Kiraro

Soamiely
On Madagascar
Published in
8 min readDec 1, 2016

Andro Zoma. Tokony tamin’ny dimy ora hariva teo. Rakotra olona sy fiarakodia ny eny Analakely. Mamonjy fodiana na ny mpiasa na ny mpianatra. Tsy tsaroako intsony na ny taona na ny daty. Angamba tany amin’ny voalohandohan’ny volana Oktobra tany. Mbola vao nanomboka namonina ny zakaranda. Mbola tsy tena nilatsaka ny orana ka nafanafana nanevokevoka izany ny toetry ny andro teto Antananarivo.

henoy eto ny tantara velomin’i Hajaina

Iny i Flavien Rabelazao sempotsempotra niakatra tsimoramora ilay tohatohabato mihazo an’Antaninarenina rehefa avy nanotrona Antsan-tononkalo niarahan’ireo poeta sakaizany, nokarakarain’i Riambola sy i Tahirintsoa, tao amin’ny Tahala Rarihasina tetsy Analakely. Tampotampoka teo, indro tsinjony avy teo an-kavanany vehivavy anakiray nisosososo, toa tsy mba naka sarotra akory nisongona azy. Taitra tokoa ny anao lahy nahita an’ilay kalakely namikavika mafy nianika ilay tohatohatra mideza.

Tsy dia ny fidoladolan’ilay fitombenana nofosana miendrika gitara asongadin’ny finjifinjin’ny pataloha hasimanga loatra anefa no nanaitra ny ati-dohan’i Flavien. Efa zavatra fahitany isan-andro manerana ny arabe sy ny lalan-kelin’Ivohitsara ny toy ireny. Tsy ny volo lava mitopatopa sy misafosafo ilay lamosina midadasika sy tsara jaridina fonosin’ny tisaorita mainty manara-batana loatra koa no nampihiratra ny voamasony efa tady ho ditsoky ny setroka sy ny loton’ny rivotra iainany. Tsy ilaozam-behivavy tsara bika tokoa mantsy raha ity tanan’Antananarivo, renivohitr’i Gasikara ity, na sipa bonbon vorona io na ampela zaza hendry.

Zavatra hafa mihitsy no naharevo ka nambabo ny fanahin’ilay sakaizantsika dia tsy inona fa ilay kiraro volomparasy tazany teny itongotr’ilay kalakely vao nisongona azy teo.

“Izany ka kiraro!” hoy i Flavien vaky vava teo am-pibanjinana avy alavitra ilay tovovavy mavitribitrika famindra. “Izany ka vehivavy!” hoy ihany izy tafajanona tampoka sady nisento mahery ka nampitsamboatra ilay zazalahy niakanjo voron-kitsay nifanindran-dalana taminy, ary nampangarika ilay rafotsibe nilanja harona feno rovidamba nijaikojaiko nifanena taminy. “Mba jereo tsara ny lalana izoranareo, ry ilay alikalahy ity an!” hoy ny kitakitan’ilay rafotsibe kizitina.

Kiraro tsotsotra ihany ilay izy rehefa tena jerena. Irony kiraro fitondra mihazakazaka sy fanaovana fanatanjahantena na zumba irony, vita amin’ny hoditra-faosika sy lamba miloko volomparasy antitra ny tenany ary mavoadala mazava-alina ny faladiany sy ny tadikiraro. Raha olona hafa angamba no nanao an’ilay kiraro mety tsy dia nanaitra azy loatra. Asa na ilay kiraro no nampitombo endrika an’ilay mpitena, na ny bikan’ilay mpitena no nampisongadina ny kiraro, fa ny hitan’i Flavien aloha dia fahasambarana ho an’ny masony ny nijery ireo roa niaraka. Fanaperana tena faran’izay zokiny indrindra ka nampientanentana ny tao ambava-fony.

Nisamboaravoara be ihany ny ati-fanahin-dratovolahy. Zendana. Potika. Laovy. Iza tokoa moa no nanampo fa ireny kiraro ireny anie ka mety ho tsela-pitikafo kely hampibalelaka ny afom-pitiavana voakobona lalina tao anaty? Tao anatin’izany savoritaka anaty tsapany izany dia tapa-kevitra i Flavien fa hanandrana hampiara-dalana ka hanaka-dresaka amin’ilay vehivavy. “Kaotiko iny ary tsy avelako raha tsy zakako,” hoy ny feon’ny fieritreretany velombolo sy vonombonona. “Izaho izany ilay poeta mba handeha hikaoty sipa. Tsy mila basy na poleta, poezia dia samy vita!” Na dia efa lanaka noho ny dia-tongotra sy ny fiakarana ilay tohatohabato mideza aza izy dia mbola nikiribiby ihany ny hanafaingana ny famindrany hanaraka an’ilay kiraro sy ilay kalakely misalotra azy.

