vahiny. Indrindra moa fa ny teny Angilisy.
Nolazain’i Lemizo tamiko fa nisy Amerikana vavy izany hono efa nampanantena mihitsy ny hanafatra azy hitsidika azy any Kalifornia. Fa mbola tsy hay tsy hay aloha hatramin’izao, na resaka fotsiny ireny na tena izy. Fa lazaiko marimarina aminareo fa tena mbola nofinofin’i Lemizo foana anie hatramin’izao ilay hoe ho any Zamerika e! Tsy mitsahatra ny mandrevirevy ny ho any Tegizasy mihitsy iledala. Tena mbola tsy niova mihitsy ilay dimbaka akamako avy any Andavamamba.