Mena Mahazo

Soamiely
On Madagascar
Published in
10 min readMay 23, 2016

Andro Alakamisy hariva, faran’ny volana tamin’izay. Vao avy nandray karama ny ankamaroan’ny mpiasa. Tomefy mpivarotra iny faritr’i Mahamasina sy Anosy iny fa tsena ny andro. Nifanaretsaka izaitsizy ny mpiantsenan’ Antananarivo nitady entana ho vidiana. Ny mpivarotra moa maika hisaraka tamin’ny entany. Ny mpanjifa kosa vonona hisaraka tamin’ny volany.

Tery amoron’ny farihin’Anosy, tsy dia lavitra loatra ny lalana mankeny amin’ilay tsangambaton’ny Anjely Mainty, indreo nisy lehilahy vitsivitsy nitangorongorona. Tovolahy iray ranjanana, zarazara hoditra, olioly volo no eo ampovoany. Izy no atao hoe Jimmy Belazao. Nanao baoty hoditra, sy pataloha hasimanga, ary lobaka filanelina makarakara manga sy mena ity tovolahy.

Novelariny hitandahatra teo anolonany, eo ambony baoritra kely izay, ny karatra anakitelo mba hahitan’izay rehetra nanatrika azy tsara ny masom-bato. “Araho tsara ny fandehan’ny vato an!” Notondroiny tsirairay sady notononiny amin’ilay feony somary mikarantsana mahafinaritra ny anaran’ireo karatra: “Neuf de trefle! Neuf de pique! Ary, Dame de cœur!” Sondriana ny mpandalo nahita an’ilay tovolahy sariaka miakanjo Zamerika.

“Ito mena ito ihany no tadiavintsika an!” hoy i Jimmy sady noraisiny ary nasehony ho hitan’ny rehetra ilay Dame de cœur. “Araho tsara fa izay mahita an’ilay mena dia mahazo. Tonga dia lasa avy roa heny ny vola apetrakao.” Kinga ery ny tanany nandraoka ireo karatra telo, ny roa amin’ny tanany ankavanana ary ny iray amin’ny ankavia.

“Araho tsara ary fa style Las Vegas izy ity an!” hoy izy, sady somary naforiny ny tanan’akanjony. “Araho tsara ny fandehan’ny karatra. Tsy misy manao magie eto an! Tsy misy karatra manjavona koa. Tadidio fa izay mahita ny mena ihany no mahazo an!” Navadibadiny tsimoramora aloha ny karatra ary farany, nalahany teo ambonin’ilay baoritra ka ny lamosin’izy telo sisa no hitan’ny mpijery. “Aiza ary ilay mena tadiavintsika? Izay mahita dia doubler-ko ny fanambiny an! Zaza lasa saria, clou mivadika kala, gala dimy manjary maizina. Aiza ary ilay mena?”

Nitakoritsika ny rehetra sendra teo. Samy nilaza izay noheveriny fa nisy ilay Dame de cœur daholo. “Aza miteniteny ialahy rehefa tsy hilalao, ry Tsamy an!” hoy i Jimmy mantsy an’ilay tovolahy nanao kasikety mena nijoro teo anolohany, ka nanondro ilay karatra eo ampovoany. “Aza kasihana amin’ny tanana ny karatra, Ray aman-dreny, fa vola apetraka raha hilalao ianao,” hoy izy tamin’ilay rangahy efa zokinjokiny, fotsy volo nanao kapa scoubidou, nidrikina fa ilay sisiny ankavia no karatra mena.

“Omeo toerana kely ange ry zalahy izato Ramose kely fa tsy misy hametrahany ny fanambiny e!” hoy izy nahita lehilahy dongadonga nitena palitao sy pataloha velondrirana veloro voloparasy sy somizo mavokely ary fehitenda mena marevaka — miendrika ho fonkisionera bonaika — nisisika nanantona azy sady nitazona lela-vola eny an-tanany. “Fidio tsara ny karatrao dia apetrao ny volanao Ramose, fa izay tsy mirisika ihany anio no oainina an! Aiza ary ilay menamena tadiavintsika?”