Na matanjaka sahala amin’ny inona aza anefa ny hoza-tsaina, rehefa tsy vonona ny hoza-pe dia tsy ho lasa lavitra na rahoviana na rahoviana ny olona iray. Nitaky tokoa ny fifohana sigara Melia bleue sy ny fisotroana Dzama “single-fary 12 taona am-barika” ary indrindra ny fingitrihana “classes de gym” tany an-tsekoly. Tonga amin’ilay antsoin’ny ankizy hoe manana “gaban’artista” na “gabarit-an’ny poeta” tokoa i Flavien. Keliendaka iledala ka tsy ampy lazonady. Tsy nandingana zana-tohatra roa ambin’ny folo akory izy dia nivoaka sempotra sy nanevika ohatr’ireny avy niakatra an’i Tsiafajavona ireny, ary nila nipetraka naka aina kely teo ivelan’ilay ivotoeran’ny rainiboto ery antehezan-tohatohabato ery. Nandrehitra sigara kely aloha izy hakana tanjaka. Ilay rakalakely mba nandrian’ny masony sy nanaitra ny fony anefa amin’io mbola nanohy ny diany ihany ary tazany fa efa kely sisa dia ho tonga tery amin’ilay zaridaina mahafinaritra ery an-tampon’Antaninarenina.

Nony ela ny ela, tonga tery an-tampon’ilay tohatohabato tsy misy fiafarany ihany i Flavien. Efa nisohiaka ny anao lahy. Nandrehitra sigara kely indray aloha izy hakana tanjaka. Kotsan-katsembohana tanteraka, ka niraikitra an-kodiny, ilay somizo tsara pasoka mavokely nanaovany. Indrisy anefa fa efa tsy tazany intsony na ilay olona na ilay kiraro narahiny. Tomefy olona tanteraka ny zaridaina. Fanaon’ny mpiasan’ny ministera sy ny banky ihany ny miaraka makamaka aina eo alohan’ny andehanany mamonjy ny tokatranony tsirairay avy. Nanampy trotraka an’izany koa ilay hetsika nokarakarain’ilay vondron’olompirenena Mifohaza Gasikara, izay tsy mitsahatra mitaky ny mangarahara, miady amin’ny fahalovana, ary miaro ny zonolombelona. Toy ny mahazatra dia nisy mpitandro ny filaminana na miaramila maromaro koa nihaodihaody teo akaiky teo nanara-maso ilay fihetiketsehana. Faritra mena mantsy hono iny toerana iny. Tsy dia lavitra teo koa moa ny hetsika “Zoma Mahafinaritra” nafanain’i Jerry Marcos teo amin’ilay hotely Buffet du Jardin. Mazava ho azy fa tsy nanampy ny tetikadin’i Flavien hitadiavana an’ilay sipakely ny fisian’ireo vahoaka maro be ireo.

Nitoditodika toy ny zanaboronkely malemy hazondamosina nilaozan-dreniny teo iledala. Nijery tany atsimo izy fa tsy nahita. Nibanjina tany avaratra izy fa tsy nahatsinjo. Ny andrefana sy ny atsinanana moa tsy resahina akory. Nankaiza ary i Rasipavolomparasikiraro teo? Niankavanana nankany Isoraka sy Ampasamadinika ve? Sa niankavia nankany Ambatonakanga sy Ambatovinaky? Tsy hitany izay natao, fa toa ny tendany fotsiny no tady ho tapaka. Nanomboka nikoropaka izy ka izay olona sendrasendra teo alohany teo no avy hatrany dia nantoniny.

“Sao dia mba nahita vehivavy manao kiraro volomparasy ianao Raiamandreny?” hoy izy nivatambatana tamin’ilay rangahy efa zokinjokiny mitondra tehina nijorojoro teo akaikiny teo. “Mba ombay mitady re!”

