Ilay Tontolo Andro Gidragidran-dRazoharimanga

Soamiely
On Madagascar
Published in
25 min readApr 10, 2017

--

Fa angaha moa izaho ity raha toa ka be-tsy-miteny dia azonareo araraotina hanalana vokona isak’izay mahatsiaro? Angaha koa moa izaho raha mipiripirina sy mandefindefitra dia heverinareo fa hanaiky lembenana mandrakariva? Ary angaha moa izaho raha tsy dia mba mahay mandahatra ka tsy mahay miady hevitra aminareo dia azonareo itsakitsahana toa ny vatolampy?

Izaho anie ry zareo mba olona mitafy nofo aman-dra sy mifono hoditra toa anareo ihany e! Mba sendaotra ihany aho raha injay tafahoatra ny kaofiraoka sy ny amboletra. Mba mitraotra ihany raha mavesatra loatra ny tsindry. Mba mivoaka koa ny moniko rehefa mihetsika ny devoliko.

Tena saika nihetsika tokoa anie ny devoliko androany e! Fa efa tsy dia tena maninona intsony aho izao kah! Efa tafaverina ato an-trano soa aman-tsara aho izao. Efa mba tonitony kely kokoa. Efa mba tafidina amin’ny antonony ny tosidra-ko. Izay aloha izao no tena zava-dehibe fa tsy mbola haiko izay ho entin’ny ampitso.

Fa lazaiko marimarina aminareo fa henjana anie izay nahazo ahy androany izay e! Asa raha efa renareo ilay tononkalon’i Soanampoinimialy mandeha ohatra an’izao: “Izato ianao rafahatsorako, toa nanjary rotidrotiky ny tsifahatokisantena: moa tsy zary potipotika?” Tsy tena tadidiko tsara ny fandehany — izaho mpanety fa tsy poety — fa revy ohatr’ohatr’izany ry ireto no nitranga tamiko androany an!

Vao nifoha mihitsy aho androany dia efa savolaina. Mbola tsy nihiratra akory ny masoko dia efa romodromotra aho. Tsapako nangotsoka mafy ny tany anatin’ny taolako rehetra tany. Hanorana be ny andro anio, izay no dikan’io fanaintainana vao maraina io. Vao maika aho kizitina raha nahatsiaro fa hay moa izaho ity sady tsy nanana elo no tsy nanana ragla. Nindramin’i Dadafara Joachim ny eloko ary mbola tsy naverin’i Mireille zanany foana hatramin’izao ilay kapaoty nampindramiko azy efa roatokom-bolana izay. Nefa azoko antoka, 83 isan-jato fara-fahakeliny, fa ho avy be ny orana amin’ny atoandro eo.

Nandraingiraingy sy nikisakisaka mihitsy aho vao tonga tany am-piasana fa nanaintaina be tsy hita velively ny kibon-dranjoko ankavanana. Efa mba nosorako an’ilay katrafay nampitondrain’i Neny an’i Mireille ihany fa tena tsy mandaitra ilay menaka. Efa mba namango mandravasarotra sy nihevo-dranomena koa anie aho fa eeeh! Angamba tsy ampy ny daozy. Farafahakeliny aho tara fahefan-kadiny vao tonga tao amin’ny Julien Coiffure. Niferinaina izaitsizy aho teny an-dalana. Ohatran’ ireny voam-boaloboka maventy ireny angamba ny atsembohako. Anisan’ny zavatra tena tsy tantin’ilay lehibe-nay mihitsy mantsy izany hoe mpiasa tara fidirana izany.

Sarotiny mihitsy io lehibe-nay io mikasika ny fanajan’ny mpiasany ny fitsipi-pifehezana ao amin’ ny toeram-piasana. Izay toe-tsaina tsy manaiky kitoatoa na gaboraraka izay rahateo no tena nahalasa azy lavitra be ohatra an’io. Vitsy angamba no tsy mahalala an’i Julien Patrick Ravorombola, 42 taona, ilay mpanety volon-dehilahy malaza, nahazo marimpahaizana manokana sy avo lenta mikasika ny hetivolon-dehilahy avy tany Montpellier, Frantsa, sy mikasika ny fandraharahana (certificat, par correspondance) avy tany Leuven, Belzika. Avy any aminay any Ankazomilamina — tanana kely sahabo telopolo tafo ao andrefana kelin’Ambodigony Gara any Vakiniadiana any — izy. Taranak’ilay Governora Madinika sady Lehiben’ny Mpanetivolo tao Anatirova tamin’ny andron-dRamoma sy Razafindrahety antsoina hoe Rabemazava 12 Voninahitra. Vato nasondrotry ny tany tokoa i Julien Patrick, tena tabianay valala-mpiandry-ny-fasany sy reherehanay zazanavelan’ny ankizin-drazany.

Misy barometatra tsy mandainga mihitsy angamba any anaty taolako any. Araky ny vinavinako anikeheo maraina dia nanomboka nirotsaka tokoa ny oram-batravatra sy ny oram-baventy teto antampon-tananan’i Vohitsara tamin’ny mitatao vovonana. Soa ihany aloha fa tsy nisy rivotra na avandra. Mbola tsy mitsahatra izy io amin’izao fotoana anoratako an’ito sombintatara saridegany nefa matomatotra ito ho anareo — efa dilan’ny amin’ny valo ora alina izao.

Tsy mba fanaon’ny Ambaniandron’ny renivohitra hono ny mihety avy orana — satria “Izay ambanam-by ambany orana, hono, ambaniandro ambanam-baratra.” Nangingina sy nilamindamina arak’izany ny tao am-piasana androany. Zara raha nisy vahiny telo na efatra tonga tao amin’ny Julien Coiffure teo anelanelan’ny tamin’ny roa sy tamin’ny dimy ora. Nivalapatra teo amin’ny seza avo mifono hoditra menamena fiandrianan’ny mpihety, nitazatazana mpandalo mivezivezy eny amin’iny Araben’ny Firaisankinam-Pirenena vao notokanan’ny Filohan’ny Fanjakana Tetezamita Maharitra iny avy teo am-baravarankelin’ny salon, ary nanokon-dresaka teo fotsiny ry Julien Patrick niaraka tamin-dRadofa, 45 taona, sy i Dadangory, 56 taona, mpanety matihanina sy ikoizana mpiara-miasa taminy.

Izaho kosa moa nikokofoka tery anjorom-bala somokotra mafy nanao ny raharahako. Nanongilantsofina ihany anefa aho fa mba te hihaino ny tavindresak’izy telo lahy mpanety. Mamafa trano, mampirina entana, mandamindamina ny fitaovana sy ny kojakoja isankarazany fampiasan-drizareo mpanety, ary irakiraka madinidika, … karazan’asa aman-andraikitra toy izany no nankinin’i Julien Patrick tamiko. Dimiambinifolo volana ngarangidina aho izay no nanomboka niasa tao amin’ny Julien Coiffure, rehefa voatery niainga ankamehana sy niala mangingina tany Ankazomilamina.

