Malagasy Mahay: Ombay Mitady

“Dia amintsika malagasy efa maherin’ny dimy amby roapolo tapitrisa ireto ve dia tsy mba hisy na dia singan’olona iray aza hahay hamaha ireny olana miverimberina isak’izay mahatsiaro ireny ?”

Soamiely
On Madagascar
6 min readOct 30, 2017

--

“Ary mba aiza ry ise ny malagasy tena mahay fa toa olona ‘comme ça’ foana no tonga miaro ny dosie an’i Madagasikara any aminay any andafy any?” hoy i Achille Bamba, ilay tafrikana nitarika ilay “Formation des experts nationaux” tao amin’ny Hotel Colbert. Nasainy aho tao amin’ny Buffet du Jardin fa te hahalala momba ny Takelaka Tsara Soratra hono izy.

Nisamboaravoara be ny tany anatiko tany nandre ilay fanontaniana. Tokony nisendaotra aho na nivazavaza mafy hiaro ny hasin’i Madagasikara. Tokony tonga dia nandeha tsy nanao veloma. Mbola nisy labiera betsaka anefa tavela tanatin’ny verako. Raha ianao no teo amin’ny toerako, dia inona no nataonao?

“Anontanio ny mamanareo!” hoy ny valiteniko. Tsy haiko hoe naninona fa nitsikitsiky aho niteny an’io. Noheveriny fa nivazivazy angamba aho ka dia nitsiky koa izy nampiseho ireo nify farak’izay fotsy, dia avy eo izy nikakakaka. Tsy hitako izay natao, ka dia mba nikakakaka koa aho.

“Hafakely mihitsy ianareo Malgache itony,” hoy ny tenin’i Achille Bamba nony avy nanarapo nihomehy. “Tena ‘adorable’.”

Efa herinandro maromaro izay no nitrangan’ iny resaka iny. Mandrak’ity ny androany anefa dia mbola miverina matetika ao an-dohako ilay fanontaniany hoe “mba aiza ry ise ny malagasy tena mahay?” Ary io avy eo dia niampy hoe “Amintsika malagasy efatra amby roampolo tapitrisa ireto ve dia tsy mba hisy olona afaka hamaha ireny fahasahiranana zary lasa tohivakana miverimberina mianjady amintsika ireny ?”

Resy lahatra tanteraka aho fa manana olona tena mahay ary mahavaha ny ankamaroan’ny olana misy i Madagasikara. Mahalala vitsivitsy amin’ireny malagasy ikoizana ireny aho ary tena te hanao zavatra ho an’ ny taniny ny ankamaroan’izy ireny. Matetika anefa ireny manampahaizana ireny dia tsy hita amin’ny toerana tena ahafahany mampiasa ny fahaizany.

Mifandipatra tanteraka mihitsy aza indraindray ny fahaizana ilaina hanatanterahana ny asa iray sy ny fahaizana ananan’ilay olona miantsoroka izany asa izany. Antony maro no mety mahatonga izany. Mety hoe resaka politika, ohatra, fa tsy ny fahaizana na ny traikefa no masontsivana entina hanendrena ny mpiasa, mety ho resaka fiaviana, na firazanana, eny na fihavanana, na zavatra hafa tsy fantatro. Tsy mahagaga ary raha comptable no lasa medecin-chef, architecte no voatendry ho lehibe an’ny fonja, ary ny dokotera no lasa tsy haiko e! Olona manana zara raha manana BEPC indraindray no misahana asa ilaina diploma Maitrise.

Mety voasarika hifidy asa hafa na hifindra monina ny manam-pahaizana noho ny karama tsy sahaza, ny fisian’ny korontana, ny fanjakan’ny kolikoly, eo amin’ilay asa na toerana mety ahafahany manasoa an’i Madagasikara. Mety aleon’ireo vita fianarana ohatra indraindray ny mandeha miasa any amin’ny orinasa moderna karana, sinoa, na vazaha toy izay hiasa any amin’ny Minisitera na biraom-panjakana hafa. Mety ho aleon’ny manampahaizana avo lenta koa mandeha mitsakaraka any dilambato satria tsara lavitra ny karama ombain-tombotsoa azony any.