Somary sadaikatra ihany ilay “mpiasam-panjakana” fonentanentana teny am-boalohany, fa rehefa nampirisihan’ny mpijery teo izy dia nametraka — tsisazoka nefa tamim-pitsikiana — vola arivo teo ambonin’ilay karatra afovoany. Raikitra ny resabe sy ny horakoraka. Samy naneho ny heviny daholo. Tao ny nankato ny safidiny: “Tena tonga dia izy io, Tale!” Tao kosa ny nanapepo: “Tena tsy nahay nitsabo Ingahindriana!”

Navelan’i Jimmy samy hiteny ny heviny teo aloha ny mpijery izay vao navadiny tsimoramora ilay karatra teo ankavia “Neuf de trefle!”, dia avy eo ilay teo ankavanana “Neuf de pique!” Vao maika nihorakoraka ny vahoaka. Noraisiny ny vola dia navadiny ilay karatra tavela teo ampovoany “Dame de cœur! Nandresy ianao, Ramose!” Nibitabitaka teo am-pitsanganana teo ilay fonksionera rehefa nomen’i Jimmy azy ny vola roa arivo lokany.

“Hitanareo ary izany,” hoy indray i Jimmy Belazao. “Izay sahy mirisika ihany no mahazo an! Sady tsapa vintana io no tsapa fahaizana koa an! Aza mbola miala eo aloha ianao Ramose an!”

Raikitra indray ny fihetsiketsehan’i Jimmy sy ny karatra. Nampahatsiaro irony latsitanan’ny mpandihy hira gasy irony izato fihetsiny namadibadika sy nipasoka ny karatra eny an-tanany. Indraindray aza dia somary nampanarahiny tsipy sandry sy ny dihy soroka mihitsy ka sondriana ery ireo mpijery badraodra nahita azy. Ny vavany tamin’izay tsy nijanona nitatatata.

Tsy niala teo tokoa ilay ramose mpiasam-panjakana. Taitaitran’ilay fandresena teo angamba ilay ranamana ka lasa nanjary tamàna. Rehefa vita ny parady sy ny pasopasok’i Jimmy dia nametraka vola dimy arivo teo amin’ilay karatra sisiny ankavia indrindra izy. Dia inona hoy ianao fa tena tao tokoa ilay “Dame de cœur!” ary dia nitombo avo roa heny ny volany ka lasa iray alina! Nibitaka ilay fonksionera. Horakoraka tsy hifankahitana ny an’ireo nanatri-maso.

“Tena mitsiky mihitsy ny vintanao androany, ry Ingahindriana, fa aza miala eo an!” hoy ilay tary nanao kasikety mena. Nitohy ihany ny mena mahazo ka tamin’ny fisarihana manaraka dia mbola nahazo ihany ilay fonksionera. Dia mbola nahazo ihany koa izy tamin’ny fisarihana anakiroa taoriana an’izay. Nitsambikimbikina sy nihevotrevotra ery ny anao lahy nandray ny vola valo alina avy tamin’i Jimmy. Valo alina! Mbola tsy nisy ohatr’ity, marina! Nampiriminy aingana tany am-paosiny ny vola vao azony. Toa efa niomankomana ny handeha hody ka hivoaka mpandresy izy kanefa ohatry ny nisy hery nitazona azy.

Nanomboka ny lalao manaraka indray i Jimmy. “Tadidio fa ito mena ito no tadiavintsika an!” Nasehony ho hitan’ny maro ilay Dame de cœur. Navadibadiny teo indray aloha ilay tanany sy ny karatra. “Araho tsara ny karatra fa ataoko moramora mihitsy an! Ny karatra fa tsy ny tanako arahina, Rasta an! Aiza ary ilay kely mitafy ny mena?” Rehefa elaela dia novelariny hiamboho ny mpijery indray ny karatra telo. “Aiza ary ilay mena mahazo!”

Velona ny resabe. Ny ankamaroan’ny olona teo dia nanondro ilay karatra teny amin’ny sisiny ankavanana.