Manana traikefa mihoatran’ ny fito taona ary tsy mena-mitahy amin’ireo tena kalaza eo amin’ny sehatry ny hetivolon-dehilahy aho. Rehefa nodinihiko tsara tokoa mantsy ny kalitaon’ny hetivolon’izy telolahy matihanina dia tena tsy mifankaiza loatra amin’ny zava-bitako. Taranja tena haiko ary farak’izay tiako ny hetivolon-dehilahy. Io no anto-pivelomako tany Ankazomilamina talohan’ny niakarako teto Vohitsara. Na izany aza anefa, tsy mbola navelan’i Julien Patrick hikasika ny volon’ny vahiny mpihety mihitsy aho mandrak’ity ny androany.

“Tsy vitan’ny fahaizana hetivolo ry ise ny asan’izany coiffeur-pour-hommes izany a!” hoy i Julien Patrick tamiko tapa-bolana taorian’ny nanombohako niasa. Nanontaniako taminy ny antony tsy namelany ahy hanety. “Mila mahay miresaka sy manambitamby vahiny foana. Mila mihaino azy tsara, dia mamantatra ny mombamomba azy. Tena mila atao a l’aise tsara ilay olona hetezana raha izany izy tsy miverina eto intsony. Tena kandran-dehilahy izy ity fa tsy an-jazabelelo, ka aza maikamaika loatra e!”

“Haiko tsara ny maha-en l’aise ny vahiny mpihety, Ramose a!” hoy aho, natoky tena fatratra. “Efa aman-taonany aho no nandeha nitety tsena sy namonjy foara tamin’iny faritr’i Vakiniadiana iny. Manontania ianareo olona eny Mantasoa na Manjakandriana, eny fa na any Ambohimalaza sy Ambohitromby Havana aza, fa tsy misy tsy mahalala ny fahaizan’i Manga eny amin’iny faritra iny e!” Saika kofon’ny rora sy toran’ny hehy i Julien Patrick sy Radofa nandre izany teniko izany. Fihomezana anie izany rey olona e! Tsy hitako loatra hoe inona no nampihomehy tamin’ny zavatra noteneniko, mba nihomehy niaraka tamin’izy roalahy koa aho.

“Oh ry Manga an!” hoy i Julien Patrick, tapa-tsinay. Herizo no tena anarako any anaty bokim-pianakaviana any, Herizo S. Razoharimanga, nefa tsy mba nisy niantso ahy tamin’io mihitsy ankoatra an’i Dominique, ilay sipako taloha, ilay nahodin’ilay Zandary tany Ankazomilamina, izay niantso ahy hoe Herizo (na Zouzou rehefa miangotigoty te hividianana zavatra iny izy). Manga foana no fiantsoan’ny olona ahy efa hatramin’ny mbola kely mihitsy. Mety tsara amin’ny volon-koditro hono io anarana io hoy i Neny. “Tena badraodra mihitsy ise ity ka! Aty amin’ny tanan-dehibe anie ise izao fa tsy any ankodahoda anaty akata intsony e! Renivohim-pirenena no misy an’ise! Tsy ny manafo na ny tambanivohitra badolahy toy ny fahitan’ise any amin’ny tsenabe an’Ambodigony Gara, ny olona tonga manety volo ato amin’ny Julien Coiffure fa karazan’olona hafa mihitsy.”

“Ialahy ity leitsy ry Manga tena mahavariana mihitsy indraindray!” hoy Radofa nanadroadro sady nivanitika. Hovalahy solaloha, be kibo, kanefa fohy dia fohy, avy any Vakinakaratra any ilehio. Bebe resaka, mahay vava, ary mivatambatana fiteny ery izy izay. “Ohatry ny olona mitapy. Tena, tsss! ”

“F’a ahoana?” hoy aho, niankanankana kanefa tsy naharitra fa nanontany na dia fantatro aza fa hankarary ahy ny valiteniny. Tsy haiko loatra izay antony fa vao nanomboka niasa mihitsy aho dia tsapako fa tsy tia mainty ahy io Radofa io ary tsy nijanona nanabatibaty ahy. Hitako toa kiriko fijery izany izy rehefa mahita ahy. Tsy haiko aloha an!

“Fa ahoana amin’ny ahoana indray ary? Olona mahay taratasy sy nandrato fianarana ange leitsy ireny clients-an’i Pata ireny e! Direkitera sy Tale Jeneraly no betsaka. Misy minisitra vitsivitsy koa. Indraindray aza tena misy an’ireny Malagasy tsy miteny malagasy intsony ireny. Dia mba inona moa no ho resahin’ialahy amin’ireny olona ireny? Sa hiboredika hitantara ny soratr’ombin’i Lemena sy ny tanim-barin’i Lesabotsy? Vao mahita ny paozin’ialahy angamba aloha izy dia hieritreritra hoe dahalo ve sa mpangaro-paosy ito botokely manety ny voloko ito. Mainka fa maheno ny firesak’ialahy sy ny fofon’ialahy, angamba izy tonga dia hirifatra lasa mitsaoka.”

Teny mahery ohatr’izany hatrany no fanaon-dRadofa. Teny mandratra. Teny mihantsy ady. Rehefa mba te hamaly azy na te hiaro tena anefa aho dia mazàna tsy mahatafavoaka na fehezanteny kely variraiventy iray aza, fa ohatry ny ngonongonona fotsiny no mivoaka ny vavako noho ny tsy fahatokisantena. Izany angamba no atao hoe “izay voa-vonovorona mingonongonona, izay voa-voa-vonololo mihorohoro”? Ny hany azoko natao? Nodiako tsy hita sady tsy re ireny teny manafitohina ireny. Indraindray rehefa tena tafahoatra dia afeniko ny hety sy ny fiogony. “Mbola hivaly aminy daholo anie izany hetraketraka izany,” hoy aho an-ankampo nanamboatra saina.

“Sao dia mba lasa sangy mihoatra ny loha kosa leitsy ry Dofa io ataon’ialahy io an!” hoy i Dadangory, tsy naharitra fa nitsaingoka an’ilay resaka. Andriandahy efa zokinjokiny somary vavivavy fihetsika avy any Amoron’i Mania any izy io. Jean Chrisostome Rangorimalefaka no tena anarany. Toa Mopera hono izy taloha fa niala. Nifankahazo resaka tsara izahay mianaka ary tsapako fa na dia tsy miteny aza izy dia mba antra anahy ihany rehefa mahita ny amboletra sy ny angaredona ataon’i Julien Patrick sy Radofa amiko. “Izay hankarary an’i Manga foana no toa mahamay an’ialahy. Tandremo sao dia ifoteran’ny tsinin’ny mpanety.”