Fanamarihana kely: Rehefa miteny isika hoe “manam-pahaizana”, dia ny fahaizana voafaritra tsara ao anaty taranja anakiray matetika no eritreretintsika. Fahaizana tekinika angamba no mahalaza izany— ary tena hain’ny manam-pahaizana malagasy tokoa raha io. Ho hitantsika etsy ambany fa tsy ampy izany fahaizana teknika izany fa mila tovonana zavatra hafa.

Alaivo sary an-tsaina vetivety hoe Minisitra ianao ary mitady mpanolon-tsaina mahay hanampy anao hikaroka vaha-olana ho an’ireny sedra isankarazany diavin’ny firenena ireny. Tondraka curriculum vitae ny biraonao ary mila mifidy anakiray amin’ireny ianao.

Mba hahatsotra ny resaka dia andao ekena fa afaka hitarafana tsara ny fahaizan’ny mpitady asa ireny curriculum vitae ireny — tsy voatery ho marina io. Misy fitaovana tsotsotra kely io ambany io mety hanampy amin’ny fifantenana sy fanendrena ny mpitady asa.

Afaka refesina ary alahatra manaraka ilay tsipika mijidina eo amin’ny kisary ny fifehezana ny lafiny tekinika rehetra mikasika ilay asa — eny avaratra (ambony) indrindra ireo olona tena mahay tsara, ary eny atsimo (ambany) indrindra kosa ireo tena tsy mahafehy ilay taranja mihitsy, ary eo anelanelany eo no alahatra ny hafa rehetra.

Ankoatra an’izay dia misy toetra na karazana fahaizana hafa (tsy misy ifandraisany mivantana amin’ny fahaizana an’

ilay asa) mety manana fiantraikany lalina amin’ny fanatanterahana asa ka mety ho azo atao masontsivana. Azo alahatra manaraka ilay tsipika marindrano ohatra ny fahaizana miresaka sy mandahatra ary mandresy lahatra — eny atsinanana (eo ankavananao) no ametrahana ireo mahay mandahatra sy kinga vava, ary eny andrefana (eo ankavianao) ny votsavava sy ny betsimiteny.

Azo raisina tsirairay ary apetraka ao anatin’izay faritra efajoro mifandraika aminy ny tompon’ny curriculum vitae rehetra voarainao: Eny amin’ny tapany avaratra-atsinanana (mahay sady belazao) no ametrahana ireo izay sady mahay tsara ilay asa no mahay mandahatra. Dia eny atsimo-andrefana (tsy mahay ary tsy belazao) kosa no asiana ireo sady tsy mahafehy ilay asa no tsy mahay (na tsy tia) miresaka. Dia ohatr’izany koa ireo efajoro anakiroa tavela.

Raha ny lojika dia olona avy eny avaratra, marimarina kokoa avy eny avaratra-atsinanana (mahay sady belazao) no omena ilay asa satria sady voafehiny tsara ny taranja no sady hainy tsara ny manazava sy mandresy lahatra ary manentana ny hafa — “The right man (na woman) at the right place.”

Ny feno hono anefa tsy mba mikobana, fa ny foana no tena manakoako: Izay tena mahay sy mahafehy asa iray dia mazàna tsy dia mba be resaka loatra — asa na manaja tena izy na miavona, na tsy mahay mifandray amin’ny olona tsy manampahaizana avo lenta toa azy. Ireo izay tsy tena mahay kosa anefa etsy andaniny no matetika kinga vava sy mahay miresaka ary havanana be amin’ny serasera.

Mety ho vitsy ihany arak’izany ny olona eny avaratra-atsinanana (mahay sady belazao), fa na (1) eny atsimo-atsinanana (belazao fa tsy mahay) na(2) eny avaratra-andrefana (mahay fa tsy belazao) no hahitana ny ankamaroan’ny mpitady asa. Matetika dia avy amin’ ireo faritra roa ireo no tsy mantsy hisafidianana. Raha anao ny safidy, ilay manampahaizana bonaika eny avaratra andrefana ve sa ilay donto fetsy sy be resaka eny atsimo antsinanana no omenao ilay asa?