“Ahoana raha mba asiana revanche kely Ramose?” hoy ilay lehilahy nanao volo Rasta nitsangana teo akaikin’ilay rangahy fonksionera vao avy nandresy teo — toa efa tsy nikasa ny hilalao intsony ilay io, fa mba te hijerijery fotsiny ny lalao manaraka. “Mazava be fa ilay ankavanana io ilay izy!” hoy ny bitsibitsiky ny olona nanodidina azy teo.

“Aza terena izy e!” hoy i Jimmy somary sadaikatra. “Raha tsy mazoto izy dia aleo olon-kafa indray no hilalao e!” Dia nitodika teny amin’ilay lahi-antitra nijorojoro teo izy. “Hi-tenter chance ve ianao Ray amandreny an!” Nisavasava ny paosiny teo ilay zokiolona io, toa nitady vola azony hilokana.

“Apetrao malaky ny fanambinao, Tale, fa sao lasan’i Bain’a eo ny saosy an!” hoy ny torohevitry ny olona nanodidina ilay mpiasam-panjakana. “Tonga dia apetrao ny volanao fa azo antoka zato isan-jato sy sang pur sang io!” Natositosiky ny olona teo ilay rangahy.

“Raha tsy hilalao ianao, Ramose, fa efa nahazo betsaka, dia mba mikisana ange azafady hanaovan’ilay Ray amandreny an!” hoy i Jimmy somary masiaka sy kizitina.

“Io fa mikoropaka fa tonga dia petaho ilay sisiny ankavanana, ry ingahy Tale an!” hoy ilay tary nanao kasikety mena. “Tsy misy risika mihitsy io e! Aza ela fikenona!”

Toa tsy dia tena nahatoky loatra ny tenany ilay rangahy mitena akanjo, fa noho ny fampirisihan’ireo olona nanodidina azy dia napetrany moramora teo amin’ilay karatra teo ankavanana ny vola arivo. Raikitra indray ny resabe!

“Oaray leaza an! Zavatra azo antoka io ve dia gala iray fotsiny no apetrakao!” hoy ilay Rasta sy ireo olon-kafa lasa mpanolotsaina tampoka an’ilay mpiasam-panjakana. “Tonga dia ilay valo alina azonao teo apetraka, Dadatoa an! Tsy misy risika mihitsy io e! Lasa kala be ianao androany! Garanti! Ataovy serieux.”

Asa na hena-maso na faharesen-dahatra fa iny tokoa fa namoaka valopy matevitevina misy tombokase-panjakana avy tany am-paosiny ilay rangahy. Somary nangovitra ny tanany. Dia nakarapony tsimoramora teo ambonin’ilay arivo efa nipetraka teo ambonin’ilay karatra ankavanana indrindra ilay valopy. Nila nivoaka ny voamason’ ny mpijery.

Somary nosokafany kely ilay valopy, ka nasehony an’i Jimmy sy izay rehetra te hahita ny ravin-taratasy maro voapaingotra matevina tao anatiny. “Roa alina sy iray hetsy no ao,” hoy izy nitsiky tsiravo. “Karama vao noraisiko androany io. Isaho aloha sao dia tsy matoky ianao.”

“Tena io ve no fanambinao?” hoy i Jimmy nodinody tsy taitra, kanefa somary hendratrendratra. Tsy nanisa izay vola tao anaty valopy izy fa nataony tombatombana fotsiny ny hateviny, ka nino ny notenenin’ilay fonksionera izy. “Tsy akamerim-bositra anie io, zokilahy e!” Nitoditodika nijery ny manodidina azy ilay rangahy, naka toky angamba, dia niteny hoe “Tairo e!”

“Eny ary!” hoy i Jimmy. Toa nangina tampoka, tsy nisy niteny, izy rehetra nanatrika teo. “Izay mena no mahazo an!”

