Tanora

Randrianandrasana Herizo
1 min readDec 17, 2019

--

Tanora tena vonona? Hitambatra hiasa, hivelona, hikasa hanorina ny rava. Tanora tsy miolona, tanora tia mitolona satria zo no maha olona. Hitsangana isika, hihiaka mafy be, hihiaka mafy hoe:

“Ampionareo zahay hisitraka ny zo, ho velona tokoa. Mijaly anie ‘zahay e! Matin’aran-drano, midongy tsisy (tsy misy)trano, mandry amin’ny tany, tsy zaka re zareo, ty zanako jereo…Jereo fa mitomany :(

Noana hono izy, miketraka ny kibo, miraraka ‘ty ivy. Honena izato izy, indrisy aho toa kivy…”

“Mama ho’aho! Aiza indray ny vary? Ny andro avy orana, ny hatsiaka mahatorana!”

“Izaho ‘nie ho’aho tsy an’asa e! ‘Nareo anga mitapy. Izaho mitotototo, voahilika tsy an’asa, mikohaky ny fiainana, tsy misy mba mitsabo, tsy misy hitarainana! Na rano ho sotroina aza sarotra tadiavina. Afaka aho kanefa toa an-trano maizina. Tsy vaovao reko, lalàna tsy amin’ny tany, na tany tsy ananana, ny ananana toa rava!”

Ry tanora erotrerony, jereo ‘ty ianao toa vizaka sahady, mangiana tsy mitady. Toa very anaty ady tsy hita hiafarana. Ndeha hifoha ka hijoro hanampy ny vahoaka, hamoha ireo mpitondra:

Eh ! Aza hodiana fanina

F’aleo aho mba hisitraka

Ny zo-ko ho aro fanina

Ny zo-ko tena marina

N’iza n’iza olombelona

Mitady sy mizaka ny zony mba ho velona

N’aiza n’aiza izy, tsy maintsy ao ny adidy

Adidintsika rehetra ny hanafaka ny geja

Adidintsika koa ny mitandrina ny hafa

Ny fahafahantsika hisitraka ny zo

Tsy hanembana ny azy tsy ho to.”

--

--