Mpanao Gazety sy Bilaogera | Hevitra MPANOHARIANA

Araka ny efa hitantsika dia tsy malaza loatra intsony ny bilaogy, na dia tokony hanana ny anjara toerany hatrany aza, indrindra raha te-hametraka ny dian-tananao eo amin’ny sehatra nomerika ianao. Efa ho folo taona sahady izay ny taona volamenan’ny bilaogy malagasy, raha nanana ny lazany izy tamin’izany fotoana izany ka tsy mbola nahazo vahana ny tambajotra sosialy. Nahafinaritra tokoa ny fiarahan’ny bilaogera teto an-tanindrazana sy tany am-pitandranomasina, nahatsagana bilaogy niraisana mihitsy aza tamin’izany fotoana izany, ary nisy ihany koa ny “karazana fifaninanana” izay efa nivalona ho tantara sisa.

Fa tamin’izany fotoana izany ihany koa anefa no andro volamenan’ny namana serasera sy ny karajia mbamin’ny dinika tamin’ny serasera. Mahafinaritra sy mahatalanjona ny mamaky indray ireo nosoratana taloha, indraindray aza dia vaka ianao fa efa nanoratra zavatra tahaka izao na tahaka izany, nefa tadidinao ihany fa nosoratanao tokoa ilay izy. Embona sy tsiahy fotsiny izany fa avy amin’ireo nosoratanao teo aloha ireo ihany no ahafahana mijery todika ny lalam-bita sy ny fotoana nivialiana na ny tokony ivoarana. Tsy maty ny serasera fa efa lasan’ny tambajotra sosialy ny olona rehetra tao aminy, nahazo vahana ny tena anarana raha solon’anarana no tena nanjaka taloha.

Dia miverina amin’ny resaka tsy tokony hitohy intsony aho, any ampitan-dranomasina betsaka ny mpanao gazety no bilaogera ihany koa na raha amin’ny vanim-potoana ankehitriny dia manana kaonty Facebook na/sy Twitter mbamin’ny tambajotra hafa ihany koa. Fa ny teto amintsika no somary nisy nifandaka kely teo amin’ny roa tonta na dia tokony hifameno tanteraka aza izy ireo. Tsy zakan’ny bilaogera fotsiny ny mangalatra ny asa-sorany natao tamim-pitiavana ka ny mpanao gazety izay kingalahy amin’ny fanoratana no lasa mangalatra asa… satria mampietry voninahitra amin’ny maha-mpanao gazety izany. Fa taloha izany, satria efa tsy manjaka intsony ny bilaogy, fa amin’ny tambajotra indray no hakana votoaty mbamin’ny sary ary hevitra isan-karazany. Mety ho tezitra ny tompon-kevitra fa tsy ho hita ny fahatezerany fa safotra ao anaty fanehoan-kevitra isan-karazany, nefa mety ho faly ihany koa satria i ranona mpanao gazety aza mba mitovy hevitra aminy ihany koa. Sady tombony izany no fatiantoka amin’ny fisian’ny tambajotra sosialy: nivoaka ny hevitra saingy lasa olon-kafa no tohiny.

Fa misy kosa ny aretina hafa mahazo ny mpanao gazety sasantsasany. Tahotra ny sao dia voaroaka ve satria io no kapoaka sa tsy fahatsapana fa raha mandainga ianao na minia manafina ny marina sasantsasany dia tsy ny mpamaky ihany no fitahinao fa ny taranaka manaraka rehetra ihany koa ka mahita na mandre ny nosoratanao na noteneninao? Efa mahazo vahana ny lahatahiry ka hipongatra ihany ireny any aoriana any. Ny ohatra amin’izany dia ny anjara toeran’ny ambaratongan-drafitra sy fahefana tsirairay amin’ny fikarakarana ny fotodrafitr’asa toy ny lalana izany, ohatra, na ny toekarena amin’ny ankapobeny. Manao ny ataony ny politisiana amin’ny fiarovana ny sezany na te-hamely ny hafa hakana ny sezany, fa ho voninahitrao sy ny hasin’ny asanao, raha mbola mety, dia aza manaiky ny ho fitaovana mandainga fa toy ny salaka ny lainga ka ny tompony ihany no afatony. Izaho na dia nanana fironana sy lazaina ho fanatika aza dia tsy nikasa ary tsy hikasa mihitsy ny handainga amin’ny mpamakiko, satria araka izay soratako ihany no itokisana ahy na tsia, fa tsy menatra kosa mihitsy indray aho ny namoaka ny hevitro na dia mety hahatezitra ny maro aza izany hevitro izany.

Ny politisiana no avelao hitabataba fa nanome vola izao miliara ariary hanaovana an’izatsy na izaroa, nefa miharihary izao fa tsy volany io fa volam-bahoaka no ampiasainy hakana voninahitra. Tezao ny olona hiteny kokoa fa volambahoaka io fa tsy avy aminao izay nanolotra rehefa mitana andraikitra ao anatin’ny fitantanam-panjakana ianao. Aza faly ny hanenjika na hanoso-potaka an-dranona satria tsy mitovy firehana aminao na amin’ny patiraonao izy. Asandrato indray ny hasina maha-mpanao gazety mitaiza sy manabe fa tsy manasa ati-doha sy mampiasa fihetseham-po. ampianary hahay handalina ny olona ary ampianaro ihany koa hahay hitsikera anao fa tsy hoe ianao akory no tapi-pahaizana.

Hoteneniko ohatra, fa hatreto aho dia kivy amin’ny fampihenana ny anjara lalan’ny mpandeha an-tongotra, na amin’ny fampifangaroana ny lalan’ny mpandeha an-tongotra amin’iny manamorona an’iny Soarano iny. Ny hakelin’ny lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra no tena mahatonga ny fitohanana eo Behoririka ankoatra ny fahamaroan’ny mpivarotra tsy ara-dalàna, nefa dia toa tsy takatry ny ambaratongam-pahefana rehetra angamba hoe mba tokony hitovy kosa ny haben’ny lalana hoan’ny mpandeha an-tongotra sy ny lalan’ny fiara. Jereo iny Petite Vitesse Tsaralalàna iny, tsy ny hakelin’ny lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra ve no lasa mampirona ny mpandeha an-tongotra ho ny arabe ho an’ny fiara indray no fandiavan-tongony? Nefa vao midina amin’ny arabe ny mpandeha an-tongotra dia mora ho an’ny mpivarotra tsy ara-dalàna ihany koa ny mmamelatra entana eny amin’ny arabe. Inona anefa no tena anton’izany? Toa ho fandraisana ny “Francophonie” eto Antananarivo fotsiny, dia ho lasa gaboraraka hifangaro tanteraka ny mpandeha an-tongotra sy mpandeha fiara avy eo, sa ve hoe avadika ho sisinabon’ny mpandeha an-tongotra indray ilay arabe? Toa tsy mino aho an!

Jentilisa 13 marsa 2016


Originally published at jentilisa.blaogy.com.

One clap, two clap, three clap, forty?

By clapping more or less, you can signal to us which stories really stand out.