Noraisin’i Jimmy dia navadiny aloha ilay karatra teo ampovoany: “Neuf de pique!” Somary mibitaka kely ilay nametraka ny loka fa tsy namoaka feo. Dia noraisin’i Jimmy indray ilay teny amin’ny sisiny avia: “Dame de cœur!” Kinga ery ny tanany nandray ilay valopy ka nanisika azy tany anaty sakaosy teny ambalahiny. Velona ny horakoraka! Tena nidiran-doza Ingahindriana! Very ny vola, marina! Karama firy andro iny lasa iny?

Tampotampoka teo dia nisy olona nisioka ary niteny hoe “Hipitsiho fa ireny misy polisy manao bemidina o!” Toy ny tsy teo ireo olona nitangorongorona teo nandre izany fa lasa niparitaka malaky. Ilay rangahy fonksionera kosa tsy mba nihetsika akory fa nijanona teo: tsy niteny izy tsy nivolana.

Nahita azy nitanondrika teo i Jimmy Belazao dia angamba somary nangoraka sy nalahelo kely, ary dia tsy ariny ny niteny hoe “Tsy hita fa izay no eto amintsika, Ingahindriana, izay sahy mamitaka olona ihany no tafavoaka sy lasa manakarena. Aza mba bonaika ihany e!” Nikakakaka nihomehy izy dia iny koa lasa toy ny tsy teo.

Nanaraka azy tamin’ny maso ilay rangahy. Tazany tsara fa nony tonga tery akaikin’ny mpivarotra voninkazo tery i Jimmy dia indreny nanantona azy ny ekipany — ilay zokiolona, ilay Rasta, ary ilay tary nanao kasikety mena. Avy teo izy efatra mirahalahy mianaka dia lasa nitsoriaka nankany ambadiky ny hopitaly tany.

Teo am-pamakiana boky gazety Paris Match teo ambanin’ilay tsangambaton’ny Anjely Mainty anivon’ny farihin’Anosy indrindra aho iny hariva iny no indro nanatona ahy ilay rangahy nitena palitao veloro voloparasy sy lobaka mavokely ary fehitenda mena marevaka.

Tsy iza moa izy io fa Jerome Rabevinany sakaizako sady miara-miasa amiko ao amin’ny Ministera. Somary nijaikojaiko nilamindamina ny famindrany. Toa navesatra taminy izato sorony ka nampalai-mihetsika azy. Hitako nisy alahelo sy adin-tsaina nisoritra teny an-tavany. Tsy nihafahafa izy fa avy hatrany dia naka toerana teo anilako, toy ny efa nahazatra azy rehefa Alakamisy toy izao.

“Ohatry ny manimanina an’i San Francisco leitsy aho izany an!” hoy Rabevinany tamiko vao tafapetraka ka nahazo aina tsara izy. Tsy nisy arahaba fa tonga dia io no noteneniny. Hafa noho ny hafa mihitsy aloha ilay sakaizako, na eo amin’ny fomba firesaka, na ny fomba fiakanjo, na ny fomba fitondra-tena.

“Fa oviana moa ialahy no tany San Fransisco?” hoy aho tsy naharitra fa nanontany. Somary gaga ihany aho satria raha ny fahafantarako azy dia mbola tsy nivoaka an’i Madagasikara mihitsy i Jerome Rabevinany hatramin’izay niainany. Toa tsy dia gaga loatra koa anefa satria fantatro tsara fa lehilahy mpampiesona iledala. Tena tompondakan’ny fampiesonana mihitsy.

“An an an!” Tsy rototra akory izy namaly. “Tsy izaho no tany fa ilay anadahin-dreniko no vao lasa nifindra monina any. Vao nanoratra imailaka tamiko ileiry dia hoe mitovitovy amin’ Antananarivo hono izao San Francisco izao!”

“Izany tokoa moa izy izao an!” Izay no hany hitako nolazaina. “Fa maninona any Bekintana leitsy ny dadatoanareo?”

“Mampianatra matematika any iledala. Mety efa hitan’ialahy tamin’ny gazety ihany fa ileiry no Malagasy voalohany voaray ho Profesora ao Stanford.” Hitako tokoa ny lahatsoratra an-gazety momba ny Profesora Flavien Rabeza, mpikirakira solosaina kalazalahy tany amin’ny ENI tany Fianarantsoa, ary nahazo asa avo lenta tany amin’ny Oniversite an’i Stanford.

