KATSO-22

Soamiely
An’i Madagasikara
4 min readJun 2, 2015

--

Ny antony mety mampikatso ny fanatsarana ny tontolo politika eto Madagasikara

Asa ianareo raha efa namaky ilay bokin’i Joseph Heller hoe Catch-22. Tamin’ny ady lehibe faharoa no niseho ny tantara. Nisy miaramila vitsivitsy nilaza tamin’ny lehibeny fa tsy te hiantafika. Dia namaly ny komandy fa tsy olana izany fa afaka misafidy ny tsy ho any antsahanady ireo izay tsy te ho any raha toa ka mahafeno ny fepetra. Mila manantona mpitsabo fotsiny izy dia mangataka fitiliana hanaporofoana fa mitapy na adala. Misy fandrika kely anefa fonoson’io fepetra io: matoa ilay miaramila mametraka fangatahana fitiliana dia midika izany fa tsy adala izy (satria ny olona adala mantsy tsy mahafantatra fa adala ny tenany). Ary satria izy tsy adala dia tsy afaka mitsaoka an-daharana fa tsy maintsy mandeha any antsahanady. Izay ilay Catch-22: tsy misy fomba ahafahana miala fa tsy maintsy miantafika daholo na ny hendry, na ny milaza ny tenany ho adala, na ny tena adala.

Lasa teny fampiasa andavanandro izao ilay hoe Catch-22 entina milaza fisehon-javatra iray manahirana na tiana ovaina kanefa tsy azo ialána noho ny rafitra misy na ny fitsipika mifanipaka napetraka. [ohatra: Tratry ny Catch-22 ny tanora vao avy nahavita fianarana. Tsy mety mahazo asa izy satria izay manana traikefa ihany no raisin’ny orinasa hiasa. Raha tsy miasa anefa izy dia tsy hahazo traikefa mihitsy.] Indraindray koa io teny io dia milaza safidy sandoka ka na inona na inona lálana finidy dia mitovy ihany vokany.

Raha miresaka an’io aho dia tsy hoe akory fitiavana ny handrebireby anareo fotsiny, fa mba te hizara teoria kely tsotsotra izay mety ahafahantsika manazava ny antony mampikatso (mikatso-22) ny ezaka sy paikady maro izay natao mba hanavaozana ny tontolo politika eto Madagasikara.

Aleo angamba tonga dia tsorina ny resaka. Misy zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny mihitsy eo amin’ny fanaovana politika, mba tsy hilazaina hoe filalaovana polifika, eto Madagasikara. Maloto ny tontolo politika eto ka mila fanitsiana ara-drafitra maika sy goavana. Na eo amin’ny resaka vola sy kolikoly izany, na eo amin’ny resaka firehan-kevitra, na eo amin’ny resaka fifampitondrana eo anivon’ny antoko politika aman-jatony. Zava-misy tsy azo lavina ireo.

Aleo koa aloha atao mazava fa tsy izay rehetra manao politika akory dia olon-dratsy. Tsy ny solombavambahoaka rehetra akory no manana toe-tsaina lomorina. Maro ny mpanao politika Malagasy no tena tia tanindrazana. Zava-misy tsy azo lavina koa ireo. Rehefa tena fakafakaina dia misy karazany roa ny politisianina misy eto amintsika. Misy ny idealista, dia misy ny mpikaraman’ady. Ao ny bonaika (na pondro), dia ao koa ny fatsora (na fetsepy).

Etsy andaniny aloha, misy ireo azo lazaina fa olona tena mikatsaka fandrosoana sy fivoarana ho an’ny firenena; olona tena te hanampy ny mpiray tanindrazana aminy; olona tena te hanova ny fomba fikirakirana politika eto Madagasikara. Matetika izy ireny dia manana vina mazava sy soa toavina mafonja heveriny fa mendrika ny firenena — toka-po izy ka tsy mba tia milefitra na miolakolaka fa mikiribiby miaro izany idealiny izany. Tsy tia mandray vola sadasada fihaviana na mamofopofona kolikoly na halatra izy ireny; ka sahirankiran-dava izy manao fampielezan-kevitra satria tsy manana sponsors matanjaka rehefa injay tonga ny fifidianana.