“Aza dia raisina am-po loatra, zandry, izay lazain-dRadofa fa bandy njainjay sy maramara kiranina izay ilery io indraindray,” hoy ny torohevitr’i Dadangory nony avy eo. “Aza henoina akory aza fa sao tsy ho tantin’ialahy. Mila manao mafitoto sy mahatanty shock ary mahari-pery tsara ialahy raha te ho tamana ato ampiasana na eto Vohitsara.”

Tsy niteny aho fa naleoko tsiky no nanehoana ny fisaorana sy ny fankasitrahana azy. Tiako notenenina tamin’i Dadangory fa mahay miaro tena tsara aho na dia ohatry ny mandefindefitra foana aza. Tiako nolazaina taminy koa fa tsy ampahafirin’ny vono sy daroka nataon’ilay kapiteny zandary — ilay nanao ny famotorana sy fanadihadiana mikasika ny ompa sy daroka nahazo ny Sergent Daniel, ilay nanadala an’i Dominique ka nodarohan’i Tsiroa sy i Telolahy ka saika maty — tamiko tao amin’ilay ala-bararata tery ambadik’ilay Tobin’ny Zandary ao akaikin’ Ankazomilamina. Tiako naseho azy ny sisa tavela tamin’ilay hohon’ny ankihibe-tanako avanana saika nesorin’ilay kapiteny maimbo ra iny. Tiako notantaraina taminy daholo izany. Asa anefa fa tsy voateniko fa vao misokatra ny vavako dia tonga vahotra ny lelako.

“Aleo aloha ise, ry Manga, mifantoka amin’ny dio-trano sy ny sisa,” hoy i Julien Patrick namarana an’iny resaka iny. ”Aza mbola mitonantonana manantonantona ny mpihety volo mihitsy aloha ise fa banjino avy lavitra fotsiny ny ataonay telo lahy. Any aoriana any angamba rehefa zatra tsara ialahy mety avelako manety ny volon’ny ankizy tonga ato. Sa ahoana, hoy ise?”

Tsoriko fa tena diso fanantenana kely aho tamin’izay. Kanefa inona moa no azoko navaly ankoatry ny hoe “Eny, tompoko!” Tsy mba havanana tamin’ny fitenenana na ny adihevitra loatra aho. Tsy mba nahay nandresy lahatra na niaro ny tombotsoako fa dia toa nanaraka ny hevitra sy izay tapaky ny hafa teny foana. Zara aza mba nomen’i Julien Patrick an’io asa io aho nony voatery nifindra teto Iarivo taorian’ireny zavatra nitranga tany Ankazomilamina tamin’ny herintaona ireny.

“Oaray leaza! Ary toa manofinofy fotsiny ise izany ry Manga an!” Taitra tampoka aho naheno ny kitakitan’i Julien Patrick. Nila naka aina kely aho, nanafosafo ilay kimbon-dranjoko mangotsoka sy drodroka teo am-pamafana trano. Izy telo lahy tamin’io mbola natavitavy resaka sady nibanjina ireo olona nanao soamaroroka na nihazakazaka namonjy fialofana teny amin’ny Arcades teny amin’ny Araben’ny Firaisankinam-pirenena, na nanenjika taxibe tery akaikin’ny garan-damasinina. “Mba mailamailaka moa ry ise rehefa manadio trano an! Medameda, mahatsiravina izay raha olona!”

Zokiko amam-bolana i Juilien Patrick. Izy moa miantso ahy hoe “Ise” sy i “Manga,” Izaho kosa miantso azy hoe “tompoko,” na “Ramose.” Tsy mba nifanao “ialahy” izahay mirahalahy. Efa ela no nahafantarako an’i Julien Patrick sy ny fianankaviany. Nefa izy milaza fa tsy mahatadidy ahy akory. Rehefa tonga tany ambanivohitra rizareo dia tsaroako tsara fa tsy dia mba nivoaka ny fiara mihitsy i Julien Vazaha (fa izay moa no fiantsonay azy noho izy fotsifotsy fihodirana sy manao akanjo vaovao sy kiraro madio be foana) namaky boky na nihaino hira tamin’ilay auto-radio-kasetin’ilay Mazda an’ny rainy. Indraidray izy misotro Coca-cola na Fanta, dia mihinana bombo sy sokola avy tany andafy. Variana ery izahay ankizin’ny tanana nitsikilo sy nijery azy avy lavitra, tsy sahy nanantona nefa nanongilantsofina mafy ery nihaino ny kasety nisy hira vahiny fihainon’ny ankizin’Iarivo sy nitsiriritra mba te hiaraka taminy tao anatin’izany atao hoe fiara 4x4 tsy mataho-dalana izany.

Raha sendra mba nivoaka ny fiara moa i Julien Vazaha fa andeha hivalan-drano ery ambodihazo ohatra, dia lasa nirifatra nandositra tany an-dohasaha izahay ankizy rehetra. Sady nitsoaka tongotra an-katoka no nivanitika sy nihiaka mafy hoe “tandremo fa miala any ny Vazaha mpangarika tambanivohitra e!” Sangisangy kilalao ihany moa ny anay tamin’izany kanefa toa sangisangy zary tenany koa. Hatramin’izao aho dia mbola matilolo sy matahotahotra an’i Julien Patrick. Hatramin’izao koa ny tambanivohitra amin’ny ankapobeny dia mbola kaodikaody sy miafiafy rehefa sendra olon’ny renivohitra.

“Mandreraka be ny mijery ny havoretran’ny salon tato ho ato!” Niezaka mafy aho tsy ho taitra loatra rehefa mandre ny taimbava sy ny kitakitan’i Julien Patrick satria efa ho isan’andro vaky izao dia tsy maintsy mahita irika hanapempoana ahy foana. “Tena manala baraka sy mahamenatra ny loto sy fofon’ise indraindray.” Oadray leaza an! Mba tafahoatra kosa ny teniny indraindray. Izaho anie ry ireto ka mandro amin’ny rano mangatsiaka sy mihosotra alamo ary manotsambava amin’ny savony manitra indroa isanandro e! Tsy mba mahita zavatra havaly azy mihitsy anefa aho ka dia miezaka ny ho tony fotsiny. Tsy mba sahy nifanditra na niady hevitra taminy aho na dia nanana ny rariny aza. Tsy mba nahay nandresy lahatra dia voatery niafiafy ny jadon’ny hafa teny foana.