Mahagaga fa omen’ny mpampiasa lanjany kokoa matetika ny fahaizana mandahatra sy mifandray amin’ny hafa noho ny fahaizana teknika ny asa. Mora aminy kokoa mantsy ny mitily fahaizana mandahatra (miresaka vetivety amin’ilay kandida fotsiny) fa sarotra kosa ny mahafantara izay tena fahaizana tekinika indrindra raha tsy mahay miresaka ilay kandida (tsy voatery mampiseho ny tena fahaizana tokoa mantsy ny diplaoma tantaraina ao anaty curriculum vitae. Noho izany dia ny mpitady asa avy eny atsimo-atsinanana ( tsy mahay ilay asa akory fa malama vava) matetika no mahazo ny asa tokony ho an’ny avy eny avaratra-andrefana (mahay tsara ny asa fa votsa vava).

Mety efa afaka hamaliana ilay fanontanian’i Achille Bamba hoe “aiza ny malagasy tena mahay?” sahady izay voalaza rehetra izay. Tsy dia mba tazana loatra eo amin’ny sehatra fampandrosoana tokoa ny tena manam-pahaizana manam-piniavana malagasy satria (i) masontsivana hafa fa tsy fahaizana no namenoana ilay toerana mifadraika amin’ny fahaizany, (ii) voasinton’ny karama sy tombotsoa tsaratsara izy ka nandray asa any amin’ny orinasa hafa na any andafin’ny riaka, na (iii) lasan’ny hafa mahay mampiresaka noho izy ny asa tokony ho anjarany.

Izay angamba no mahatonga olona tsy tena mahafehy ny asa iantsorohany saingy mahay mandahatra sy be fihetsiketsehana hanjary lasa “experts nationaux” mianjoria sy mibalady manerana an’izao tontolo izao, manatrika colloque atsy, manao conference aroa, manao fifampiraharahana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka nahavaky vava an’i Achille Bamba. Mahay teknika fa tsy mahay miserasera ny ‘tena malagasy mahay’ ka lasa tsy mba hita amin’ny toerana tena ahazahoany mampiasa ny fahaizany hanasoavana ny taniny.

Azo ampiasaina hamakafakana sehatra maro io fitaovana na rafitra analitika na rafitra naroso io. Afaka ijerevana ny fizarana andraikitra ao amin’ny orinasa iray ohatra. Mety ho azo ampiasaina handinihana ny mety ho vokam-pifidianana koa, ka anavahana ny tekinaokiraty (be teoria fa votsa vava) sy ny paopilista (malama vava fa tsy mahay ninoninona). Afaka hanazavana tsara hoe maninona i Sarah Rabearisoa no resin’i Roland Ratsiraka, ary maninona i Radavidson Andriamparany no resin’i Randriamampionona Joseph Martin, ary maninona ny kandida an-dRavalomanana no resin’ny kandida an’-dRajoelina tamin’ny 2013. Matetika tokoa rehefa fifidianana dia ry zareo eny atsimo-atsinanana (belazao fa tsy mahay) no mivoaka ho mpandresy. Mora sodokan’ny kabary ambony vavahady tokoa ve ny mpifidy malagasy na jamban’ny teny tsara lahatra ka manjary ireo mpanao kobaka ambava kanefa tsy haninontsihaninona mazana no fidiantsika ho mpitarika?

Farany, aleo hazava fa tsy misy maharatsy ny fahaizana miresaka. Talenta tena ilaina ary io amin’izao taonarivo faha-telo, taonarivon’ny serasera ao anatin’ny fanatontoloana izao. Na mahay miresaka ohatry ny inona anefa ianao ka tsy mahafehy no vontoanton’izay zavatra tantarainao dia ho zava-poana ihany izany fahaizana miresaka izany raha ny fitadiavana vaha-olana hamahana ny sedra izay diavin’ny firenena no resahina. Marina koa anefa fa na mahay sy tapi-pahaizana aza ianao, kanefa tsy mahay mizara izany fahaizanao izany dia toy ny tsy mahay ihany. Mifameno ny fahaizana teknika sy ny fahaizana miresaka ka tsy misy tokony ahilika raha mbola azo atao.

--

--

Soamiely
On Madagascar

Favorite Palindrome: Was it a car or a cat I saw?