Etsy ankilany kosa indray, misy ireo tsy misaina hafa tsy ny tombo-tsoany manokana; tsy dia miraika loatra amin’izay mety ho soa iombonana; tsy dia taitra loatra amin’ny fanatsarana na ny fanadiovana ny tontolo politika Malagasy. Mazána izy ireny dia olona kinga saina sy mahay miresaka ary havánana amin’ny kajikajy politika — mahay milomano ary tsy mena-mivadika sy mamingana afara mihitsy izy. Mazána koa izy ireny dia tsy sarotiny na mifidifidy mpamatsy vola ka afaka migalabona tsara mampifaly vahoaka rehefa fifidianana. Mazána izy ireny no mivoaka mpandresy.

Raha ny hevitro dia tafahitsoka lalina ao anaty karazana Catch-22 ny tontolo politika Malagasy: Ló tanteraka ilay rafitra ka mila amboarina, kanefa io fahalovana io indrindra mbetika no lasa vato misakana an’izany fanamboarana izany.

Ireo izay manana finiavana hitondra fanatsarana dia matetika tsy manana ny hery politika hanaovana an’izany. Firifiry moa olom-pirenena vao misandratra eo amin’ny sehatry ny politika no entanim-po sy fanahy ka manambara ho re-tany ho ren-danitra fa hanadio ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara. Vetivety anefa izy ireny dia mahatsapa fa tsy ho anisan’ireo izay afaka hanavao ilay rafitra mihitsy raha tsy vonona hilalao ny kajikajy, ny risoriso, ny takla deriera, ary ny kolikoly politika — kanefa anie dia ireny lesoka ireny indrindra no tiany ahitsy e! Catch-22 io.

Ireo izay manana ny tanjaka politika sy fahefana ahafahana manova ilay rafitra maloto kosa anefa dia tsy miraika loatra hitondra fanavaozana satria mahazo tombony amin’ny fahalóvan’ilay rafitra. Rehefa tafiditra ho anisan’ireo olona afaka manitsy ilay rafitra ny mpanao politika dia mahazo fafiny sy tsirony ka lasa mora manadino ilay idealy nanentana azy teny am-piandohana, dia tsy inona fa ny hanadio ny tontolo politika Malagasy; dia lasa variana milomano ao anatin’ny pasy tolaka, ny didy antsy, sy ny kopy soroka ary ny fombafomba politika izay tokony amboarina. Mbola Catch-22 koa io.

Mila manao safidy lalina sy sarotra ny mpanao politika: hifikitra amin’ny soa toaviny ve, sa hiolakolaka toy ny politisianina fatsora? Toa safidy fosika ihany anefa izany: Raha mijaridina mijoro amin’ny idealiny izy dia tsy hahavita hanova n’inon’inona satria angady mondro tsy mahatapa-kahitra; Raha manaraka ny fomba fiasan’ireo mpanao politika efa matanjaka kosa anefa dia tsy hanova n’inon’inona satria hahazo tombony amin’ilay fahalóvana. N’inon’inona lálana finidiny dia mitovy ihany ny vokany: tsy voahitsy ilay rafitra tian-kovaina. Mbola endrika Catch-22 koa io safidy fosika io.

Izay sy izay ary no mba heveriko fa mampikatso-22 ny ezaka na tetika entina manitsy ny fanaovana politika eto: Tsy afaka manova raha tsy tafiditra ao anatin’ilay rafitra, kanefa izay tafiditra ao anatiny dia tsy te hanova. Dia hilaza izao ianareo hoe inona ary no vaha-olana. Eo indrindra isika izao.

--

--