“Hita mihitsy fa botokely kamolahy,” hoy Radofa, nitodika taty amiko niaraka tamin’ny fijery feno rikoriko. “Aiza moa ilay firenena no handroso? Fantatr’i Pata moa fa ny 85 isanjaton’ny Malagasy ange ka tambanivohitra dontovelona sy badraodra ohatra an’io faikan’olona io e? Tena tsss!”

Narary ahy aloha ny ompa nahazo, fa ny tena nampalahelo ahy dia tsy ny olona eto Antananarivo ihany fa na ny olona any ambanivohitra aza dia betsaka no mitovy hevitra amin-dRadofa — ka mino fa vendrana daholo ny olona avy any ambanivolo.

Betsaka ny olona manararaotra an’izany fiheverana izany ka manao tery vaimanta anay tantsaha. Alainy tsy an-kiera ny vokatray. Ataony ampihimamba ny taninay. Ambakainy izahay dia lasany ny fanananay. Eny fa na ny vehivavinay aza indraindray ahodiny. Tena misy ary efa tena nitranga tamiko io farany io. Norebireben’izay Sergent Daniel izay tamin’izao atsanga tsy aman-orana izao i Dominique, ilay sipako taloha, dia lasa nanaraka azy tany amin’ny Toby Zandary teo akaiky teo. Tena nalahelo aho. Nangoraka ahy ery tamin’izay ny ankamaroan’ny tovolahy tao an-tanananay — “Raha ny sipan’ny akama hono no misy maka, ny iray tanana no tapa-tsalaka.” Dia nisy mihitsy aza hevitra niainga tampotampoka tany ambadika tany hoe andao hanao ‘peration komando hanafika ny Tobin’ny Zandary ary hanavotra an’ i Dominique, sipan’i Manga.

“Toa tsy 85 isanjato no izy ka!” hoy i Julien Patrick namaly an-dRadofa. “Toa statistika efa taloha izany. Raha ny nolazain’ilay Direkitera ao amin’ny Ministera tonga nihety volo afak’omaly iny dia toa efa 70 isanjaton’ny mponina hono sisa izao no tambawax, fa efa miakatra aty an-tanandehibe daholo ry lerony izao. Source sure io a!”

“Yee! 72 isan-jato no izy.” Mba niteny koa i Dadangory. “Hitako tao anaty gazety omaly io tarehimarika io. Betsaka ihany aloha izany e! Ka ny any amin’ny dezaka kosa anie be dahalo ka mandry fotsy an-driranantsy ny akamaroan’ny tantsaha e! Dia izay no antony iakarany aty an-denvohitra.”

“Tsy misy dahalo izany any ry Tonton, fa izy samy izy ihany no mifampangalatra any an!” hoy Radofa. “Tokony mijanona any amin’izay misy azy any ny olona toy itony fa tsy tonga mandoto tanana aty amintsika fotsiny e! Tokony manao ohatra an’i Donald Trump ilay deba bekintana ange isika eto Vohitsara e! Asiana an’irony tamboho gasy be irony manodidina an’Antananarivo. Dia izay olona manana BEPC ihany fara-fahakeliny no avela hiditra ny tanana!”

Nanivingivin-doha fotsiny aho tsy nino fa tena misy olona misaina ohatr’izany. Raha mba fantany mantsy fa raha ny sitrapoko anie dia tsy nankaty Antananarivo izany mihitsy e! Naleoko lavitra nijanona tany Ankazomilamina. Izaho moa votsavotsa firesaka izay ka naleoko tsy niteny aho anefa fa sao dia mampifamaly.

Raha mba nahay niresaka aho dia nazavaiko taminy ny tena antony nitsoahako ankamehana ny tany Ankazomilaminaka ka nifindrako teto Vohitsara. Raha mba nahay nandahatra aho dia nolazaiko taminy fa nisy namanay anakiroa tokoa tena saika nanao ilay ‘peration hanavotra an’i Dominique tany amin’ilay Tobin’ny Zandary teo akaikinay, fa izaho sy ny ankamaroan’ny namana tsy nahafantatra ary, na nahafantatra aza, tsy nankasitraka an’izany. Raha mba kinga vava aho dia nambarako taminy ny fomba nisamboran’ilay Kapiteny anahy avy tao antranon’i Neny, dia notantaraiko taminy fa votsa vava loatra aho ka tsy naharesy lahatra an’ilay Kapiteny hoe tsy anisan’ny nikotrika iny ‘peration iny, dia novelabelariko taminy ireo habibiana nahazo ahy nanditry ny famotorana tao anatin’ilay ala-bararata tao ambadiky ny toby.

“Ry zalahy itony ange tonga aty amintsika dia manendaka sy mangalatra ary mamono olona fotsiny no ataony e!” Sady nijery ahy ihany Radofa no niteny an’io. “Tambawax nivadika ho fozaorana e! Ohatry ny dracula nivadika horera ihany! Ny fomba sy ny toetra ratsy mahazatra azy avy any ambanivohitra any ihany no entiny aty. Aiza moa ny vazaha mpizahatany no ho tonga intsony? Matahotra anie izy fa sao dia voaendaka na voadaroka mihitsy aza! Tena sauvage mihitsy anie ry Pata itony tambanivohitra itony e!”

Ohatry ny hoe tsy olona aho, ohatry ny hoe tsy teo akory aho, raha ny fomba firesaky ry zareo. Inona koa moa anefa no azoko natao? Nivonkina tsy satry ny totohondriko, nihenjana ho azy ny sandriko. Raha ny tena tokony ho izy, raha mba sahisahy aho dia efa voadaroka izy roalahy ireo. Indrisy fa mbola voatsindry lava ka tsy sahy mitraotra, “Angamba matilolo ka mbola niaritra an’izany,” hoy ny hiran’ilay namako anyAmbohijatovo Ambony izay.

Izaho rahateo moa tsy mba tia mampiasa herisetra izany. Io fampiasana herisetra io indrindra no nahatonga ilay tranga nahatsiravina tany Ankazomilamina ka saika nahafaty ny Sergent Daniel ilay nanadala an’i Dominique sipako taloha, ary nampanjavona anazy roalahy namako, Tsiroa sy Telolahy, izay nikotrika an’ilay tetika isokirana an’ikala avy tao anatin’ny tobin’ny zandarimariam-pirenena.

Tsapako niakatra avo be ny tosi-dra-ko ary nidobodoboka be ny foko. Ny kibondranjoko rahateo moa tsy nijanona nanao ny nataony hatry ny maraina. “Ento milamina leitsy Razohary an!” Izay no naverimbiko tao an-tsaina. “Mbola ilain’ialahy ity asa ity ary tsy afaka miala ato ialahy raha tsy mahita fidirambola hafa.” Na ny hofan’ilay efitranoko aza efa mila tsy ho takatro. Tsy efitrano akory anefa ito ipetrahako ity izy fa tranon’akoho raha ny marina. Soa ihany aza aloha fa mba nanaiky ny hampiatrano ahy tato ry Dadafara Johachim — na dia tsapako aza fa tena manambaka havana mihitsy iny rangahy iny.

