Rakinga sy ny findainy
Tamin’ny dimy ora hariva — tara adin’ny iray — ilay fiara Renault R16 maintimainty no tonga teo ivelan’ ilay tanana lehibe voahodidina fefy misalotra vakin-tavoahangy sy tariby maranitra. Tsy nila nampaneno ny anjomaram-piara akory ilay mpamily fa vao tsinjon-dRakinga Prosper nipoitra…