Gaga ilay rangahibe naheno ilay fanontaniany nivatravatra. Asa koa izay nahazo azy fa avy hatrany dia nisafaoka ka nivazavaza ilay rabaina hoe:

“Ataovy serieux ry ilay alikalahy ity an! Fa anadahin-drenin’ialahy angaha izaho no asain’ialahy mijery izay kiraron’olona any? Mitraka mibanjina ny ho avy leitsy izao no ilain’ny vahoaka malagasy fa tsy ny mitanondrika mitazana kiraron’olona a! Ny lanitra leitsy takarina an !”

Tsy tena azon’i Flavien loatra izay tena tian’ilay ranamana ambara. Mbola nampiany ompa variraraka ihany koa aza izany fa tsy henon’i Flavien akory. Tsy nahandry ny faran’ny kiredin’ilay rangahibe kizitina izy fa lasa nikisaka haingana nandroso tery ankaikikaikin’ilay Tsangambaton’ny Fahaleovantena. Maromaro tokoa ny olona tonga nanohina ny antson’ny Mifohaza Gasikara. Hanao “sit-in” am-pahanginana hono ny anton-dian’ireo olom-pirenena mitraotra sy mandray andraikitra ary mandray anjara androany ho fanoherana ny zavatra tsy rariny isan-karazany iainan’ny sarambabem-bahoaka. Vehivavy tanora ny ankamaroany ary nanao tisaorita mainty sy pataloha hasimanga rizareo fa toa izay hono ny toromarika nomen’i Ke, mpikarakara mafana fo an’ny hetsika.

Andraso kely hoe! Aleo averina vakiana mihitsy: Tisaorita mainty sy pataloha hasimanga, hoe? Raha nifantoka tsara ianao teo am-pamakina ity tantarakely adaladala ity dia ho tadidinao fa efa nolazaiko tary ambonimbony tary hoe izay mihitsy — “tisaorita mainty sy pataloha hasimanga” — ny akanjo nanaovan’ilay zavavy nanaitra an’i Flavien.

“Izato hetraketrakao ry vintana,” hoy ny tarainan’ileiry. “Fomba ahoana re no ahitako an’ilay kalakely iny eo anivon’ireto olona virakiny be manao akanjo mitovy ireto?” Nojereny tsara ireo mpanao fihetsiketsehana nitokona sy nipetraka tamin’ny tany. Saika hoe asesiny nojerena ireto olona maro be, kinanjo tonga saina tampoka izy fa hay tokoa moa tsy mbola hitany akory ny endrika na ny tarehin’ilay olona tiany sady tadiaviny. Ny fitombenany, ny lamosiny, ary ny kirarony ihany no hitany, dia izay. Iza tokoa no nahalala fa na dia mbola tsy hita akory aza ny salovantavan’olona iray dia efa mety efa ho babom-pitia tanteraka ny fon-drazanakolombelona? Hafahafa ihany io resaka fitiavana io indraindray.

“Aza kivikivy izany razoky fa raha tena anjaranao tokoa izy dia tsy maintsy ho hitanao an!“ hoy ny bitsibitsik’ilay boay kely nivarotra voanjo sy caca-pigeon ary sigara sy siligaoma teo akaikiny teo ka sendra naheno ny tarainany. “Mila mi-debra sy mifantoka ianao dia tonga eo foana izy e!”

“Soa ihany leitsy fa fantatro tsara ny paozy sy lokon’ny kirarony,” hoy izy nisy fanantenana kely namaly an’ilay mpivaroboanjo miseho milay. Tsy mbola voateniny tanteraka akory anefa ilay fehezanteny dia tsikaritr’i Flavien fa tsy nisy nanao kiraro irero tanora nandray anjara tamin’ilay sit-in. Mba hanehoana firaisan-kina tamin’ireo tambanivohitra niharan’ny tsindri-aloka sy nisedra ny tsindri-hazolena tokoa mantsy dia nangatahin’ny mpanentana rizareo mba hanaisotra ny kiraro sy ny bakirarony.

Tena kivy tanteraka i Flavien. Mba nanantena ihany izy hoe mba ho iray amin’ireo vehivavy manao tisaorita mainty sy pataloha hasimanga ireo ilay sipakely nambabo ny fony. Ary ny kirarony volomparasy no hahafantarany azy. Vao noesorina anefa ny kiraro dia hitany fa tsy nisy fomba azony hamantarana an’ilay sipakely intsony. Very tao anatin’ny maro ilay vehivavy nanaitra anazy.