“Fantatr’i Pata moa fa nihena 20 isanjato ny mpizahatany tonga teto Madagasikara tao anatin’izay dimy taona farany izay?” hoy i Radofa, mampidera ny fahaizany. Isan’andro izy dia tsy maintsy manonona tarehimarika statstika iray na roa hisehosehoana.

“24 isanjato, fa tsy 20, no tena marina ka!” hoy i Julien Patrick nanitsy azy. Isaky ny mamoaka tarehimarika Radofa dia somary tsarainy kely foana fa sao hono dia miakatra avo loatra ny moral. “Ny DG an’ny minisitera no niteny an’io tamiko vao herinandro izay. Donnees fiables!”

“Yee! 22,34 isanjato no tarehimarika navoakan’ny PNUD, tao amin’ny Rapport-n’ny Banque Mondiale farany teo,” hoy i Dadangory, mba mampidi-dranoketsa.

Dia nitohy teo ihany moa ny resaka toy izany nifanaovan’izy telo lahy. Indrandray miova kely ny taranja ka miditra ny resaka lamaody, didy akanjo, ary hety volo. Dia avy eo miverina toekarena na politika, elanelanin’ny fibetrohana sy fanabatibatiana ahy. Taloha kelin’ny tamin’ny efatra sy sasany dia hita fa efa leoleo sy monamonaina an’ilay resaky ny mpanety i Julien Patrick ka tsy dia nahenona teny betsaka loatra intsony.

“Toa kevikevin’ny mbola ela vao hitsahatra io orana io lehiretsy” hoy izy mantsy azy roalahy mpanety tamin’ny dimy latsaka kely. “Raha te hody ianareo roa lahy dia mandehana, fa tsy misy clients ho tonga intsony angamba androany.”

Samy lavi-podiana moa izy roalahy ka faly ery mba navela nody aloha. Nangorona entana kitakitana izy dia ohatry ny tsy teo nibarakay namonjy fodiana. Izaho moa amin’io mbola teo am-pandaminana ny fitaovana isankarazny teo amin’ilay etazera fanisy kojakoja. Niandriandry ihany aho, nanantena mba ho avelan’i Julien Patrick hody aloha toa azy roalahy, fa tena tsy azoko ny aiko ary nanaintaina tsy nisy ohatr’izany ny ranjoko sy ny taolantehezako, kanefa toa tsy izany loatra no tao antsainy. Vao mainka koa aho niha-lotika sy laginina be!

Tsy nanatona na nanaka-dresaka tamiko i Julien Patrick fa nipetraka irery dia namadibadika gazety sy revio teo, dia nikirakira iny finday-ny iny. Tamin’ny dimy sy fahefany teo izy no nahazo antsom-pinday.

“Mila mandeha izao dia izao aho fa misy olona tsy maintsy vonjeko any Manakambahiny,” hoy izy tamiko vao vita ilay antso. Nisy baoritra kelikely nipetraka teo amin’ny etazera izay natorony ahy: “Mba ranitin’ise kely ny hareza ao anatin’io boaty io rehefa vita voakosoka sy voafafa ny gorodona. Ise izany no manidy ny salon androany. Ataovy azo antoka fa milamina tsara ny trano, maty daholo ny jiro, ary mihidy karetsaka daholo ny varavankely izay ise vao miala ato an!”

Dia iny koa izy no lasa tsy mba nanao veloma ahy akory. Izaho irery sisa no tavela tao amin’ny salon. Novitaiko haingana ny fanadiovana na ny gordona na ny fitaratra na ireo seza fipetrahan’ny vahiny. Tsorina kosa aloha fa fanadiovana maikamaika no nataoko, alasafay sy tandrarevaka mihitsy aza. Efa vizaka sy romodromotra ny fanaintainana sy ny fanapempoana nahazo ahy ery aho tamin’izay, ka tsy tena te hivaky loha intsony.

Naka toerana teo amin’ilay seza avo fipetrahan’ny vahiny mihitsy aloha aho niala sasatra kely. Tsapako efa ambony be ny tosi-dra-ko ary ohatry ny narary ny lohako. Rehefa nahazoazo aina kely aho dia nosokafako ilay baoritra nisy hareza. Nisy hareza dimy na enina tao. Tsy irony hareza fanary na irony razoara misy lame fisaka fampiasa an-trano irony, fa tena irony hareza toy ny antsipika irony — misy tahony dia misy ilay lelany faran’izay maranitra izay aforitra ao anatin’ilay tahony rehefa tsy ampiasaina. Tsy dia fahita firy intsony izy ireny ankehitriny fa mora mandratra raha tsy mahay mampiasa azy. Ny mpanety matihanina sisa no tena mampiasa azy. Hareza toy ireny no fampiasako tamin’izaho mbola nitety tsena. Toy ireny koa no antsy nampiasain’ilay kapiteny zandary tsivalahara nanao anterivava ahy tany Ankazomilamina rehefa nisy nilaza taminy fa niray tsikombakomba tamin’ireo roalahy nidaroka ny Sergent Daniel aho.

Manjavozavo be ihany ny fandehan-javatra tamin’iny andro iny, fa toa tsy tonga tany amin’ny Tobin’ny Zandary akory hono i Tsiroa sy Telolahy fa teny an-dalana no nifanena tamin’i Daniel sy i Dominique nifampitantana. Dia toa hoe naton’izy roalahy angaredona teo hono ilay Sergent Daniel, ka tena potipotika sy raparapa saika tsy nisy azo nandraisana azy intsony.

Teo ampandranitana ny harezan’i Julien Patrick indrindra aho no nisokatra tampoka, toy ny notsofin’ny rivomahery ireny ny varavaran’ny Salon. Avy eo, indro nisy rangahy kely anakiray niditra ary nanakarapoka ny varavarana hihidy. Lehilahy zarazara fihodirana, fohy, manify, ary masiaka maso no hitako nijoro teo anoloako. Nanao akanjo mihaja: palitao manga antitra, lobaka mavokely, kiravaty manga tanora.

Nitombo indray ny hasorenako nahita an’izato olona kombiany kely kotsan’orana nijoro teo anoloako teo anivon’ny salon. Feno fotaka ny kirarony. Mitete eran’ny gorodona ny ranon’orana mirotsaka avy amin’ny akanjony. “Lelika e! Tsy maintsy hanadio an’io gorodona io indray izao izay vao afaka hody, legon’a!” hoy ny ngonongonona antsaiko.