Nitsiky fotsiny aho fa tsy namaly. Asa mihitsy fa izay olona rehetra miseho amin’ny gazety dia lazainy fa havany na namany daholo. Niara-nianatra taminy hono i Prosper Mahavita, ilay tompondakan’izao tontolo izao amin’ny taranja ady toto-hondry. Sipan’ny zokiny taloha hono i Mirindra Rabekodia, ilay mpitendry piano malaza ikoizana manerana ny tany. Fantany tsara ary mifanao “ialahy” aminy hono ilay Praiministra vaovao io. Dia io indray izany fa lazainy ho havany ny Profesora Rabeza. Bandy mampiesona e!

“Milay ny any Zamerika leitsy a!” hoy indray izy nony tsy niteny elaela aho. “Hafa mihitsy ny revin’ny Bekitana.”

“Inona no tena tian’ialahy any?” hoy ny fanontaniako.

“Ilay revy Amerikana e!”

“Inona tsara moa anefa izany fa toa resahin’ny olona foana?”

“Ny any Etazonia hono leitsy rehefa mikandra mafy sy vonona hihezaka ialahy dia mety tafavoaka. Ohatry ny miady amin’ny piesiko izany an! Tsy mila mifamitapitaka na mifanambaka na mifampiesona isan-andro …”

“Tena mino an’izany ve ialahy? Sao leitsy dia mba resabe sy nofinofy hita amin’ny sinema fotsiny izany revy Amerikana izany?”

“Dia asa tokoa leitsy,” hoy Rabevinany, nony avy nieritreritra kely. “Ny fantatro aloha dia indray andro any aho mba te ho any amin’izany Las Vegas izany. Any angamba leitsy aho tsy ho ambakain’ny olona, no sady tsy voatery hangalatra, hanambaka sy hamitaka Malagasy intsony izay vao hanakarena.”

Tsapako ho lasalasam-borona tampoka teo Rabevinany sakaizako taorian’io fehezanteny farany io. Toa nisy rahona nandalo tao an-dohany ka zary nihamaloka ny endriny. Asa aloha hoe inona tsara no fantany momba an’i Zamerika sy ny Revy Amerikana. Nangina tsy niteny izy nibanjina ireo olona maro be nifanaretsaka tery amin’ny tsenan’i Mahamasina.

“Enjehin’ny eritreritra indray angaha ialahy izany?” hoy aho nanontany sady nanadroadro nony kelikely. “Nahazo natavy angamba Ra-Jerome izany androany fa toa lasa mi-sentimaka sy lasalasa ambiroa be an!”

“Loza leitsy fa angamba tena lasa mpanao fahagagana mihitsy aho ity!” hoy Rabevinany somary nitsiky nefa sadaikatra. “Aiza ve ka vola arivo avy no nanjary lasa valo alina tao anatin’ny antsakadiny monja!”

“Marina tokoa ve izany? Izaho maka an’ialahy e!”

“Mora loatra ny mamitaka olona eto amintsika leitsy e! Na ny mpamitaka raindahiny aza rehefa tena jerena toa badraodra sy pondrodory ka mora fitahina sy ambakaina. Ohatry ny hitako ery ny tarehin-dry Jimmy sy ny tariny ireny rehefa tonga any an-trano dia mahita ny rovi-taratasy sy vola sandoka nataoko tao anatin’ilay valopy. Ny volany anefa lasako aty daholo.”

“Izy ireny tokoa izany no tonga amin’ilay hoe mpijoko voajoko e!” hoy aho, mba lasalasa saina koa.

“Sady mampihomehy no mampalahelo e?” hoy i Rabevinany.

Nitsiky kely aho fa tsy niteny. Inona koa moa anefa no tokony avaly an’izany?

--

--

Soamiely
On Madagascar

Favorite Palindrome: Was it a car or a cat I saw?