Nitoditodika ka nihodinkodina faramparany teo Antaninarenina teo i Flavien, niala nenina,dia nanapakevitra fa aleo mihitsy mody fa nandamoka tanteraka iny ezaka iray iny. “Tsy androany angamba aho no ho tojo izay mba anjarako, aleoko aloha manary lamba f’efa dr0droka ny vatako,” hoy ny adirimany tsotsotra ananka-po. Dia lasa izy nihazo an’ilay lalana mankany Ambatonakanga. Valabalaka toa mihisatra izato famindrany. Mitanondrika ny fijeriny, toa mibanjina ny tany sy ny hetraketraka raiketiny. Reraka. Resy. Diso fanantenana. Manambana ny oram-pahavaratra sy ny aizin’ny alina. Injany reny midona ny kotroka eny Ankaratra, ilay dona tsy mba ren’ny tsy malahelo.

Nony tonga tery akaikin’ny Pergola, eo akaikin’ny tsangambaton-dRabobalahy anefa izy sy ny alahelony dia henony nisy niantso moramora ny anarany. “Rabelazao an! Rabelazao an!” Toy ny nofohazina tamin’ny nofy i Flavien, nitraka tsy satry. “Flavien Rabelazao an!” Indro tsinjony avy teo an-kavanany vehivavy anakiray nanatona azy.

“Azafady indrindra re fa manadala sy manelingelina anao ety an-dalambe.” hoy ilay kalakely menamenatra tamin’i Flavien. “Efa nandramako nohenjehina ihany ianao tary amin’ny Rarihasina, fa tsy tratrako. Nihazakazaka mihitsy ary aho niakatra ny tohatohabaton’Antaninarenina nanantena ny hahatratra anao fa tena tsy hitako ny nalehanao.”

Tsy namaly i Flavien. Mbola tena pempo ny fony. Mbola voan’ny “battu moral” ka lasa “low batt.”

“Tsy izany mantsy fa tena tiako be mihitsy ireny tononkalonao ireny,” hoy ihany ilay vehivavy. “Ananako daholo ny amboaran-tononkalo efa navoakanao. Ka asa re raha tsy dia manahirana raha mba azonao asiana sonia sy tenimamy kely ireto bokinao ireto.” Dia natolony an’i Flavien ireo boky amboaran-tononkalo anaky efatra tiany asiana “dedicaces.”

Talohan’ny nandraisan’i Flavien ireo boky anefa dia nojereny tsara aloha ilay andriambavilanitra niresaka taminy. Mateza jerena ery izato endriny, malandilandina ny tarehiny, baribary ny masony, malefaka ny fijeriny, petapetaka gasigasy kely ny orony, misy fandaigana kely eo amin’ny takolany, fotsy manjopika ny tsikiny, lavalava mahafinaritra ny volony. Manao tisaorita maintimainty misy soratra hoe AC/DC sy pataloha hasimanga Levis izy. Somary niondrika kely ilay namantsika. Toa misy zavatra tiany hohamarinina. Vetivety ihany izy dia nitraka. Akory ny hagagan’ilay tovovavy fa tampotampoka teo dia nanjary noravahin’ny tsiky miredareda sy tsy manam-pahatamperana ny endrik’ilay poeta. Tsy ampy roa segondra talohan’izany akory anefa dia alahelo sy hakiviana no hita nisoritra lalina teo amin’izany endrika izany.

“Ataoko amin’ny anaran’iza ilay dedicaces kay?” hoy i Flavien nandray ireo boky sady nitoraka tsiky farak’izay marevaka indrindra teny amin’ilay tovovavy mpanjifa sy mpiondana ny tononkalony.

“Ataovy ho an’i Kaloy ange azafady raha tsy mahadiso. Kaloy Nampoinirevy”

“Faly mahafantatra an’i Kaloy,” hoy i Flavien Rabelazao amin’ilay feo iva dia iva fampiasany rehefa miantsa tononkalompitiavana izy. Nanomboka nirotsaka ny orana fa tsy noraharahiany. Niaraka nitraka izy roa nibanjina ny orana nilatsaka. Nihamaizina ny alina, fa tsy nampihontsina azy akory izany. Milamina ny voaary fa hikaoty sipa ny poeta. “Dia maniry ny hahafantatra an’i Kaloy Nampoinirevy bebe kokoa …”

--

--

Soamiely
On Madagascar

Favorite Palindrome: Was it a car or a cat I saw?