“Azafady indrindra, tompoko fa efa mikantona ny Salon!” hoy aho, miezaka mafy ny ho tsara fanahy sy ho sariaka.

“Fa aiza i Julien Patrick?” hoy izy nibetrobetroka sady nitoditodika amin’izato maso masiaka dia masiaka. Velom-panontaniana ho azy aho hoe mba taiza ary no nahitako an’io zalahy pota kely io? Tsy vaovao tamiko loatra mantsy na ny masony na ny endriny na ny bikany.

“Tena vao lasa teo mihitsy izy Tompoko! Nakatony aloha ny Salon androany noho ny orana. Rahampitso indray izy vao mandray client!”

“Oay leaza an! “ hoy ilay rangahy vao maika nivatravatra. “Mbola tsy amin’ny enina akory anie izao. Inona koa ary izany lelika an! Tena tsy miraharaha clients mihitsy ialahy isany ireto an!”

“Ka ny orana kosa anie ramose tena mazana be e! Azonao ihany e!”

“Tena tsy azoko mihitsy izay tenenin’ialahy ry ileiry an!” Nivatravatra ery ny anao lahy niteny an’io. Sady ny pitidrorany amin’izay mameno ny tarehiko. “Misy soratra mazava be eo amin’ny fidirana io hoe amin’ny enina ianareo no mikantona. Raha tsy diso aho mbola tsy amin’ny enina izao. Na inona na inona, mila mandeha fanasana any amin’ny Colbert aho anio alina! Mi-demerde ialahy fa ny fantatro dia tapaka ny voloko vao miala eto aho.” Mazava loatra fa mbola nitombo dimy na enina heny indray ny tahan-kasosorako — izaho efa lagy sy valaka iny mbola ni-emmerder-n’ilay tavan-dreniny io ihany. Tao anatin’izany savorovoro anaty nahazo ahy izany dia tsikaritro fa ohatry ny efa henoko izany ilay kiakiaka sy vazavazan’ilay olona kely teo anoloako!

“Aza misendaotra i Ramose e!” Nanandrana ho tony sy hampitony ihany aho. Ny fidoboky ny foko tao an-tratrako tao anefa tamin’io efa malaky dia malaky tokoa. Ny tosi-dra moa aleo tsy resahina akory, fa sao vao mainka miakatra eo. “Afaka tapahako tsara ny volonao, fa aza manahy.” Fantatro fa tezitra be i Julien Patrick raha fantany izao. Angamba dia ho voaroaka tsotra izao ity mpanompolahinareo. Kanefa inona ary no ho lazaiko an’ilay vahiny? Sady izaho koa efa ela be no tsy nanety volo, ka nagidihidy ery ny tanako te handray hety. Mafy tokoa ny vava sy ny kiredy isan-karazany ary ny fanaintainana nosedraiko androany, ka mba nila nanala vokony kely aho.

“Tsy problem’ko izay hanao azy, fa rehefa voahety madio tsara fotsiny ny voloko dia izay no zava-dehibe. Ny ankoatra an’izay Je m’en fous!”

“Mahazoa ary toerana, Tompoko! Hanidy varavarana aho dia lasa izao.” Nidiko karetsaka ny varavarana sao dia misy olona hafa tonga koe ka ho tavela alina ato aho. Avy eo dia nopihako ilay jiro vita kalisoratra goavana teo amin’ny varavarana manao hoe “Julien Patrick” lehibe manga sy mena eo ambony ary “Salon de Coiffure pour Hommes, 10:00–18:00” fotsifotsy kelikely eo ambany.

Nony tafapetraka tsara teo ambonin’ilay seza avo ilay vahiny dia novelariko teo amboniny ilay serviette tablier manga sy mavo fataonay aro-akanjo. “Aleo asiana an’ity dia amin’izay tsy feno volo ny lobaka tsara tarehy iny!” Somary navonako kely ilay tady mifehy azy amin’ny tendany. “Tsy tery loatra an!” Noraisiko ny hety sy ny fihogo. Avy hatrany dia nanomboka natsakotsakoko tsy ankijanona ilay hety, tsak tsak tsak na misy volo na tsy misy, toy ny fanao’ny mpanety tena mahay ireny. Tsak tsak tsak. “Coupe ahoana moa no anaovana azy ity, Tompoko?” tsak tsak tsak.

“Tsy kasihana loatra ilay eo ambony fa aleo hisy sanga kely. Ny eo amin’ny sisiny sy any aoriana, no atao fohy kely mihitsy! Haingakaingana ialahy fa maika aho a!” tsak tsak tsak Nijery ilay fitaratra be manaraka ny rindrina manoloana anay izy miteny an’io. Tsak tsak tsak….

“Atao coupe militaire izany an?”

“Izany moa no fiantsonareo an’izany taovolo izany? Tsy haiko loatra izay anarany, fa ataovy fohy kely fotsiny ny sisiny e!”

Natomboko avy hatrany ny hetivolo. Azoko ery ny aiko. Fahafinaretana ho ahy ery no nitsatotsatoka an’ilay hety, tsak tsak tsak, eny an-tanako ankavanana, dia nanilika ny volo tapaka tamin’ilay fihogo amin’ny tanako ankavia. Tsy misy zavatra ankafiiziko mihoatra ny manety volo angamba eto antany. Marina raha tsy adinoko hatramin’ilay ati-taolana manjotso sy nanaintaina.

Nanandrana nampiresaka an’ilay vahiny toy izay hitako ataon-dry Julien Patrick sy izy roalahy amin’ny clients-ny aho:

“Ary ohatry ny tsy milamina mihitsy ny tany amin’io filoha bekintana vaovao io an! Sa ahoana hoy ianao?”

Tsy namaly iledala. Tsy nahaliana azy angamba iny resaka iny. Tsy olana izany. Nandramako resaka hafa indray.

“Ary tena tsy henoheno intsony Ramenabila e!? Asa izay nanjo an’iledala!”

Tsy nisy akony, fa fahanginana no setriny. Inona ary ity, leaza? Aleo hivadika taranja.

“Mety misy tokonaina ihany ve ireto Barea ireto e?”

Mbola tsy namaly ihany iledala. Nitraka kely aho dia nijery azy tamin’ny fitaratra. Ny rorako fotsiny no lany teo fa hay tena resin-tory ny anao lahy. Mihesona kely mihitsy.

Tsy ampy folo minitra dia vitako tena raitra ny volony. Na dia efa ela aza izaho no tsy nanety volo dia nandeha hoazy ny tanako tsak tsak tsak. Nokaliako tsara ilay hetivolo.“Mananjina ny fihogo sy ny hety, ka tsy azo anaovana kinanga,” aminay mpikirakira volo.

“Vita ny volonao ramose an!” Somary nodoniko kely izy nony efa vita nilamina sy voabango tsara ny volony.

Nahirany moramora ny masony dia nojereny tamin’ilay fitaratra tsara ny volony vao notapahina teo, nahodikodiny havia ny lohany, nasopirany havanana. Dia indro sombin-tsiky kely nisoritra teny imolony — afa-po i Bain’a.

“Tsy aleo ve haratana kely koa ny volombavan-dRamose io? Mbola manana fotoana tsara isika. Sady vao avy nandranitra hareza mihitsy aho io.”

“Hevitra mety mihitsy izany,” hoy ilay vahiny, tsinjoko nihanalefaka ny fomba fiteniny “Ataovy koa leitsy ny volombavako. Efa efatra andro aho izay no tsy niharatra fa nanao tournee foana — Soamasay, Ampandrana, Maevaviavy, Ankazomilamina … tsy misy farany ny asa any ambanivohitra e! Tena reraka aho izany an!” Tsy vita akory io fehezanteny farany io dia nakimpiny ny masony ary niverina natory izy. Tena vizana ilay ranamana.

Ankazomilamina …? Oaray leaza an! Tena Ankazomilamina ve no noteneniny teo? Fanontaniana maro avy hatrany no nibosesika tao antsaiko. Tena ilay olona eritreretiko tokoa ity matory eo alohako ity? Taitra tena taitra aho. Fahatairana niharo tahotra ihany anefa aloha. Iza tokoa moa no nahalala fa mbola hihaona anie izahay sy ny Kapiteny Raborilahy. Iza moa no nanampo fa ilay olona nahatonga ahy hiala an’Ankazomilamina kay no mbola hifankahita amiko eo Ivohitsara indray! Kanefa dia io matory be io izy …. raha ny fijeriko azy aloha an! Azoko antoka 80 isan-jato farafahalikamatiny.

Ny zavatra voalohany tonga tao antsaiko dia ny hirifatra handositra. Sao dia nitsongo ny diako ka nanaraka anahy aza izy fa mody tsy mahafantatra fotsiny? Sao dia mba miandry ahy ho vita fotsiny aza izy dia avy eo hisambotra ahy? Tena mbola natahotra azy aho e! Mafy ary tena raikitapisaka tao anatiko ny daroka nampianjadiany tamiko tao anaty ala-bararata. Tena koditra ity zanakavanareo ry ireto an!

Nijery ilay fitaratra be aho dia nahita ny taratray roalahy teo. Io anoloako io ilay rangahy nidaroka sy nampigadra (sa namono?) an’i Tsiroa sy i Telolahy. Azoko antoka 75 isan-jato fa izy indrindra io. Hitako eo amin’ny fitaratra koa anefa izaho mitazona hareza maranita. Io anoloako io tokoa ve ilay manamboninahitra niapanga ahy fa nandrindra ny fidarohana ny Sergent Daniel, ary nidaroka ahy tao anatin’ilay ala-bararata? Tena izy mihitsy io e!

“Aleo hipitsika fa sao mihetsika indray ny devolin’io adala be io,” hoy ny soso-kevitra naroson’ilay feon’ny fieritreretako kanosa. Tsy mba minomino foana aho. Fa tena tsapako tampoka teo fa nisy hery nitazona ahy hijanona teo tamin’izay fotoana izay. Hery tsy namela ahy handositra. Hery nanome ahy fasahiana. Tsy nisy tahotra na kely aza tsapako tao anatiko. Tena resaka marina io an!

“Ataontsika madio sy malamalama tsara mihitsy io, Mon Capitaine!” hoy aho taminy moramora no sady nanaparitaka an’ilay raotrantsavony fiharatana manerana ny takolaka, sy ny saoka, ary ny ambany saokany iny. Tena teny nivoaka ho azy io fa tsy fanahy iniako. Na izaho aza gaga tamin’izany fahasahiako izany? Tsapako ohatry nisy hozatra nihenjana tampoka teo amin’ny vozony sy ny sorony.

“Huuh!” hoy izy, angamba efa nanofy. Sa mody manofy?

“Gaga angamba izao mon Capitaine hoe ahoana no nahafantarako fa ianao io e?” Tena nivoaka ny vavako fotsiny ny teny fa tsy voafehiko. “Angamba tsy mahatadidy loatra anahy ianao satria efa betsaka ireo olona nandalo sy voatsindry teo ambanin’i Mon Capitaine.”

Somary nahitsiko sady notereko ho mafimafy kokoa ny tadin’ilay serviette namehy ny tendany. Dia nanomboka naratako ilay nangy voloina ambany kelin’ny sofiny.

“…” Mbola tsy niteny tsy nivolana ihany izy. Mody matory fotsiny io. Tena siora cent-pur-sang aho!

“Ny nifankahitantsika sy i mon Capitaine farany izao dia ilay indray alina tery amin’ilay ala-bararata tery ambony andrefan’Ankazomilamina. Tsy tadidin’i mon Capitaine angamba aho satria tsy toy izao mihitsy ny paoziko.”

“…” Mbola tsy nihetsika ihany. Narahiko tsara mihitsy ny mouvement-de-paika-ny, fa tena mody maty ileiry e!

Nanomboka nieritreritra aho hoe inona tsara moa ny tetik’adiko izany? Dia raha mifoha tampoka eo tokoa moa ilay zalahy ity dia ahoana? Inona no adi-kilé? Nikorontana be ihany ny saiko. Ny vavako anefa toa tsy voafehiko sy tsy mety mijanona fa toa lasa be resaka sy be fandahatra be. Izy aloha azoko antonka 7o isanjato fa tena izy, fa izaho kosa … sao dia mba tsy izaho ary io …

“Tamin’isika nifankahita farany dia naratra be sy niboridana sy nihosompotaka aho. Ka izay angamba no tsy ahatadiavanao ahy? Izao aho mba madiodio. Sady mety takon’ny kiraro brodequins-anao nanitsaka ny tarehiko koa angamba ny salovatavako, ka tsy tena hitanao tsara.”

Oaray leaza! Tena izaho ve no niteny an’io? Fahafinaretana ho ahy ny mandre ny feon’ilay razoara manga mikiky iny takolany marokoroko voarakotra raotran-tsavony iny. Raha izao, hoy aho, anankapo no rasaiko eto ny tendan’ilay tavandrenin’ity dia mba ahoana? Ary raha mba esoriko koa ny hoho tanany? Vitako ve izany? Vali-fingika fingaka leitsy an!

“…” Hitako somary ohatry niketrona kely ny tarehiny. Saika hisokatra ny masony fa tsy nisokatra tampoka indray. Nikoropaka kely aho.

“Sady isika koa moa tao anaty haizina no nifankahita ka mety tsy tena hitanao tsara ny endriko. Na ny endrikao aza anie tsy tena tadidiko e!” Nampieritreritra ahy io zavatra noteneniko io. Tena ny Kapiteny Raborilahy tokoa ve io? Azoko antoka 60 isan-jato fa izy indrindra io e! Nefa asa aloha an!

“…” Izay fa tsinjoko fa nihetsika kely ny tongony, dia nandeha nihaotraotra ny kibony ny tanany, angamba nagidihidy. Fa mbola mikimpy ny masony. Mbola mody fanina be, mody matory an! Miketrika tetika isamborana ahy angamba ilelikalahy ity.

Nanomboka nikoropaka aho hoe inona ary ity ataoko ity? Inona no tetikady? Inona no ho atao raha mifoha izy? Inona no ho ataoko rehefa mifoha izy?

“Tandremo i mon Capitaine manao mahery fihetsika fa tena somary faran’izay maranitra anie ity hareza ity e!” Notohizako naratana ihany iny ambany saokany iny. “Sady raha eto no votsitra tampoka ny harezako dia tonga dia ny lalandra goavana na ny karotida mihitsy no voa an! Vao nodioviko io gorodina io ka tena sahirana aho raha hirarahan’ny ra avy amin’io karotida io ny gorodona a! Sa ahoana, mon Capitaine?”

Tsy hino ny zavatra nitranga tao aorian’izay ianareo. Tantaraiko ihany aloha. Tena kaozy vrai an!

Nisokatra tampoka ny mason’ilay ranamana. Nivandravandra izy nijery ahy. Mody tsy rototra akory aho kanefa ny tao antsaiko efa koropaka be tsy nisy ohatr’izany. Sady tsy nijery azy, fa nanohy nikiky ny teo amin’ny nanginy ankavanana. Efa kely sisa dia ho vita. Nitsiky tamiko izy dia niteny hoe:

“Tena resintory aho zandrikely fa miala tsiny. Tena tsy nahare izay teto ambonin’ny tany aho! Tena izay vao mba azoazoko ny aiko. Inona tsara ilay resaka mon Capitaine nolazainao? Tena tsy nisy reko fa azafady.” Sady nijery ahy tao anatin’ny masoko ihany izy no niteny an’io.

Gaga ianareo raha lazaiko fa poa toy izay dia manjavona ilay hery nitondra fasahiana ho ahy teo. Tahotra sy ahiahy indray no lasa nibosesika tao an-tsaiko. Inona re no ho atao e? Na ny tanako aza somary nangovitra. Tsy nahateny n’inon’inona intsony ilay vavako nitatatata tsy nety nijanona teo. Niverina ho maty lolo indray aho. Niverina ho koditra.

“Tena nilaiko mihitsy ilay la sieste teo fa tena valaka tanteraka aho, Zandrilahy a!” hoy izy nony hitany fa tsy hiteny aho. “Rahariva aho mbola mila mivory amin’ny bailleurs sy ny partenaires techniques isan-tokony.”

“Izany an! Ny bailleurs sy ny partenaires techniques isan-tokony an!” hoy aho. Io no tekinika nampianarin’i Dadangory tamiko: Rehefa tsy azonao ny resaka ataon’ilay vahiny, dia ataovy hoe “Izany an!” na hoe “Marina ve?” dia avy eo avereno fotsiny ny teniny farany.

“Yee! Manomana projet goavana momba ny fizahantany mantsy izahay izao. Dia izay no hitetezako tanana any ambanivohitra io.”

“Ary noheveriko fa zandary miaramila anie ianao e!”

“Sanatria dia sanatria. Tsy lany miaramila aho fa kely loatra! Tsy zandary aho fa Consultant Senior miaraka amin’ny UNESCO aho izao.”

“Marina ve!? Consultant Senior miaraka amin’ny UNESCO an! … Asa raha efa fantatrao fa nihena 22,34 isanjato ny mpizahatany tonga teto Madagasikara tao anatin’izay dimy taona farany izay … Source fiable.”

“Tena tsara ho fantatra izany statistika izany an! Tena ilaiko amin’ny asako tokoa, fa misaotra anao.” Hitako gaga sy talanjona izy naheno ahy nilaza ilay tarehimarika io.

Tsy ela dia vita voaaratra ny volombavany ary tapitra voafafa tsara daholo ny raotra teny amin’ny takolaka sy ny saokany. Hitako fa afa-po tanteraka ny lehilahy. Na ilay maso nasiaka ratsy teo aza hitako niha-nalefaka mihitsy nony nitsangana avy teo amin’ilay seza mena izy.

“Tena hainao tsara aloha ny manao izay maha a-l’aise ny clients-nareo e!” hoy izy nony avy nandoa ny saram-pihetezana sy ny saram-piharatana (izay nampiany kadoa) izy ka niomana ny handeha. “Hiantso an’ i Julien Patrick aho rahampitso, dia teneniko izy hoe tena mahafinaritra ny fandraisanareo vahiny na dia vahiny tonga tara aza.”

“Oaray leaza an!” hoy aho nikoropaka faly sahirana tao an-tsaina. “Maty aho raha fantatr’i Julien Patrick hoe nanety volon’olona, kanefa tokony ho fantany koa fa mahay mandray olona tsara aho …. !”

“Misaotra indrindra,” hoy ilay rangahy teo am-baravarana. “Tsy maintsy mbola hifankahita ihany isika any aoriana any. Mety ho eto, mety ho any amin’ny ala-bararatan’Ankazomilamina. Iza no mahalala, fa veloma vetivety aloha ianao ry Herizo Razoharimanga an! Ny aina no matezà.” Dia iny izy no lasa, fa izay toerana nalehany re no asa!

“Oaray leaza an!” Kepoka tsy nahateny aho! Fanina tena fanina. “Ahoana koa ary izany legon’a?”

Tamin’ny fito alina aho no niala tao am-piasana. Tamin’ny valo aho no tonga tato an-trano. Efa manakaiky ny amin’ny sivy alina izao. Mbola tsy mitsahatra ihany ny orana. Fenomanana anefa hono androany. Efa maty jiro ilay tanana malaza. Misy ankizy henoko mihirahira hoe “Avivia ra-orana o!” any ambadimbadika any. Mba ankizy inona koa ary izany? Tena misy olona mitapy mihitsy … tssss.

Andeha hatory aho aloha fa tena valaka tanteraka. Rahampitso aho mbola hiatrika an’i Julien Patrick. Dia asa izay hanaovany ahy. Dia mbola misy an’iny kapiteny degany be iny koa mbola tsy hay loatra izay fandehany. Oaray leaza an!

--

--

Soamiely
On Madagascar

Favorite Palindrome: Was it a car or a cat I saw?